I Tasmania na Fanjakan'i Tasmania dia fanjakana aostraliana hita any amin'ny 199 km any amin'ny morontsiraka atsimo atsinanan'i Aostralia, izay misaraka aminy amin'ny alalan'ny Andilandranon'i Bass.
Ny Fanjakan'i Tasmania dia ahitana ny nosin'i Tasmania sy nosy madinika hafa miisa 334. Ny nosy Tasmania dia manana halava 365 km avy atsimo mianavaratra sy sakany mirefy 306 km avy andrefana miantsinanana. Manana velaran-tany mirefy 68 401 km2 izy. Misy mponina 531 500 ny ao amin'io fanjakana io tamin'ny taona 2018 ka ny antsasak'izany dia ao amin'ny Faritr'i Great Hobart, izany hoe ao amin'ny tanànan'i Hobart (renivohitra) sy i Glenorchy ary i Clarence. Ny toerana misy ny ampahan'ny mponina sisa dia ao Launceston sy Devonport ary Burnie. Ny nosy Macquarie dia fehezin'ny Fanjakan'i Tasmania koa.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Tasmania, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.