Ny Fanangonana J an'ny Fahazazana dia fitantarana apôkrifa kristiana amin' ny fiteny latina ny amin' ny fahazazan' i Maria, ny fahaterahan' i Jesoa sy ny fahazazany.
Atao hoe "fanangonana" izy io satria fanambarana lahatsoratra samihafa. Ny litera J dia avy amin' ny anaran' ny mpanonta io boky io tamin' ny voalohany, dia i Montagues Rhode James.
Ny Fanangonana J dia tsy misy intsony, nefa ny fikarohana amin' izao fotoana izao dia nahafahana nanakatra ny mety ho endrika nisehoan' ireo loharano nanovozan' ny mpanoratra azy, dia:
Misy endrika roa ny Fanangonana J, dia ny "endrika Arundel", izay nampiditra singa avy tamin' ny soratr' i Pseodô-Matio, sy ny "endrika Hereford", izay ahitana ny Libellus de Nativitate Mariae sy ny Toritenin' i Pseodô-Aogostiniana - Tovana 195.
Ny niandohan' ny Fanangonana J dia mety tany amin' ny taona 800 izay nanoratana azy taloha indrindra. Io fanangona io dia niankina amin' ny soratr' i Pseodô-Matio, ka tsy mihoatra ny tenatenan' ny taonjato faha-6 (izay fotoana aloha indrindra heverina fa nisian' i Pseodô-Matio). Ny fotoana nisarahan' ireo endrika roa ireo dia tsy fantatra.
Ny sora-tananan' ny endrika Arundel dia nanomboka fantatra tamin' ny taona 800. Azo fintinina toy izao ny votoatiny:
Ny endrika Hereford dia tsy ahitana na ny teny mialoha, na ny fiainan' i Joany Batista, na ireo fitantarana manaraka ny fandosirana tany Egipta. Ankoatr' izany, ireto fitantarana manaraka ireto dia misy tsy fitoviany amin' ny endrika Arundel:
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Fanangonana J an' ny Fahazazana, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.