Communauté Evangélique Indépendante De Madagascar

Ny Communauté Evangélique Indépendante de Madagascar, izay hafohezina amin'ny hoe CEIM, dia fiangonana niforona eto Madagasikara tamin'ny taona 1989 ary nijoro ara-panjakana tamin'ny taona 1991.

Fiangonana ara-pilazantsara na evanjelika manana firehana pentekotista ny CEIM. Manao fanompoam-pivavahana amin'ny teny malagasy sy amin'ny teny frantsay ny CEIM.

Tantarany

Ny fiangonana CEIM dia niorina tamin’ny 1989 taorian’ny seminera nandraisan’ny solontena rehetra avy amin’ny faritany, izay efa mpikambana ela tao amin’ny CIFEM, tao amin’ny Centre de la Ligue pour la Lecture de la Bible tao Mandriambero. Toerana efatra no nanombohan’ny fiangonana CEIM niasa, dia ny ao Antananarivo, ny ao Antsirabe, ny ao Antsiranana ary ny ao Toliara. Isan'ireo fiangonana ao amin'ny Assemblées des frères (izay heverina fa naorin'i Nelson Darby tany an-dafy tamin'ny fiantombohan'ny taonjato faha-19) ny CEIM.

Ny finoan'ny CEIM

Ny Baiboly

Ekeny ho tenin’ Andriamanitra avy amin’ny tsindrimandrin’ Andriamanira ny Baiboly izay hany manam-pahefana sady tsy misy diso ny soratra voalohany.

Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina

Fiangonana trinitariana ny CEIM ka mino an’ Andriamanitra tokana izay Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, masina sy mandrakizay, mpamorona izao tontolo izao. Amin’ny CEIM dia efa nisy hatrizay talohan’ny fiteraham-birijiny azy i Jesosy, izay sady Andriamanitra tokoa no olombelona tokoa, maty nisolo ny olombelona, nitsangana tamin’ny maty ary niakatra any an-danitra, hiverina indray ho hitan’ny maso amin’ny fotoana efa tsy lavitra intsony izay tsy misy mahalala afa-tsy ny Ray.

Ny olombelona sy ny famonjena azy

Mpanota ny olombelona tamin’ny fahalavoan’i Adama izay mahafaoka ny olombelona rehetra anjakan’i Satana. Ny famonjena dia fanamarinana azo avy amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra ao amin’i Jesosy Kristy izay tsy azo raha tsy amin’ny finoana, izany dia mitaky ny fahateraham-baovao izay mitarika amin’ny fiainam-bavaka sy ny fanamasinana ary ny fijoroana vavolombelona ny amin’ny voninahitr’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny asan’ny Fanahy Masina.

Ny Fiangonana

Ny Fiangonana manerana izao tontolo izao dia fiombonan’ireo olona navotan’i Jesosy Kristy amin’ny firenena rehetra sy amin’ny fotoana rehetra, tsy anavahana anaram-piangonana, ka ny tena firaisan’ny Fiangonana dia ao amin’i Jesosy Kristy.

Ny fandaminana ao amin'ny CEIM

Fitenim-pirenena

Ny CEIM dia mampiasa ny teny malagasy sy ny teny frantsay mandritra ny fotoam-pivavahana nefa tsy atao amin'ny fotoana sy toerana mitovy ireo. Tamin’ny taona 1989 dia nisy vahiny (fianakaviana maromaro sy misionera) avy any an-dafy nivavaka tao amin’ny CEIM tao Antananarivo. Teraka noho izany tamin'ny taona 1996 ny fanompoam-pivavahana amin’ny teny frantsay. Tamin'ny voalohany dia ny fanompoam-pivavahana amin’ny teny malagasy no nahazo ny fotoana isan’Alahady maraina, fa ny amin’ny teny frantsay kosa natao amin’ny Alahady hariva indray mandeha isam-bolana avy eo indroa isam-bolana. Tamin’ny taona 1997 no nanombohan’ny fivavahana amin’ny teny frantsay isan’Alahady. Ao Antananarivo anefa no tena maro vahiny manao fanompoam-pivavahana amin'ny teny frantsay. Isan'ny antony mahasarika ny tanora malagasy izany fitenenana frantsay izany.

Fanaon’ny fiangonana CEIM

Ny batisa ao amin’ny fiangonaa CEIM dia ilay batisa andentehana anaty rano aorian’ny fanambaràm-pinoan’ilay olona hatao batisa. Tsy famantarana ilaina na azo antoka amin’ny batisan'ny Fanahy Masina ny fanaovana fiteny tsy fantatra.

Ny fitantantanana ny fiangonana

Ny fiaraha-mitantana no endriky ny fandaminam-piangonana nosafidin’ny CEIM. Na dia izany aza dia misy ny atao hoe diakona sy ny atao hoe loholona. Ny loholona no misahana ny fitoriana ny Filazantsara, ka manampy azy ireo amin’ny fanatanterahana izany ny diakona. Izy ireo no mikely aina manao izay hampandroso ny fiainan’ny fiangonana, izy ireo no mitarika ny vondrom-bavaka isaky ny vakin-tanàna. Misahana ny fanampiana ny loholona amin’ny fanatanterahana ny asan’ny fiangonana ny diakona, indrindra amin’ny lafiny fitaovana sy fandaminana. Olona mandray asa tamin’ny alalan’ny fifidianana andraisan’ny mpino rehetra anjara ao am-piangonana ny diakona ka efatra taona ny faharetanny fotoana iasany.

Jereo koa

Loharano


Tags:

Communauté Evangélique Indépendante De Madagascar TantaranyCommunauté Evangélique Indépendante De Madagascar Ny finoanny CEIMCommunauté Evangélique Indépendante De Madagascar Ny fandaminana ao aminny CEIMCommunauté Evangélique Indépendante De Madagascar Jereo koaCommunauté Evangélique Indépendante De Madagascar LoharanoCommunauté Evangélique Indépendante De MadagascarEvanjelismaKristianisma ao MadagasikaraPentekotisma

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Ady Lehibe VoalohanyGaldakaoFamoranaMouhammad al-BoukhârîFiangonana Protestanta Vaovao eto MadagasikaraPaskaRosiaJava AtsinananaRadama VoalohanyLouis-Claude VincentLuca ToniJesoa ara-tantaraKabary am-panambadianaTantaraArintanyAntiliaFampielezan-kevitraRazana (finoana malagasy)MinneapolisHoratio Herbert KitchenerRachel WeiszPaul GreenKinana1525Fanasan' ny TompoAirbus A380Fairmont, MinnesotaMike CoughlanMakyVondrona EorôpeanaAl-Nasa'iBratislavaMasoandroKalimantana AndrefanaFiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraTarikh al-TabariLa Tour-Saint-GelinJeanne d'ArcFikambanan' ny Fifanarahan' i Atlantika AvaratraCasinoTexasRidley ScottLouisianaFamakafakana ny BaibolyAlahasatyNederlandyGiuseppe VerdiVahao ny OlokoJerôbôama IIAndriamasinavalonaJava AfovoanyAmbohimangaKatsakaPete RoseJoshua SchachterEmpira SafavidaFidel CastroRSSAndro fankalazana ao amin' ny jodaismaMohamadyBokin' ny SalamoFifandraisan-davitraVirjiniaFiteny jeôrjianaMuhammad al-BukhariKrishnaVolamena🡆 More