Oraniôma

Ny oraniôna dia singa metaly radiôaktifa, izay aseho amin' ny alalan' ny eva U, sady mitondra ny laharana atômika 92.

Mitsonika ny oranioma rehefa mahatratra 1 132 °C ny maripanany, ary mangotraka amin' ny 3 818 °C sady manana hakitroka 19,05 amin' ny maripana 25 °C. Ny lanja atômikany dia 238,029. Anisan' ny metaly mavesatra ny oraniôma.

Oraniôma
Akoran' oraniôma

Miseho amin' ny endrika kristaly telo ny oraniôma: ao ilay miforona rehefa 770 °C ny maripana ka azo volavolaina sady azo roritina. Rava ao anaty asidra klôridirika sy nitirika ny oraniôma, nafa tsy levona ao anaty alkalia. Manala ny hidirôzeninan' ny asidra mineraly sy an' ny tsora masiran' ny metaly toy ny volavelona (na merkiora), ny volafotsy, ny varahina, ny firapotsy, ny volamahery (na platinina) ary ny volamena ny oraniôma. Rehefa voazarazara madinika ny oraniôma dia mora mirehitra ao amin' ny rivotra eo anelanelan' ny maripana 150 °C sy 175 °C. Ny oraniôma no singa simika voajanahary laharana fafa-48 amin' ny habetsahana ao an-kibon' ny tany, ka betsaka kokoa noho ny volafotsy izany. Ahitana azy amin' ny endrika bitika ny any anaty ranomasina. Anisan' ny loharanon-kafanana izay mihazona ny hafanam-ben' ny hoditry ny Tany ny oraniôma, ka mampihisatra ny fihamangatsiakany. Ny oraniôma no akora fototra ampiasaina amin' ny taozava-baventy nokleary.

Tafakatra 54 742 taonina ny vokatra oraniôma maneran-tany tamin' ny taona 2019, izay mitsinjara amin' i Kazakstàna (41,7 %), i Kanadà (12,7 %), i Aostralia (12,1 %), i Namibia (10 %), i Ozbekistàna (6,4 %), i Nizera (5,4 %), i Rosia (5,3 %) ary i Sina (3,4 %) izany. Tamin' ny taona 2020 dia nidina 47 731 taonina ny famokarana oraniôma maneran-tany.

Tags:

Metaly

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

1870Fisoronana sy fanalana vintanaFanavaozana prôtestantaEoklida1 OktobraJebositashantou2002Tody640Lop BuriAndriamanitra (ankapobeny)Kalifata AbasidaEuronewsSekoly Ambony Loterana momba ny Teolojia1200Isam-poninaTetiandro litorjika kristiana1800Olik'aratraSaint-Julien, Côte-d'OrAfrikaakoho1908AgnyWalter GarganoNeymarManalalondoToekarenaFangitra ara-jeografiaGissey-sur-OucheTsimihetyClisson340RajasthanTovaloSifakaTranoFanambadianaPontio PilatoSakamalaoKisarisary ÔfitaRoy (zavamaniry)TrombaHopitalyFanatontoloanaDmitri KombarovZhuge LiangBônifasy VIIIMississipi (renirano)Ranomasina adriatika31 AogositraAblainzevelleVirijiny (fanandroana)CunacFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraVoronaLegiomaVondrona EorôpeanaGazetyMpanoritraFameno (fitsipiteny)Faritra BetsibokaHasimpeoZanahary (finoan-drazana malagasy)Knut HartwigFamadihanaFiteny jeôrjiana4261405🡆 More