Mandravasarotra

Ny mandravasarotra, izay atao hoe saro na sakarivohazo na fanalamangidy koa, dia zavamaniry voninkazo tsy hita afa-tsy eto Madagasikara.

Atao hoe Cinnamosma fragrans ny anarany ara-tsiansa. Fanao fanafody ny mandravasarotra. Ny raviny no tena ampiasaina. Maniry amin' ny tany misy silisy amin' ny faritra maina ny mandravasarotra. Miloko maitso matroka ny raviny ary sory kirakirany.

Mandravasarotra
Mandravasarotra

Ny menaka avy amin' ny mandravasarotra dia itsaboana ny aretina vokatry ny bakteria na ny virosy. Maro ny aretina (vokatry ny bakteria, ny virosy, ny holatra madinika, ny katsentsitra, ny hatsiaka, sns) sy ny karazan-karerahana azo sitranina amin' ny fampiasana ny menaka mandravasarotra: rehoka, sinozita, aretin' ny lalanjaza, aretin' ny traotraoka, gripa, aretin-tsofina, sns.

Ny mombamomba an' ilay zavamaniry

Toetoetrany

Ny mandravasarotra dia hazo madinika tsy maniry afa-tsy eto Madagasikara, manitra, misy zorozorony ny tahony, maitso matroka ny raviny, mitondra vavimbony sy lahimbony ny voniny. Ny voany dia miovaova endrika sy habe, izay misy vihy miisa eo anelanelan' ny 1 sy 15 isaky ny voa.

Toerana aniriany

Maniry maro amin' ny ala maina mikitroka any avaratra-andrefan' i Madagasikara ny mandravasarotra, amin' ny tany be silisy amin' ny faritra a-morontsiraka amin' ny haambo latsaky ny 600 m

Fampiasana ny mandravasarotra

Fitsaboana nenti-paharazana

Ny menaka mandravasarotra dia mitovitovy amin' ny an' ny ravintsara: ampiasaina hiadiana amin' ny kohaka sy ny sohika ary ny fivalanan-dra mitreraka fahaverezan-drano be loatra ny fakany; iadiana amin' ny tazomoka, itsaboana ny ratra koa izy, analana ny herin' ny poizina voatelina, ho an' ny vehivavy saro-piterahana; ny fandomana ny raviny dia ampiasaina ho an' ny zaza matavy na mahia loatra.

Fitsaboana nentim-paharazana nohatsaraina

Ny fampifangaroana azy amin' ny singa hafa dia ahazoana mitsabo ny aretin' aty, ny sinozita, ny tazomoka. Azo tsaboina amin' ny mandravasarotra koa ny aretin' ny lalan' amany, aretina sasany mahazo ny fitaovam-pananahan' ny vehivavy, ny aretina mahazo ny ati-vava (aretina sy ratran' ny hihy) sy ny vavony,

Fandroahana sy fomoana moka

Mahafaty moka koa ny mandravasarotra ary mandroaka ny moka miteraka ny tazomoka.

Tags:

Mandravasarotra Ny mombamomba an ilay zavamaniryMandravasarotra Fampiasana ny mandravasarotraMandravasarotraMadagasikaraSilisyZavamaniry

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Ôlimpôsy (Torkia)Siméon RajaonaFototenyKabary tera-baoTestamenta TalohaAmpiposahana (faritra)ZanamalataAlemainaArabia SaoditaSolosainaFahitalavitraTalataPakistànaFilôzôfiaBokin' i JeoAdaoroAmerika AvaratraLovantsofina1993Sokajin-tenyFiteny antefasyPaoly (apôstôly)Roger ByrneOhabolanaRSSSomatraAfrika AfovoanyTodyFiteny malaiô-pôlinezianaAbraham TrembleyFiteny indônezianaFitsipiteny malagasyFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraAostraliaTobilehibe FarihimenaFiteny fôrmôzanaLinus PaulingLahatra (finoana malagasy)NinheiraTsimihetySeiselySetianismaFanjakana MitambatraMalagasy (vahoaka)Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara1946Ranavalona IIKantoFifohazana (kristianisma malagasy)Ebrahim HatamikiaEndolzansyFiteny soedoà1145São PauloFamoranaBritaina LehibeTendrontany(103906) 2000 DJ58AlakaraboRepoblika Fahefatra (Madagasikara)Al-ShahrastaniSilamoWiki FoundationLambamenaIsa voasainaVarotraViennaNizeriaVolaJesoa araka ny kristianismaFiainana ara-panahyIzehara🡆 More