Aisha Bint Abu Bakr

I Aisha bint Abu Bakr na Aisha bint Abi Bakr no vadin' i Mohamady fahatelo.

Zanakavavin' i Abu Bakr As-Siddiq ary vady tian' ny mpaminany indrindra, izay nitatitra hadita maro noraketin' i al-Bukhari. Atao hoe عَائِشَة بِنْت أَبِي بَكْر / ʿĀʾisha bint Abī Bakr ny anarany amin' ny teny arabo. Teraka tao Meka tamin' ny taona 614 izy, araka ny lovantsofina silamo, ary maty tao Medina tamin' ny taona 678, mety tamin' ny 13 Jolay,

Aisha Bint Abu Bakr
Aisha bint Abi Bakr

Tsy dia fantatra loatra ny momba ny fahazazany. Ny ankamaroan' ny loharanon-kevitra mahazatra dia miombom-kevitra fa 6 na 7 taona i Aisha tamin' ny fotoana nanambadiany, ary 9 taona tamin' ny fiarahany fandriana tamin' ny mpaminany; loharanon' ny fifandirana ara-potokevitra ny taonany. Nanana anjara toerana lehibe teo amin' ny tantaran' ny silamo tany am-boalohany i Aisha, na tamin' ny andron' i Mohamady na taorian' ny nahafatesan' ity mpaminany ity. Ao amin' ny lovantsofina sonita i Aisha dia aseho ho manam-pahaizana sy manan-tsaina ary tia karokaroka. Nandray anjara tamin' ny fampielezana ny hafatr' i Mohamady izy ary nanompo ny fiarahamonina mozilmana nandritra ny 44 taona taorian' ny nahafatesan' ilay mpaminany. Malaza ihany koa izy amin' ny fitantarana hadita miisa 2 210, tsy mikasika ny fiainana manokan' i Mohamady ihany, fa koa momba ny lohahevitra toy ny lova sy ny fivahiniana masina ary ny eskatôlôjia. Ny faharanitan-tsainy sy ny fahalalany amin' ny taranja isan-karazany, anisan' izany ny tononkalo sy ny fitsaboana, dia noderain' ny manam-pahaizana sy mpanazava tany am-boalohany toa an' i al-Zuhri sy ny mpianany Urwa ibn al-Zubayr.

Ny rainy, Abu Bakr no kalifa voalohany (nanapaka tamin' ny taona  632–634) nandimby an' i Mohamady, ary taorian' ny roa taona dia nodimbiasan' i Umar (nanapaka tamin' ny taona 634–644). I Aisha dia nandray anjara lehibe tamin' ny fanoherana ny kalifa fahatelo Othman (nanapaka tamin' ny taona 644–656), na dia nanohitra ny tompon' andraikitra tamin' ny famonoana azy aza izy. I Aisha dia tsy nety nanaiky an' i Ali (nanapaka tamin' ny taona 656–661) ho mpandimby an' i Uthman ary niaraka tamin' i al-Zubayr ibn al-Awwam sy Talha ibn Ubayd Allah. Resy tamin' ny Adin' ny Rameva izy, taorian' izay dia nisitaka tany Medina, nihavana tamin' i Ali ary tsy nanohitra ny lalifa Mu'awiya (nanapaka tamin' ny taona 661–680). Nandray anjara amin' ny ady tamin' ny fanaovana lahateny sy fitarihana miaramila teo an-damosin' ny ramevany izy. Resy tamin' ny ady izy tamin' ny farany, saingy namela fahatsapana maharitra ny fandraisany anjara sy ny fidirany an-tsehatra. Noho ny fandraisany anjara amin' io ady io, ny Mozilmana siita dia manana fomba fijery ratsy momba an' i Aisha amin' ny ankapobeny. Ao amin' ny silamo sonita i Aisha dia heverina ho manam-pahaizana silamo malaza ary nampianatra ny Sahaba (mpiara-dia amin' ny mpaminany) maromaro sady tabi'in (mpanara-dia ny Sahaba).

Jereo koa

Tags:

Fiteny araboHaditaMedina (Arabia Saodita)Meka (Arabia Saodita)MohamadyMuhammad al-Bukhari

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Yom KippurTetiandro hebreoFidel CastroFiangonana Protestanta Vaovao eto MadagasikaraMcCall, IdahoSakramentaSamuel Jacob KleinFaritanin'i KrabiVolamenaGranges-sur-AubeFisoronana sy fanalana vintanaFizika485Etona voajanaharyMatyMosavy (finoana malagasy)Jiosy malagasyWashington D.C.Fizahàn-tanyFitampohaVirjiniaMakySogny-aux-MoulinsGaldakaoRazana (finoana malagasy)StonehengeAntom-pisian'ny olonaMenalambaEsenianaBilbaoMichael JordanFiangonana Ôrtôdôksa Kôptan' i AleksandriaLalàmpanorenanaZanahary (finoan-drazana malagasy)1989PiramidaJames RumbaughPierre-Emerick AubameyangMichigan1952Katowice(2196) EllicottAppleSinôgramaAbdellatif FellainiHernán CrespoFanekem-pinoana nikeanaHoratio Herbert KitchenerEmpira Sasanida20 SeptambraPôlinezia FrantsayVirijiny (antokon-kintana)AnalakelyAdolphe ThiersPaul GreenRobin Williams1937Imparfait de l'indicatifJava AndrefanaAl-NawawiAkohoBetsimisaraka26 SeptambraAlexander HamiltonMadonnaAbu Dawud al-SijistaniJiosy🡆 More