Federasiônan' I Malỳ

Ny Federasiônan' i Malỳ dia federasiôna tany Afrika Andrefana mampiray ny zanatany frantsay any Senegaly sy ny Repoblika Sodaney (na Sodàna Frantsay) nandritra ny roa volana tamin' ny taona 1960.

Niorina ho fizaràn-tany manana fizakan-tena tamin' ny 4 Avrily 1959 izy tao anatin' ny Communauté Française ary lasa nahaleo tena taorian' ny fifampiraharahana tamin' i Frantsa tamin' ny 20 Jona 1960.

Federasiônan' I Malỳ
Toerana nisy ny Federasiônan' i Malỳ, teo anelanelan' ny Janoary sy Marsa 1959
Federasiônan' I Malỳ
Toerana misy ny Federasiônan' i Malỳ, taorian' ny Marsa 1959.

Roa volana taty aoriana, tamin' ny 19 Aogositra 1960 dia nanetsika ny tafika ny mpitarika ny Repoblika Sodaney tao amin' ny Federasiônan' i Malỳ, ary namaly ny mpitarika an' i Senegaly tao amin' ilay federasiôna tamin' ny fanetsehana ny zandarimaria; niafara amin' ny fifandonana henjana izany, ary nitarika ny fialan' i Senegaly tao amin' ilay federasiôna ny ampitson' iny.

Nanohitra io fandravana io ny manampahefana tao amin' ny Repoblika Sodaney, nanapaka ny fifandraisana ara-diplômasia tamin' i Senegaly, ary nanova ny anaran' ny fireneny ho Malỳ. Nandritra ny fisian' ny Federasiôn' i Malỳ, ny praiminisitra dia i Modibo Keïta, izay lasa filoha voalohany tao Malỳ, ary ny governemantany dia niorina tao Dakar, renivohitr' i Senegaly.

Tags:

Afrika AndrefanaCommunauté françaiseFrantsaRepoblika SodaneySenegalySodàna Frantsay

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Andro AntenatenanyAllemant, MarnePuerto RealEmpira Mpanjanaka FrantsaySodànaAdolphe ThiersFanjakan' ImerinaArthur KrauseDušan BastaAnaranaKônfosianismaJinyEmperora CixiZanak' i Israely292QueenAdaoroAsaISO 4217Afrika AtsimoSahih MuslimBrezilaAngatra (aretina)Tendro satrokaMinneapolisBahaismaAraraquaraFikomian' i Bar KokhbaRindrankajy wikiMichiganUsain BoltGugnécourtTolom-bahoaka tamin' ny 1947Tetiandro malagasyRachel WeiszFiteny hebreoMosesyWilliam KamkwambaAndrianaBaiboly amin' ny teny malagasyAl-NawawiBetsimisarakaVirijiny (antokon-kintana)Repoblika Fahefatra (Madagasikara)AfrikaBengkulu1391VaryAlexander HamiltonCarentanGranges-sur-AubeInstagramTafi-Piarovan' i IsraelyAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaDonald TrumpAdimizanaAirbus A380Hindoisma(2196) Ellicott1701Fiangonana Protestanta Vaovao eto MadagasikaraSinôgramaVondrona EorôpeanaFaritra SavaAb BarHetraLisitry ny gazety ao MadagasikaraVirjiniaEnterprise, AlabamaYom KippurMouthoumet🡆 More