Ny Tahirida dia tarana-mpanjaka mozilmana sonita nandray ny kolontsaina arabo taranaky ny Dekàna persiana (mpanan-tany) niaviany, izay governoran' i Khorasan nanomboka tamin' ny taona 821 ka hatramin' ny 873, na nanompo tao amin' ny fibaikoana ny tafika sy ny fiarovana tao Bagdad izay teo ambany fanapahan' ny Abasida hatramin' ny taona 891.
Io tarana-mpanjaka io dia naorin' i Tahir ibn Husayn, jeneraly lehibe tao amin' ny kalifa abasida Al-Ma'mun. Atao amin' ny teny persana hoe طاهریان / Tâheriyân izy ireo.
Noho ny fanohanany an' i Al-Ma'mun tamin' ny Fitna Fahefatra (ady an-trano fahefatra teo amin' ny samy Mozilmana) dia nomena azy ny fitantanana an' i Khorasan. I Merv no nataon’ ny Tahirida renivohiny voalohany, saingy nifindra tany Nishapur izany tatỳ aoriana. Tsy tarana-mpanjaka mahaleo tena anefa ny Tahirida.
Ny fifanarahana dia fiaraha-miasa tsara teo amin' ny Abasida sy ny Tahirida. Ny Tahirida dia tsy nivadika tamin' ny kalifa abasida ary ho setrin' izany dia nanana fizakan-tena lehibe izy ireo, raha ny marina, izy ireo dia mpanjaka lefitra nisolo tena ny fitondran' ny Abasida tany Persia.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Tahirida, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.