Efesôsy

I Efesôsy na Efesosy na Efeso na Efezy dia iray amin'i reo tanana tranainy indrindra sy nanana ny maha izy azy amin' ireo tanan-dehibe grika tany Azia Minora, ka izy no tanàna voalohany tao Iônia.

Atao hoe Ἔφεσος / Éphesos izy amin' ny teny grika fa Ephesus kosa amin' ny teny latina ary Apaša amin' ny teny hitita (na heteana).

Efesôsy
Sarivongan' i Artemisy tao Efeso.

Na dia any amin' ny fito kilometatra any an-tanety miala avy amin' ny sisin-dranomasina, eo akaikin' ny tanànan' i Selçuk sy Kuşadası ao amin' ny tapany andrefan' i Torkia ankehitriny aza ny sisam-paharavan' i Efesôsy dia isan' ireo seranan-tsambo lehibe tao amin' ny Ranomasina Egea (grika: Αιγαίο Πέλαγος / Aigaio pélagos) izy; tao akaikin' ny fivarinan' ny ony anatôliana atao hoe Kaistrôsy (grika: Κάϋστρος / Kaustros) izy.

Efesôsy
Ireo tanàna misy ny fiangonana fiton' ny Apôkalipsy ao Asia Minora (na Anatôlia)

Ilay fitoerana masina atao hoe Artemisiôsy, izay natokana ho an' ny andriamanitra Artemisy (grika: Ἄρτεμις / Ártemis) mpiahy ny tanàna, dia isan' ireo Zava-mahagaga fito eto amin' izao tontolo izao sady isan' ireo nampalaza an' i Efesôsy, ary tao amoron-drano no nisy azy.

Vokatry ny tany nentin' ny onin' i Kaistrôsy sy ny fiovaovan' ny toetany ary angamba ny horohorontany no nahatonga ny fikisahan' ny morontsiraka any andrefana sy ny fanotoran' ny fasika ny serana-tsambon' ilay tanàna ka nahatonga ny fandaozana azy holasa haolo.

Jereo koa

Tanàna misy ireo fiangonana fiton' ny Apôkalipsy:

Tags:

Azia MinoraFiteny grikaFiteny hititaTeny latina

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

MarylandMaskareina (tamba-nosy)Abidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaFanekem-pinoanaMichael JordanAdékanmi OlufadéAlakaosyAb Bar1952Famongoran-taranaka nahazo ny Totsy tao RoandaAndro AntenatenanyGore VidalVanim-potoana kristianaAbu Dawud al-SijistaniMarshall LeffertsGdańskMuhammad al-BukhariKadurAnjara (finoana)Boky fahatelon' i HenôkaÔseaniaHasina (zavamaniry)(2196) EllicottHaditaTaom-baovao malagasyZlatan IbrahimovićFikomian' i Bar Kokhba1391Arabia SaoditaTsinyWikimaniaFiteny jeôrjianaDavid FusterMatteo BobbiAmpiposahana (faritra)Rachel WeiszInstagramGranges-sur-AubeFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraSiramamyNashtifanBokin' ny SalamoEpistily ho an' ny HebreoFoko eto MadagasikaraMianmaraBob FosseRavoahangy-Andrianavalona JosephMinneapolisAndriamasinavalona1964AkemenidaAlakaraboEzequiel LavezziJesoa ara-tantaraJiosyMiaramilaRindrankajy wikiFivarotana andevoVolana (fotoana)Ibn Hajar al-AsqalaniJerôbôama IIIndiaFampakaram-badyMakyLilleBodismaTeôlôjia dôgmatikaSunan ibn Majah🡆 More