Bug Andrefana

Ny Bug Andrefana na Bug fotsiny dia renirano ao Eorôpa Atsinanana, zana-tsakelidranon' i Vistula eo alohan' ny sakelidrano Narev (na Narew).

Any Okraina ny loharanony, 70 km ao atsinanan' i Lviv. Mikoriana mianavaratra ilay renirano ary mandrafitra ny sisin-tany (363 km) manasaraka an' i Okraina amin' i Pôlônia kilometatra vitsivitsy any ambanin' i Tchervonograd, avy eo mandalo eo anelanelan' i Pôlônia sy i Belôrosia any ambony sy any ambanin' ny tanànan' i Brest. Avy eo dia miolaka miankandrefana ilay renirano, ka any izy no mikambana amin' i Vistula tsy lavitra an' i Varsovia. Mifangaro amin' ny an' i Narev ny ranony ary avy eo amin' ny an' i Vistula dia mivarina any amin' ny Ranomasina Baltika amin' ny farany.

Bug Andrefana
Ny renirano Bug ao akaikin' i Wyszków (Pôlônia).
Bug Andrefana
Ny renirano Bug, mamakivaky an' i Okraina sy i Bielôrosia ary i Pôlônia

Maherin' ny 772 km ny halavan' ilay renirano, ka ny 587 km dia ao Pôlônia; azon' ny sambo andehanana avy any ambonin' i Brest izy. Misy lakandrano mampifandray an' i Bug Andrefana amin' i Dniepr sy amin' i Niemen. Mirefy 39 420 km² ny velaran' ny faritanin-dranony, ka ny antsasany eo ho eo — 19 284 km² — dia any Pôlônia.

Atao hoe Bug  izy amin' ny teny pôlôney, Заходні Буг / Zachodni Buh amin' ny teny bielôrosiana, Западный Буг / Zapadny Bug  amin' ny teny rosiana,  Західний Буг, Zakhidnyi Bug na Буг / Buh  fotsiny amin' ny teny okrainiana.

Jereo koa

Tags:

BielôrosiaEorôpa AtsinananaLvivOkrainaPôlôniaRanomasina BaltikaReniranoVarsôvia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Famakafakana ny BaibolyZlatan IbrahimovićAlahadin' ny Sampan-kazoChristopher Colles1771AntiliaEugene, OregonCarl Gustav JungTarikh al-TabariVato RosettaAmbositraAmerika AvaratraSokatra maitsoPaoly (apôstôly)Fiteny jeôrjianaPôlinezia FrantsayLisitry ny gazety ao MadagasikaraStonehengeEsenianaCamillo BensoFanagasiana1981AfrikaJúlio César Baptista17 MartsaKrishnaLuca ToniDonald TrumpMassimo Dallamano11 AprilyAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaSinôgramaRanomasina MediteraneaTetiandro litorjikan'ny Fiangonana katolika siro-malabaraWikiLalao OlimpikaHetraFizikaMike CoughlanAraraquaraJeôgrafiaJônà (mpaminany)Hoala PersikaFoko eto MadagasikaraEpistily ho an' ny Hebreo26 SeptambraOmbiasaFiangonana Loterana MalagasyAndro AntenatenanyJosip SkoblarFiraisan' ny Repoblika Sôsialista SôvietikaFanabeazanaFehezantenyFampakaram-badyÔseaniaVoronaEjipta tamin'ny Andro TalohaThomas MoreFriant, KaliforniaMcCall, IdahoFidel CastroBob Fosse1944PaskaBogotáVy Vato SakelikaFiteny malagasyAntambahoakaMenalambaRazana (finoana malagasy)Gorontalo🡆 More