Fanabeazana Eto Madagasikara

Manana tantara lava sy miavaka ny fanabeazana eto Madagasikara.

Nanomboka tamin' ny fahatongavan' ny tantsambo arabo teto Madagasikara tamin' ny Andro Antenatenany ny fampianarana ara-dalàna, izay nananganana sekoly silamo (kuttab) vitsivitsy mifanandrify amin' ny ambaratonga fototra, ary namolavola fanoratana ny teny malagasy amin' ny tarehin-tsoratra arabo, antsoina hoe sorabe. Tsy naharitra ela ireo sekoly ireo ary ny fampianarana ara-dalàna dia niverina tamin' ny andron' ny Fanjakan' i Madagasikara tamin' ny taonjato faha-19. Ny fanohanan' ny mpanjaka sy ny mpanjakavavy nifandimby dia niteraka rafi-pampianarana ambony indrindra taty Afrika atsimon' i Sahara talohan' ny fanjanahantany. Na izany aza, ny sekoly ara-dalàna dia voafetra tao amin' ny faritra afovoan' i Madagaskara manodidina an' Antananarivo ary natokana ho an' ny zanak' ireo ao amin' ny sarangan' ny andriana. Ao amin' ny ampahany hafa amin' ny mponina eto amin' ny Nosy, ny fanabeazana nentim-paharazana ihany no mbola nanjaka tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20. Ity fampitana tsy ara-panjakana ny fahalalana sy ny fahaiza-manao ary ny fenitra iombonana ity dia niompana amin' ny fanomanana ny ankizy handray ny toerany ao anatin' ny ambaratongam-piarahamonina anjakan' ny zokiolona, indrindra fa ny fanajana ny razana, izay heverina fa manara-maso sy anisan' ny mibaiko ny zava-mitranga eto an-tany.

Fanabeazana Eto Madagasikara
Sekoly ambaratonga voalohany ao Anjozorobe

Ankehitriny dia saika mahenika ny Nosy manontolo ny fanabeazana ambaratonga voalohany ary manomboka miitatra tsikelikely manerana ny faritra maro eto Madagasikara ny fampianarana ambony sy ny fampianarana teknika izay tantanin' ny fanjakana sy ny tsy miankina.

Jereo koa

Fanovozan-kevitra

Tags:

Afrika atsimon' i SaharàAndrianaAndro AntenatenanyAntananarivoArabo (vahoaka)Fanjakan' ImerinaFiteny malagasyMadagasikaraRazana (finoana malagasy)SorabeTarehin-tsoratra araboZanatanin' i Madagasikara sy ny tany miankina

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Vy Vato SakelikaMiaramilaFanandroana malagasyJesoa ara-tantaraSão José da VarginhaStonehenge1938Rajoelina AndryKônfesyTuriúbaBatisaRanomasina MediteraneaSokatra maitsoKor'anyPrattville, AlabamaIsraelyAndrianaTailandyOhabolanaFamongoran-taranaka nahazo ny Totsy tao RoandaAntefasyMinneapolisSôkratyIbn Hajar al-AsqalaniKalimantana AndrefanaFabio CannavaroLuca ToniFitsanganan' i Jesoa ho velonaEmpira Mpanjanaka FrantsayKalamaraRavoahangy-Andrianavalona JosephKininina (zavamaniry)KrakówSorona masina1896William Kamkwamba20 SeptambraFiainan-tsi-hita (kristianisma)MontaubanEtazoniaFaritanin'i KrabiEnterprise, AlabamaKutub al-SittahAbdellatif FellainiFizahàn-tanyFiraisan' ny Repoblika Sôsialista SôvietikaMediaWikiJúlio César BaptistaUNIXSiddhartha GautamaTokugawa IeyasuFiraisana ara-nofoWilliam III an'i AngleteraBengkuluNiassaNashtifanAkemenidaFiteny malagasy ôfisialyArdècheRepoblikaEugene, OregonDonald Trump10 MartsaZlatan IbrahimovićGineaFanabeazanaMarshall LeffertsAnjara asa (fitsipiteny)Fanekem-pinoana apôstôlikaFanambadianaLalan-jaza🡆 More