Ny arkeôlôjia dia taranja ara-tsiansa anaovana fikarohana momba ny kolontsaina sy ny fomba fiainan' ny olona tamin' ny andro lasa amin' ny alalan' ny zavatra azo tsapain-tanana sisan' ny lasa, hatramin' ny vanimpotoana talohan'ny tantara ka hatramin' izao andro ankehitriny izao.
Misahana manontolo ny zavatra rehetra sisan' ny lasa izy ankehitriny: hatramin' ny sangan' asa kanto ka hatramin' ny toerana fanariana fako, hatramin' ny taolana tranainy ka hatramin' ny vovo-boninkazo; misahana ny vanimpotoana rehetra: hatramin' ny niandohan' ny olombelona ka hatramin' izao vanimpotoan' ny taozava-baventy; ary misahana koa ny faritra rehetra maneran-tany. Manampy ny arkeôlôjia koa ireo taranja ahafahana mahalala ny zava-misy manodidina tamin' ireo vanimpotoana samihafa.
Mampiasa indrindra ny lahatsoratra amin' ny fikarohana ataony ny taranja tanrana, fa ny arkeôlôjia kosa manao fisavana sy fangadiana toerana.
Ny teny hoe arkeôlôjia dia avy amin' ny teny grika hoe arkhaiolojia izay foronin' ny teny grika roa hoe archaíos "antitra, tranainy" sy lógos "teny, lahateny, siansa".
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Arkeôlôjia, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.