Toekaren' I Gabôna

Miankina be amin’ ny fitrandrahana harena an-kibon’ ny tany ny toekaren’ i Gabôna, indrindra ny solitany izay miantoka ny 50 %n’ ny harin-karena faobe sy ny 80 %n’ ny vokatra aondrany.

Na dia izany aza dia miaina ao anaty fahantrana ny 60 %n' ny mponina noho ny tsy fifandanjan’ ny fitsinjarana ny harem-pirenena. Miankina tanteraka amin' ny solitany ny toekarenan' i Gabôna ka noho izany dia lalaovin' ny fiovaovan' ny vidin-tsolitany izany toekarena izany izay efa nandalo fahasahiranana lehibe tamin' ireo taona 1990. Nisy ny fifanarahana tamin' ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena tamin' ny taona 2000 izay nampihenana ny fandaniam-bolam-panjakana.

Ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono

Fambolena

Voly fihinana

Tsy mbola mandroso ny fambolena sy ny fiompiana ao Gabôna. Ny fambolena dia sahanin’ ny 51,6 %n’ ny mponina nefa tsy mamokatra afa-tsy ny 5 %n’ ny harin-karena faobe (2008) na ny 3,3 % (2013). Ny voly fihinanana an-toerana no tena imasoan’ ny mpamboly, ka isan’ ny volena amin’ amin’ izany ny saonjo, ny akondro, ny mangahazo sy ny katsaka ary ny vary.

Voly fanondrana

Misy ihany ny fambolena kakaô sy kafe sy voanjo ary ny hazom-pingotra (hevea) haondrana nefa tsy ampy izany. Izany no mahatonga an’ i Gabôna hiankin-doha ara-tsakafo amin’ ny any ivelany (hafarana ny 60 %n' ny sakafo). Ny 13 %n' ny mponina ihany no mamboly. Tsy mandroso ny fambolena ao Gabôna na dia manana toetany mifandrify amin' izany aza ity fiorenena ity.

Fiompiana sy fanjonoana

Fiompiana

Any amin' ny tapany atsimon' i Gabôna dia misy fiompiana omby natokana amin' ny raharaham-barotra, ao amin' ny faritanin' i Nyagara.

Fanjonoana

Na dia mpihinana trodro maro aza ny Gabôney ary na dia manana morontsiraka mirefy mihoatra ny 800 km aza i Gabôna, dia tsy voatrandraka ny vokatra an-dranomasina ao aminy, izay mahatratra 210 000 tônina. Ny famokarana anefa tsy mahatratra afa-tsy 41 000 hatramin' ny 46 000 tônina teo anelanelan' ny taona 2000 sy 2010, nefa ny tinady dia mahatratra 50 000 hatramin' ny 55 000 tônina.

Fitrandrahana ny harena voa-janahary

Fitrandrahana hazo

Toekaren' I Gabôna 
Fitaterana hazo mitsinkafona

Ny sehatr’asa voalohany dia misahana indrindra ny fitrandrahana hazo, isan’ izany ilay karazan-kazo malemy hanamboarana takela-lazo (ny ôkome) izay maha laharana voalohany an’ i Gabôna. Miezaka miaro ny alan-jana-pehin-tany i Gabôna tamin’ ny alalan’ ny namoronany valan-javaboarim-pirena manodidina ny folo, izay mandrakotra ny 10 %n’ ny valaran-tanin’ i Gabôna.

Fitrandrahana harena an-kibon' ny tany

Solitany

Manana harena an-kibon’ ny tany betsaka i Gabôna, indrindra ny solitany. Ny famokarana solitany no loharanom-bolan’ i Gabôna. Na dia izany aza dia nizaka ny fitontonganan’ ny famokarana solitany io firenena io noho ny faharitan’ ny tahirin-tsolitany any any ambanin’ ny tany. Ny solitany dia hadina avy amin’ ny otri-tsolitany amorontsiraka sy ambany ranomasina an’ i de Mandji sy Rabi-Kounga. Ny orinasa fanadiovan-tsolitany dia miorina ao Port-Gentil sy ao Pointe-Clairette. Ny ankamaroan’ ny fitrandrahana ny otri-tsolitany any Gabôna dia navela hosahanin’ ny orinasa frantsay ELF, izay nakambana tao amin’ ny TotalFinaElf.

Manganezy

Laharana fahatelo i Gabôna amin’ ny famokarana manganezy maneran-tany, ka ny otrika manganezy amin’ izany dia ny an’i Moanda any amin’ ny tapany atsimo.

Harena an-kibon' ny tany hafa

Toekaren' I Gabôna 
Fitaterana akoran-karena ambanin' ny tany amin' ny lalamby Transgabonais.

Isan’ ny harena an-kibon’ny tany any Gabôna koa ny vy any Mekambo sy any Belinga any avaratra-atsinanana. Mamokatra oraniôma koa i Gabôna izay manana tahiry tsy mitsaha-mihena. Misy koa ny tahirina fôsfaty sy volamena voajanahary. Ahitana fira-mainty, manganezy, oraniôma ary volafotsy koa ny ao amin’ io firenena io.

Sehatr' asa hafa

Orinasa vaventy

Ny sehatry ny orinasa vaventy dia mandroso: ny 15,8 %n’ ny mponina afaka miasa. Ny fanadiovana ny solitany sy ny fikarakarana ny vokatra hazo ary ny orinasa mpamadika ho sakafo ny vokatry ny fambolena no voakasika indrindra amin’ izany.

Ny sehatr' asa fahatelo

Ny sehatr’ asa fahatelo dia tsy dia mandroso sady mampiasa ny 30 %n’ ny mponina afaka miasa. Voasakantsakan’ ny ala sy ny toetany ny fotodrafitrasa momba ny fitaterana.

Ny fifanakalozana

Ny farantsa CFA no vola ampiasain’ i Gabôna. Nihena anysasany ny sandan’ io vola io tamin’ ny taona 1994. Ny varotra ivelany dia mandroso sady ahazoana tombony. Ireto ny firenena manafatra entana amin’ i Gabôna: i Alemana, i Britaina Lehibe, i Espaina, i Etazonia, i Frantsa,  i Italia, i Japàna ary i Nederlandy.

Ny fitaterana

Fitaterana an' arabe

Ambany dia ambany ny lanjan' ny fitaterana an' araba ao Gabôna vokatry ny fisian' ny alabe. Misy lalana mirefy 9 170 km i Gabôna ka ny 10,2 % amin’ izany dia voarakotra tara. Latsaky ny 20 % amin' izany no azo lazaina ho mbola tsara. Misy ny lalalana midadasika avy any avaratra mankany atsimo mampitohy an’ i Loubomo amin’ i Kôngô ary an’ i Douala amin’ i Kamerona. Talohan’ ny taona 1970 dia lalam-by tokana no nampitohy an’ i M’Bindfa amin’ i Kôngô ary ny lalam-by mampitohy an’ i Pointe-Noire amin’ i Brazzaville.

Firaterana an-dalamby

Toekaren' I Gabôna 
Ny lalamby Transgabonais

Nanomboka tamin’ ny taona 1978 ny fanamboarana ny lalala mamakivaky an’ i Gabôna (Transgabonais) izay mirefy 697 km ao amin' ny Faritr' i Franceville. Nisy ampahany avy eo anelanelan’ i Owendo sy i Booué izay vita tamin’ ny taona 1982, ary ny fanitarana izany mankany Masuku (Franceville) ao atsimo-atsinanana dia natomboka tamin’ ny taona 1986. Misy koa ny fikasana hanamboatra ny lalam-by natao hitaterana ny akoram-by avy ao avaratra-atsinanana. I Owendo sy i Port-Gentil no seranan-tsambo lehibe ao Gabôna.

Fitetarana an-drenirano

Ny renirano Ogooué sy ireo rano hafa mivarina ao aminy (Ivindo sy Ngounie) dia azo itondrana lakana na sambo madinika. Ny firaterana an-drenirano dia manombola eo amin' n yseranan' i Owendo akaikin' i Libreville sy Port-Gentil satria eo no ihaonan' ny entam-barotr' i Gabôna izay alefa mankany an-dranomasina ho any ivelany. Ny fitaterana mpandeha an-drenirano sy an-dranomasina dia hita indrindra eo anelanelan' i Libreville sy Port-Gentil (mandalo amin' ny ranomasina, noho ny tsy fisian' ny arabe) ary ny lalam-paritra ao amin' ny faritry ny farihy (departemantan' i Ogooué sy departemantan' ny Lacs) amin' ny manodidina an' i Lambaréné. Ny halavan' ny lalan-drano azo ifamoivoizana dia mirefy 1 660 km tamin' ny taona 2010.

Fitaterana ana habakabaka

Telo ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ao Gabôna: ny seranam-piaramanidin' i Libreville sy ny seranam-piaramanidin' i Port-Gentil ary ny seranam-piaramanidin' i Franceville. Ahitana seranam-piaramanidina madinika miisa 60 koa ny ao amin' io firenena io ka ny 30 dia natokana amin' ny raharaham-barotra.

Jereo koa

Tags:

Toekaren' I Gabôna Ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jonoToekaren' I Gabôna Fitrandrahana ny harena voa-janaharyToekaren' I Gabôna Sehatr asa hafaToekaren' I Gabôna Jereo koaToekaren' I GabônaGabônaHarena an-kibon' ny tanyHarin-karena faobeSolitanyTahirim-Bola Iraisam-Pirenena

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

LiokaGinea BisaoBangladesyOganda19Fanjakan' AndriamanitraMary CassattSkotisma Zazavavy eto MadagasikaraAdaoroHStatistika17 Febroary951967TsỳFinlandyFitodika iharanaOsyGazy karbonikaAlakaosyTerakaChristchurchSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaZomaMicrosoft OfficeFajiryFiteny siriakaFirenenaPhiladelphiaDidy FoloNosyVokovokomanga Loterana MalagasyBarbadyMasqatTaom-baovao malagasy4EjiptaFivavahan-drazana malagasyIsaia (mpaminany)Satana198836BarselonaFizaràn-taonaMailyWikibolana1922Loharano55VaryWayback MachineMerina41Bokin'ny Olona GoavambeRambondanitra3 Janoary11OmbyArdècheTaonjato20141793RNôrvezyFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraFitsanganan' i Jesoa ho velonaRepoblika Fahefatra (Madagasikara)ArintanyHaintanyEpistilin' i PaolyFitodika sehatra1992KabaryKapila matezaAfrika AtsimoAngelina Jolie🡆 More