Ny Fanjakan' i Jodà na Fanjakan' i Joda na Fanjakana Atsimo dia fanjakà-mpanjaka tany Atsinanana-Akaiky taloha naorin' ny Israelita tamin' ny Andron' ny Vy.
Araka ny Baiboly dia teo anelanelan' ny taona 931 sy 586 tal. J.K. no nisian' io fanjakana io izay nifanefi-tany tamin' ny Fanjakan' i Samaria (na Fanjakan' i Israely) izay nifanohitra taminy. Araka ny Baiboly dia vokatry ny fivakisan' ny Fanjakan' i Israely izay mbola nitambatra izy sy ny Fanjakan' i Samaria taorian' ny nahafatesan' i Sôlômôna (Salômôna). Taorian' ny vanim-potoam-pandrosoana teo ambany fifehezan' ny Fanjakana Asiriana vaovao dia noravan' ny Babilôniana izy tamin' ny andron' i Nebokadnetsara II tamin' ny ady nifanaovan' i Egiptiana sy ny Babilôniana.
Roa fotsiny ny fokom-pirenen' i Israely tafajanona tao amin' ny Fanjakan' i Jodà, dia ny fokom-pirenen' i Jodà sy ny fokom-pirenen' i Benjamina. Nisy ampahany tamin' ny fokom-pirenen' i Levy izay nisahana ny resaka fivavahana tao amin' ny Fanjakan' i Jodà.
Nanomboka teo amin' ny fanjakan' i Rehôbôama na Rôbôama ka hatramin' ny fanjakan' i Zedekia na Sedekiasa ny lisitry ny mpanjakan' i Jodà. I Saoly na Saola sy i Isbôseta sy i Davida ary i Sôlômôna na Salômôna dia mpanjakan' i Israely tamin' izy mbola fanjakana tokana tsy mivaky. Nisy roapolo mahery eo ny isan' ny mpajaka nifandimby nitondra tao Jodà raha tsy isaina i Saoly sy i Davida ary i Salômôna.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Fanjakan' i Jodà, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.