Zoina

Ny zoina na fameno zoina dia anjara asa ao amin' ny fehezanteny izay milaza ny olona na biby na zavatra hafa iantefan' ny asa tanterahin' ny olona na biby na zavatra hafa misahana ny anjara asa mpanao.

Mety hisahana anjara asa fameno na lazaina ny zoina arakaraka ny fampitodihana ny fehezanteny.

Amin' ny ankapobeny dia mampiavaka ny fameno zoina ny tsy fahafahana manafoana azy avy ao amin' ny fehezanteny na mamindra toerana azy (manova tanteraka ny hevitry ny fehezanteny izany), tsy tahaka ny fameno mpamari-toe-javatra. Misy ny mpanao fitsipiteny mampitovy ny fameno zoina amin' ny fameno iharana nefa misy ireo izay tsy manafangaro izany fa manao ny fameno iharana ho karazana iray amin' ny fameno zoina. Ny fameno zoina dia famenon' ny matoanteny fa ny fameno toe-javatra kosa dia famenon' ny fehezanteny.

Ao amin' ny fehezanteny hoe Mitsena ny zanany ilay rangahy dia fameno zoina ny hoe ny zanany.

Araka ny fitsipiteny mahazatra amin' ny fiteny sasany, raha ny firafitry ny fameno amin' ny matoanteny no heverina dia misy karazany maro ny fameno zoina, dia ny fameno zoina mivantana, ny fameno zoina tsy mivantana, ny fameno zoina anatiny ary ny fameno zoina faharoa.

Jereo koa

Tags:

Anjara asa (fitsipiteny)Fameno (fitsipiteny)FehezantenyFitodika zoinaLazaina (fitsipiteny)Mpanao (fitsipiteny)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Varotra163Peter KrausAmbiroaFilaza isa (fitsipiteny)Amenhôtepa IIILogosFitampohaBaiboly amin' ny teny malagasy1776Matthias CorvinusFilôzôfiaFizaràn-taonaAmbohimangaDavid RecordonEvekaJorge Luis BorgesKônsilyHeraklitaTantaran' i MadagasikaraFanekem-pinoanaVolkanoFahasalamanaRepoblika MalagasyVladimir LeninFanambadianaMary ShelleyFahaleovantenaNy Avana RamanantoaninaAndron' ny AsaJapàna13 MeyMatoan-kevitraFiteny grika talohaFahasoavana (finoana)BetsileoMpisolo (fitsipiteny)Lalam-pirenena faha-8VolamenaJodaismaApôkalipsin' i JoanyEkôsyTokyoCasper, WyomingAurangzebRazana (finoana malagasy)AziaHenri RatsimbazafyKolontsaina malagasyFandraisanaRijan-kevitra1910UbuntuFrederick BrooksGeneva1993AsaAsabotsyVelarantanyFiteny kirgizyAndriamasinavalonaFanjakana MitambatraEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Emirata Arabo MitambatraRepoblika Fahefatra (Madagasikara)Asa AkiraJoany Mpanao BatisaAsombola🡆 More