Fokom-Pirenen' I Dana

Ny fokom-pirenen' i Dana dia iray amin' ny fokom-pirenena roa ambin' ny folon' i Israely.

Ny tanin' ny fokom-pirenen' i Dana dia hodidinin' ny an' i Benjamina sy ny an' i Jodà ao atsinanana sy ao atsimo, ny an' i Efraima ao avaratra ary ny Ranomasina Mediteranea ao andrefana. Anisan' ny Fanjakan' i Samaria na Fanjakan' i Israely ny fokom-pirenen' i Dana ka nataon' ny Asiriana sesitany tamin' ny taona 722 tal. J.K. niaraka tamin' ny fokom-pirenen' i Israely sivy hafa.

Fokom-Pirenen' I Dana
Sarintanin'ny foko 12n'i Israely

I Dana

I Dana (hebreo: דָּן, / Dan) dia zanaka fahadimin' i Jakôba tamin' i Bila mpanompovavin' i Rahely vadiny. I Hosima no anaran' ny zanany lahy.

Ny anjara tanin' ny fokom-pirenen' i Dana

Ny tanin' ny fokom-pirenen' i Dana dia hodidinin' ny tanin' i Benjamina sy ny an' i Joda ao atsinanana, ny tanin' i Jodà ao atsimo, ny an' i Efraima ao avaratra ary ny Ranomasina Mediteranea ao andrefana.

Olona anisan' ny fokom-pirenen' i Dana

Anisan' ny fokom-pirenen' i Dana i Manoa sy i Samsona, ilay mpitsaran' i Israely.

Ny olona heverina fa anisan' ny fokom-pirenen' i Dana nanjavona

Fahababoana asiriana

Tamin' ny taonjato faha-10 tal. J.K. dia anisan' ny Fanjakan' i Samaria na Fanjakan' i Israely avaratra ny fokom-pirenen' i Dana ka anisan' ny nataon' ny Asiriana sesitany (manontolo na ampahany) tamin' ny taona 722 tal. J.K. niaraka tamin' ny fokom-pirenen' i Israely sivy hafa.

Ny Samaritana

Fokom-Pirenen' I Dana 
Samaritana eo amin'ny tendrombohitra Gerizima.

Nanomboka tamin' ny taonjato faha-3 tal. J.K., fara-fahatarany, dia nisy vahoaka atao hoe Samaritana nonina ao amin' ny faritry ny Fanjakan' i Samaria taloha izay milaza fa taranaky ny fokom-pirenena folo tao amin' io faritra io. Ny Israelitan' i Jodea (na Jodia, izay atao hoe Jodà talohan' io fotoana io), dia ireo atao hoe Jiosy ankehitriny, dia tsy nanaiky izany ka nilaza fa taranaky ny Asiriana nonina tao Samaria izy ireo satria aminy dia nanjavona tsy hita ny fokom-pirenen' i Dana sy ireo sivy hafa izay nonina tao amin' ny Fanjakan' i Samaria. Ny jodaisma ôrtôdôksa amin' izao fotoana izao koa dia miombon-kevitra amin' izany.

Ny Beta Israely

Fokom-Pirenen' I Dana 
Vehivavy Beta Israely ao Israely.

Ny telo amin' ny fokom-pirenen' i Israely, anisan' izay i Dana, dia heverina, araka ny lovantsofina, fa nandositra ao Afrika, ao Nobia. Tamin' ny taonjato faha-15 dia nilaza ilay Jiosy egiptiana, dia ny Radbaz (Rabbi David ben Zimra, 1462–1572), fa ny Beta Israely ao Etiôpia dia avy amin' ny fokom-pirenen' i Dana. Ilay raby sefaradan' i Israely, i Ovadia Yossef, dia nanohy ny petra-keviny tamin' ny taona 1973 ka nahatonga ny Beta Israely heken' ny Fanjakana israeliana amin' izao fotoana izao ho anisan' ny Jiosy tamin' ny taona 1975.

Ny fokom-pirenen' i Dana araka ny literatiora kristiana

Tsy anisan' ny fokom-pirenen' voatanisan' ny Apôkalipsin' i Joany (Apô. 7.4-8) ny fokom-pirenen' i Dana nefa manonona an' i Manase ho anisan' ny fokom-pirenena resahiny. Mety noho ny sasany tamin' izy ireo nanompo sampy no nahatonga izany. Nanatsoa-kevitra noho izany ny Rain' ny Fiangonana sasany (Ireneo sy Hipôlito avy any Rôma) sy ny Milenarista sasany fa io fokom-pirenena io no hivoahan' ny Antikristy.

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Fokom-Pirenen' I Dana I DanaFokom-Pirenen' I Dana Ny anjara tanin ny fokom-pirenen i DanaFokom-Pirenen' I Dana Olona anisan ny fokom-pirenen i DanaFokom-Pirenen' I Dana Ny olona heverina fa anisan ny fokom-pirenen i Dana nanjavonaFokom-Pirenen' I Dana Ny fokom-pirenen i Dana araka ny literatiora kristianaFokom-Pirenen' I Dana Jereo koaFokom-Pirenen' I Dana Loharano sy fanamarihanaFokom-Pirenen' I DanaFahababoana tany AsiriaFanjakan' i Israely (Samaria)Fokom-pirenen' i BenjaminaFokom-pirenen' i EfraimaFokom-pirenen' i IsraelyFokom-pirenen' i JodàRanomasina Mediteranea

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

SeiselyBaiboly katôlikaFokom-pirenen' i IsraelyFanahyDumboZanatanin' i Madagasikara sy ny tany miankinaRanoFamadihanaUlan Bator114523 JonaErwin WurmAntankaranaBaiboly amin' ny teny malagasyAziaNorman BorlaugKabary tera-baoFatranaLady GagaKantoBatismaAnsel AdamsFiteny antesakaFiteny betsimisaraka atsimoIndiaTanyMulbagalAndriamanitra RayPennsylvaniaZafy AlbertPoopy8 MartsaEsôterismaJoroNy valanaretin'ny coronavirus eto MadagasikaraRosiaMpaminany lehibeFanonganam-panjakanaApôkalipsy Gnôstikan' i PeteraTalataGeorges AndriamanantenaKabary famangianaHazomangaHaifisaina sy hetsi-poAntananarivo1885JodasySarielaNy Avana RamanantoaninaHendersonville, TennesseeFanavakavaham-bolon-koditra2005KroazadaDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)1866Filoham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraZanamalataVintana (finoan-drazana malagasy)Epistily ho an' ny RômanaSabelioFanandroanaQaemiyehTeôlôjiaTetiandro malagasyHasinaPistisy SôfiaBernard Renau d'EliçagarayAdama sy EvaOlombelonaFiteny frantsay🡆 More