Renirano Pendjari

I Pendjari na Oti dia renirano any Afrika Andrefana izay mamakivaky an' i Borkina Fasô, Bénin, i Tôgô ary i Ganà.

Ao amin' ny firenena roa farany dia antsoina hoe Oti izy. Izy dia sakelidranon' ny ony Volta izay ivarinan’ ny ranony ao amin' ny sisiny havia tandrify ny farihy Volta.

Renirano Pendjari
I Pendjari tandify ny Valan-javaboarin’ i Pendjari any Benîno.
Renirano Pendjari
Ny ony sy ny renirano Tôgô

Ny anarany dia avy amin’ ny fiteny gormantse izay fitenin’ ny Gormantse, ary midika hoe “renirano lehibe”. Eny tokoa, io no renirano lehibe indrindra amin' ny erana misy an' io foko io.

Ao amin' ny tangorom-bohitra Atacora ao amin' ny Departemantan' i Atacora any Benîno no ipoiran’ ny loharanon’ i Pendjari. Any Tôgô dia mitambatra amin' i Oti izy, avy eo miampita ny sisintanion’ i  Ganà. Any izy no sisin-tany teo anelanelan’ i Tôgô (fony zanatany alemàna avy eo anglisy) sy i Gold Coast (Côte de l'Or) zanatany britanika. Any Ganà dia mitodika mianatsimo izy ary mivarina any amin' ny ony Volta tandrify ny farihy Volta.

Io renirano io no sisin-tany voajanahary avaratra amin' ny Parc National de la Pendjari  (Valan-javaboarin’ i Pendjari) ao Benîno. Amin' ny faritra misy azy ao amin' ny Valan-javaboarin' i Pendjari sy any amin' ny faritra midina, i Pendjari no sisintany manasaraka an' i Benîno sy i Borkina Fasô (miaraka amin' ny fifandiran’ ireo firenena roa ireo momba ny fiandrianam-pirenena eo amin' ny faritra antsoina hoe Koaloun na Kourou).

Tags:

Afrika AndrefanaBorkina FasôGanàReniranoTôgôVolta (farihy)Volta (ony)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

AmontanaMain PageAdizaozaMeivazyHasina (hery tsy hita maso)AlahamadyAntanosyDistrikan'i MaintiranoSakramentaFiangonana Loterana Malagasy NohavaozinaKainaGrisyGnôstisismaFitsarana faranyLitorjia14 FebroaryFiteny tataraAziaSiddhartha GautamaTorkiaFanalana faditra2006Repoblikan' i Madagasikara (1992-2009)William III an'i AngleteraMpampiankinaTarehin-tsoratra araboApôkrifan' ny BaibolyMa Ying-jeouVondrona EorôpeanaNôvambraMerinaFaritany eto MadagasikaraFitenim-paritra malagasyEorôpaSoisaFanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' OlombelonaArabia SaoditaMontanaBenjamin DisraeliDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)Pablo PicassoAsa AkiraTontolo iainanaFanjakan' ImerinaRepoblika MalagasyFototenyFitiavanaFiarahamoninaRazana (finoana malagasy)OkrainaJirofo1911Bokin' i DanielaFanandroana malagasyBaiboly amin' ny teny malagasySikidy malagasyEzraAlarobiaAnaranaSabata (jiosy)Andriamanitra (tokana)FotoanaRepoblika Fahefatra (Madagasikara)ZanatsoratraHypertext Markup LanguageTantaraLuciano SpallettiBaiboly katôlikaRavelonjanaharyKabary tera-baoFiarakodia🡆 More