Nobia

I Nobia dia faritra maina (tany efitra) ao amin' ny tapany avaratr' i Sodàna sy ny tendrony atsimon' i Egipta izay manamorona an' i Nily.

Tamin' ny Andro Taloha dia fanjakana mahaleo tena i Nobia izay nisy mponina miteny amin' ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana. Nifarana tamin' ny taona 1970 ny fitenenana amin' ny fiteny birgidy, izay fitenim-paritra notenenina tao avaratr' i Nyala ao Sodàna, ao Darfora. Ny fiteny nobiana tranainy dia nanoratana ny akamaroan' ny lahatsoratra ara-pivavahana teo anelanelan' ny taonjato faha-8 sy faha-9.

Nobia
I Nobia hatrany Ejipta (avaratra) ka hatrany Sodàna (atsimo)

Ny Nobiana

Nobia 
Nobiana ao Sodàna

Vondrom-poko ara-pitany any Sodàna ankehitriny sy any amin' ny tapany atsimon' i Ejipta ny Nobiana, izay avy amin' ny mponina voalohany tao amin' ny faritra afovoany amin' ny Lohasahan' i Nily, heverina ho iray amin' ny faritra voalohany nipoiran' ny sivilizasiôna. Manana ny tantarany tamin' ny Andro Taloha, talohan' ny Ejipta nanjakan' ny dinastia nifandimby ny Nobiana. Miteny ny fiteny nobiana, izay ao amin' ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana, izy ireo. Avy any Sodàna ny Nobiana.

Fiteny nobiana

Nobia 
Tany efitr' i Nobia

Ny fiteny nobiana dia vondrona fiteny maromaro mifandray, ao amin' ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana any Ejipta sy Sodàna, ampiasain' ny Nobiana.

Jereo koa

Tags:

Andro TalohaDarforaEgiptaFianakaviam-piteny nilô-saharianaFiteny nobianaNilySodàna

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

ForyALisitry ny filohan' i MadagasikaraKristianismaKabary am-panambadianaLohataonaRakotozandry DanielOhioRasoherinaYonoAnjara (finoana)2007TrombaMarcel AlbersHong Kong35Z26Georges AndriamanantenaZon' olombelonaTayEpistily ho an'ny RomanaBezanozanoLinuxWi-FiSakalavaGoga sy MagogaBiarritz46194613BokyAlaskaBaiboly amin' ny teny malagasyU919591954Mpaminany lehibe1 Mey1925Andriamanitra (finoan-drazana malagasy)Mpanao gazetyWikibolanaESRazana (finoana malagasy)Saint-Julien-en-Saint-Alban29Hara-magedona1958MeyKabary famangianaTetezanaKalandrie hindoa19777452003185440PKolontsaina6Fiteny frantsayVanila2004Fianakaviam-pitenyFanagasianaZavakantoAndrianampoinimerinaFitenim-paritra malagasy🡆 More