Abasida

Ny Abasida dia tarana-mpanjaka arabo nanjaka tao Bagdad tamin' ny Empira Mozilmana tamin' ny taona 750 hatramin' ny 1258.

Fahatongavana teo amin' ny fitondrana

Tamin' ny taona 747 dia nisy fikomiana nanohitra ny kalifa omaiada tao Damaskôsy (any Siria ankehitriny) tao amin' ny faritany persianan' i Khorasan. Izy io dia notarihin' ny lehiben' ny tafika arabo Abu Muslim, amin' ny anaran' i Ibrahim ibn Muhammad, taranak' i Abbas (dadatoan' ny mpaminany Mohamady avy amin-drainy). Manana fototra roa, ara-pivavahana sy ara-tsôsialy, izany hetsika izany. Manohana ny fiverenana amin' ny finoana silamo tany am-boalohany ny mpomba azy, sady manararaotra ny tsy fahafaham-pon' ny sarambabem-bahoaka sy ny Iraniana niova finoana ho mozilmana, izay mihevitra fa nanome tombony ny vahoaka arabo ny mpitarika omaiada.

Tamin' ny taona 750, taorian' ny ady nandritra ny telo taona, dia nanongana ny Kalifata Omaiada ary nandray ny fahefana tao Damaskôsy ny Abasida. I Abu al-Abbas al-Saffah, rahalahin' i Ibrahim, izay maty tamin' ny taona 749, dia nambara ho kalifa (ka  nitondra tamin’ ny taona 749 hatramin' ny 754). Na izany aza dia tamin' ny taona manaraka vao voaongana ny kalifa omaiada farany.

Ny Kalifata Abasida

Ny fandaminana ny fanjakana

Namindra ny renivohitry ny fanjakany tany Iràka ny Abasida. Tao Iràna no nanorenan' ny kalifa faharoan' io tarana-mpanjaka abasida io, i Abu Jaffar al-Mansur (nitondra tamin' ny taona 754 hatramin' ny 775), an' i Bagdad tamin' ny taona 762.

Ny finoana silamo, izay noheverina ho firahalahian' ny mpino apetraka eo ambany fahefan' ny filoha tompon' ny fahefana ara-pôlitika sy ara-pivavahana, no andry iankinan' ny fanjakana izay hampihatra ny rariny araka ny didy sy ny fampianaran' ny Kor'any sy ny lovam-pampianarana sonita.

Ny fitantanan-draharaha, izay notarihin' ny viziry, an-daniny, sy ny tafika, an-kilany, no andry hafa niankinan' ny Empira Abasida, izay manjaka amin' ny firenena mozilmana rehetra nanomboka tamin’ izay ny môdelim-pandaminana.

Firoboroboana ara-kolontsaina

Tamin' ny niorenan' ny tarana-mpanjaka abasida tany Iràka, ny literatiora sy ny zavakanto, izay namporisihan' ny kalifa, dia nanakoan’ ny an’ ny Persana hatranihatrany.

Ny filôzôfia sy ny fitsaboana ary ny matematika dia nivoatra, indrindra tamin' ny fitondran' i Al-Mamun (813-833), izay nananganana ny Bayt al-Hikma, akademia fandikan-teny malaza, tao Bagdad. Ny tontolo mozilmana mantsy  dia naka sy nihaona ary nampitombo ny fahalalana momba ny kolontsaina tany Mesôpôtamia sy tany Grisia taloha sy tany India ary tany Persia.

Nandritra ny taonjato faha-9 sy faha-10 dia maro ireo asa soratra tamin' ny teny grika no nadika tamin' ny teny arabo, indrindra ny an’ i Aristôty, ny an’ i Platôna, ny an’ i Eoklida ary ny an’ i Galiana. Nandray anjara lehibe amin’ ity asa fandikan-teny ity, izay nahafahana ny fanaparitahana ny fahalalana, ny Kristiana miteny arabo. Mandritra izany fotoana izany, ny tarehimarika arabo (izay raha ny marina manam-piaviana indiana) dia noraisin' ny tontolo mozilmana, izay nampita izany taty aoriana ho any amin' ny Tandrefana.

Ny vanim-potoanan' ny Abasida koa dia mifanandrify amin' ny fiovana mahery vaikan' ny rafitra ara-toekarena. Ny tanàn-dehibe toa an' i Bagdad (naorina tamin' ny taona762) sy i Samarra (naorina tamin' ny taona 836), dia nivoatra niaraka amin' ny firoboroboana ara-toekarena. Nivoatra ny raharaham-barotra, na tao anatin’ ny sisin-tanin’ ny Empira Abasida na teo aminy sy ny any ivelany.

Fanoherana ny Abasida

Ny toe-javatra manjavozavo niorenan’ ny fahefan’ ny Abasida dia nanome vahana tsy tapaka ny fisian’ ny hery manohitra tao anatin' ilay empira. Ireo kalifa voalohany, hatramin' ny fahadimy, Harun al-Rashid (kalifa tamin' ny taona 786 hatramin' ny 809), izay nampakatra amin' ny fara tampony ny herin' ny Abasida, dia tsy maintsy niady tamin' ny fikomiana nateraky ny fahadisoam-panantenan' ireo izay nino ny revôlisiôna ara-tsôsialy.

Tao Maghreb, ny Karijita dia nanao izay hampaharitra ny korontana revôlisiônera sady nanangana fanjakana saika mahaleo tena. Nanomboka tamin' ny taona 756, ny mpitarika arabo tao Al-Andalus (Espaina mozilmana) dia nanangana emirata sonita omaiada tao Cordoba, izay nifaninana tamin' ny Abasida. Tamin' ny taona 788, ny taranak' i Hassan (zanak' i Ali) iray dia nanangana fanjakana siita idrisida tany Marôka.

Ny kalifa abasida dia mifanandrina hatrany tamin' ny fitakian’ ny Siita. Ny zanakalahy faharoan' i Harun al-Rashid, atao hoe Al-Mamun (813-833), dia nanandrana namory ny Siita mpandanjalanja; tamin' ny taona 827, dia nandray ny motazilisma izy, ny motazilisma izay sekolin-teôlôjia mikatsaka ny hampifanaraka ny finoana sy ny saina ao amin' ny fivavahana silamo, ho foto-pampianarana ôfisialy. Very maina io firaisankina io ary, nandritra ny taonjato faha-9 sy faha-10, dia nihamafy ny fivakivakisan’ ilay empira. Teo anelanelan' ny taona 836 sy 892, dia voatery nanorim-ponenana tao Samarra, izay nataon' izy ireo ho renivohitry ny sesitany, ny kalifa abasida.

Nanomboka tamin' ny tapany voalohany amin' ny taonjato faha-9 dia nisy fanjakana kely mizakatena nitsangana tao amin' ny faritanin' i Iràna, fa ny tany Ejipta kosa, ny Tolonida (Tulunid) dia saika nahaleo tena tanteraka tamin' ny taona 868. I Iràka, izay tena fon' ilay kalifata, dia niaina ny fikomian' ny Zenjy (andevo afrikana mainty hoditra) nanomboka tamin' ny taona 869 ka hatramin' ny 883, avy eo nanomboka tamin' ny 877 ny fikomian' ny Siita karmatiana (qarmates). Tamin' ny taona 898 dia niorina tao Iemena ny tarana-mpanjaka siita Zaidita (izay naharitra hatramin' ny taona 1962).

Tamin' ny taona 909 dia nisy kalifata siita ismaeliana tao Maghreb, izay niteraka ny Kalifata Fatimida tao Ejipta (taona 969 - 1171). Teo anelanelan' ny taona 932 sy 945 dia nanjaka tao amin' ny governemantan' i Bagdad ny Boiida (tarana-mpanjaka siita iraniana): tamin' ny fanomezana azy ireo ny anaram-boninahitra hoe "Emira Faratampony", ny kalifa abasida dia nanome azy ireo fahefana ara-pôlitika.

Ny fionganan' ny Abasida

Nanomboka teo, ny Kalifata Abasida dia tsy misy intsony afa-tsy amin' ny maha antoka ara-pivavahan' ny fitondrana ara-pôlitikan' ireo andriandahy milaza tena ho anisany. Tamin' ny taona 1055 dia naongan' ny Tiorka Seljokida ny Boiida siita; tamin' ny anaran' ny sonisma, ny mpitarika azy ireo atao hoe Toghril-Beg dia nandray ny fahefana tao Bagdad, teo ambany fiarovan' ny kalifa, niaraka tamin' ny anaram-boninahitra ara-pôlitika hoe "soltàna". Tamin' ny faran' ny taonjato faha-11 sy nandritra ny taonjato faha-12 dia toa afaka nanamafy ny fahefany indray ny Abasida.

I Al-Mustazhir (1094-1118) dia afaka nampihatra ny tena fahefana - na dia tamin' ny fotoana nitondrany aza no namaboan' ny kroazada an’ i Jerosalema (tamin’ ny 1099). Tamin' ny taona 1171 dia nanaiky indray ny fiandrianan' ny Abasida i Egipta nofehezin' ny Aiobida (Ayyubide) teo ambany fitarihan' i Saladin (voatendrin’ ny kalifan' i Bagdad ho soltanan’ i Egipta).

Ny kalifata abasida raha ny marina dia nanatanteraka ny adiny farany. Tamin' ny Febroary 1258, nandroba an' i Bagdad ny miaramilan' ny khan môngôly Hulagu ary namono ny kalifa farany, Al-Mustasim. Ny Mamelòka, izay nandimby ny Aiobida tany Ejipta tamin' ny taona 1250, dia namponina tao Kahira ny sisa velona tamin' ny fianakaviana abasida. Niorina tao ny kalifata saribakoly, nanomboka tamin' ny taona 1261 ka hatramin' ny 1517. Ny kalifa no tandindon' ny fanekena ara-keviny ny firaisan' ny tontolo mozilmana sonita, izay tsy nanana fahefana tena izy intsony.

Afa-po tamin’ ny fanatrehana ny fametrahana ny soltana isan-toerana ho antoka ara-panahy izy ireo. Farany, tamin' ny taona 1517, ny soltana ôtômana Selim I dia namabo ka naka an' i Ejipta: ny kalifa abasida farany tao Kahira, Al-Mutawakkil, dia nesorina amin’ ny toerany.

Tags:

Abasida Fahatongavana teo amin ny fitondranaAbasida Ny Kalifata Abasida Ny fionganan ny AbasidaArabo (vahoaka)Baghdad

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

427TsimihetyVokovokomanga Loterana MalagasyTsobatoToyotaInjenieraFakaBokin' i DanielaFiteny nepaleyVazimbaFianakaviana (fomba malagasy)Kônstantino IOnilahy (ony)EdmontonFady (malagasy)Tantaran' i Ejipta TalohaMarine Le PenGeorge W. BuckFitsikerana lahatsoratraFivavahana amin' ny razanaTetiandro malagasyFahasoavana (finoana)Tiberio (emperora)640EjedaWuhanFiraisana ara-nofoBokin' i JôsoaOndryJean-Jacques Audubon1977Miguel de CervantesFiarahamoninaSamuel RatanyRosiaAdyLahatra (finoana malagasy)MindanaoFitodika mpampanaoOmbyDidy FoloRainisoalamboRanavalona IIRanavalona IFanjanahantanyTalmodan' i JerosalemaNicolas SarkozyMichael JordanAdaloTorkiaChongqing1640Dokotra fiompyIsa miibaAndriamandisoarivoSafeismaSikidyDienneFilôzôfia pôlitikaLolo vokatraSikidy malagasyForyMetôdismaHasidismaFahavirijinianaMaora (vahoaka)William John BroderipLapan'IavolohaEthnologueBaiboly katôlika amin' ny teny malagasySiksto IVRay aman-drenyJopitera (andriamanitra)Fanekem-pinoana apôstôlikaTanakhAngovo azo havaozina🡆 More