Tanana Tamin' Ny Andro Taloha Ora

I Ora, izay atao ankehitriny hoe Tell al-Muqayar, dia iray amin' ny tanàna lehibe tranainy tany Mesôpôtamia tamin' ny Andro Taloha, izay ao Iràka ankehitriny.

Tamoron' ny iray amin' ny sampan' ny ony Eofrata no niorenany tamin' izany fotoana izany sady akaiky ny Hoala Persika.

Tanana Tamin' Ny Andro Taloha Ora
Sisam-paharavàn' i Ora
Tanana Tamin' Ny Andro Taloha Ora
I Mesôpôtamia tamin' ny taonarivo faha-3 tal. J.K. ahitana ireo tanàna fahizay, hatrany Ora any atsimo ka hatrany Ninive (na Niniva) any avaratra.

Anisan' ireo tanàna someriana nanana ny maha izy azy sady natanjaka i Ora tamin' ny taonarivo faha-3 tal. J.K., ka maneho izany ny fasa-mpanjaka maro sy ny fanaka fandevenana maro izay hita tao amin' ireo fasana ireo. Nandritra ny taonjato faha-21 tal. J.K. dia renivohitry ny fanjakana matanjaka notapahin' ny mpanjaka avy amin' ny dinastia fahatelo tao Ora, araka ny lovantsofina mesôpôtamiana io tanàna io. Nanangana trano sy zavatra hafa miezinezina maro ireo mpanjaka ireo tao amin' ny fitoerana masina natokana ho an' ny andriamani-dehiben' io tanàna io, dia ny andriamanitra-volana, atao hoe Nanna amin' ny teny someriana fa Sin kosa amin' ny teny akadiana. Tamin' ny fiantombohan' ny taonarivo faha-3 tal. J.K. dia mbola tanàna lehibe i Ora, araka ny trano sy zavatra voaorina maro sy ny takela-bato na takela-tanimanga fanoratana amin' ny tarehin-tsoratra miendri-pantsika hitan' ny arkeôlôga notarihin' i Leonard Woolley, izay nanao fisavana ny sisam-paharavany tamin' ny taona 1922 sy 1934.

Tags:

Andro TalohaEofrataHoala PersikaIràkaMesôpôtamia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

VertonSorona masinaWordPressAllemant, MarneOmbyMohamadyAlohotsyTsinyTokugawa IeyasuFamakafakana ny BaibolyJacques FrançoisSarySinôgramaIsraelyMponina eto MadagasikaraHermann LeyBarrett BladePiramidaFiteny japôneyJimmy WalesMakyAjmerArabia SaoditaJona (volana)JakartaMatteo BobbiJapanaFaritra AtsinananaFilazantsara araka an' i MarkaEmpira SasanidaVolafotsyDurrësVy Vato SakelikaJava AndrefanaFidel CastroJesoa ara-tantaraSacramento, KaliforniaKinanaMuhammad al-BukhariMouhammad al-BoukhârîTolom-bahoaka tamin' ny 1947MollasaniFidangan' ny vidim-piainanaEtona voajanaharyRavoahangy-Andrianavalona JosephLa Tour-Saint-GelinEvolisiona17 MartsaLilleAndro fankalazana ao amin' ny jodaismaEkaterina IIVintana (finoan-drazana malagasy)1525Henryk KasperczakTailandyCarentanGregoriosy avy any NisaLisitry ny firenenaKatôlisismaTsuyamaDiana, Andriambavin'i ValesaFanasan' ny TompoFiteny malagasyKristianisma eto MadagasikaraKabary famangianaTantaraFifamoivoizana an-dranomasinaGaldakaoBogotáWikipediaVendéeFrancis WebbFriant, KaliforniaZoma masinaKadur🡆 More