Fanjakan' I Jodà

Ny Fanjakan' i Jodà na Fanjakan' i Joda na Fanjakana Atsimo dia fanjakà-mpanjaka tany Atsinanana-Akaiky taloha naorin' ny Israelita tamin' ny Andron' ny Vy.

Araka ny Baiboly dia teo anelanelan' ny taona 931 sy 586 tal. J.K. no nisian' io fanjakana io izay nifanefi-tany tamin' ny Fanjakan' i Samaria (na Fanjakan' i Israely) izay nifanohitra taminy. Araka ny Baiboly dia vokatry ny fivakisan' ny Fanjakan' i Israely izay mbola nitambatra izy sy ny Fanjakan' i Samaria taorian' ny nahafatesan' i Sôlômôna (Salômôna). Taorian' ny vanim-potoam-pandrosoana teo ambany fifehezan' ny Fanjakana Asiriana vaovao dia noravan' ny Babilôniana izy tamin' ny andron' i Nebokadnetsara II tamin' ny ady nifanaovan' i Egiptiana sy ny Babilôniana.

Fanjakan' I Jodà
Fanjakan' i Israely sy Fanjakan' i Jodà tamin' ny taonjato faha-9 tal. J.K.

Ny fokon' i Israely tao amin' ny Fanjakan' i Jodà

Roa fotsiny ny fokom-pirenen' i Israely tafajanona tao amin' ny Fanjakan' i Jodà, dia ny fokom-pirenen' i Jodà sy ny fokom-pirenen' i Benjamina. Nisy ampahany tamin' ny fokom-pirenen' i Levy izay nisahana ny resaka fivavahana tao amin' ny Fanjakan' i Jodà.

Lisitry ny mpanjakan' i Jodà

Nanomboka teo amin' ny fanjakan' i Rehôbôama na Rôbôama ka hatramin' ny fanjakan' i Zedekia na Sedekiasa ny lisitry ny mpanjakan' i Jodà. I Saoly na Saola sy i Isbôseta sy i Davida ary i Sôlômôna na Salômôna dia mpanjakan' i Israely tamin' izy mbola fanjakana tokana tsy mivaky. Nisy roapolo mahery eo ny isan' ny mpajaka nifandimby nitondra tao Jodà raha tsy isaina i Saoly sy i Davida ary i Salômôna.

  1. Rehôbôama na Rôbôama (hebreo: רְחַבְעָם / Rehav’am);
  2. Abia na Abiama (hebreo: אַבִיָּם / ’Aviyam);
  3. Asa (hebreo: אסא / ’Asa);
  4. Jôsafata (hebreo: יהושפט / Yehoshafat);
  5. Jehôrama na Jôrama (hebreo: יהורם / Yehoram);
  6. Ahazia na Ôkôziasa (hebreo: אחזיהו / ’Ahazyahu);
  7. Atalia (hebreo: עתליה / ‘Atalyah);
  8. Jôasy na Jôasa (hebreo: יהואש / Yehoash);
  9. Amazia na Amaziasa (hebreo: אמציה / ’Amatzyah);
  10. Ozia na Oziasa (hebreo: עזיה / ‘Uziyah) na Azaria na Azariasa (hebreo: עזריה / ‘Azaryah);
  11. Jôtama (hebreo: יותם / Yotam);
  12. Ahaza na Akaza (hebreo: אחז / ’Ahaz);
  13. Hezekia na Ezekiasa (hebreo: חזקיה / Hizqiyah);
  14. Manase (hebreo: מנשה / Menasheh):
  15. Amôna (hebreo: אמון / ’Amon);
  16. Jôsia na Jôsiasa (hebreo: יאשיהו / Yo’shiyahu);
  17. Jôahaza na Jôakaza (hebreo: יהואחז / Yeho’ahaz);
  18. Jôiakima na Jôakima (hebreo: יהויקים / Yehoyaqim);
  19. Jôiakina na Jôasina (hebreo: יהויכין / Yehoyakhin) izay atao hoe Jekonia na Jekoniasa koa (hebreo: יכניהו / Yekhonyahu);
  20. Zedekia na Sedekiasa (hebreo: צדקיהו / Tzidqiyahu).

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Fanjakan' I Jodà Ny fokon i Israely tao amin ny Fanjakan i JodàFanjakan' I Jodà Lisitry ny mpanjakan i JodàFanjakan' I Jodà Jereo koaFanjakan' I Jodà Loharano sy fanamarihanaFanjakan' I JodàAndron' ny VyAtsinanana AkaikyBabilôniaBaibolyEjipta tamin' ny Andro TalohaFanjakan' i Israely (Samaria)Fanjakan' i Israely (mitambatra)Nebokadnetsara IISôlômôna

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Apôkalipsy Gnôstikan' i PeteraBatismaFandraisanaHôngriaDokotraFiangonana Protestanta Vaovao eto MadagasikaraAbraham TrembleyBokin' i JôbaNizeriaKisarisary ÔfitaMartin CooperTranonkalaKilamba-KiaxiFiteny estônianaQaemiyehAbdellatif FellainiBritaina LehibeBiôgrafiaRosiana (vahoaka)EorôpaJakartaKôlômbiaAmbohimangaMaha virjiny mandrakizay an' i MariaMadagasikara(103906) 2000 DJ58FrantsaKapveraValve CorporationNinheiraBoky ara-tantara (Baiboly)HerinaratraMosesyFiteny bielôrosianaFaritra eto MadagasikaraVolaWiki FoundationSaryGoogleSamuel RatanyMozika malagasyBola (jeômetria)São PauloAdaoroAdijadyHaifisaina sy hetsi-poFiteny sanskrityLahatra (finoana malagasy)Volahavana GermaineSaretyFiteny indônezianaFamelabelarana faharoa ny amin' ny Seta LehibeSodànaSakaFiteny anglisy1 Jona30 St Mary AxeFilôzôfiaApôkalipsy voalohan' i JakôbaMississipi (renirano)Tantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôAdizaozaAbu Mansur al-BaghdadiWikiRosedale, MississippiFaritra BoenyParashaBaibolyEôna (gnôstisisma)SinôgramaEmirata Arabo MitambatraAsorotanySongosongo🡆 More