Ny sarkôfazy dia vatam-paty, matetika voasokitra amin' ny vato, ary matetika aseho ambonin' ny tany, na dia mety halevina ihany koa aza.
Ny teny hoe sarkôfazy dia avy amin' ny teny grika hoe σάρξ / sarx izay midika hoe “nofo”, sy φαγεῖν / phagein izay midika hoe “mihinana”; noho izany ny teny hoe sarkôfazy dia midika hoe "mihinana nofo", avy amin' ny andian-teny hoe λίθος σαρκοφάγος / lithos sarkophagos izay midika hoe "vato mihinana nofo". Io teny io koa dia efa nanondroana karazana vatosokay manokana izay noheverina fa nanamora ny fahapotehan’ ny nofon’ ny faty ao anatiny noho ny toetra ara-tsimian’ ilay vatosokay mihitsy.
Amin' ny maha zavatra momba ny fandevenana azy, ny sarkôfazy dia misy amin' ny kolontsaina sy sivilizasiôna samihafa sy mifanalavitra; noho izany dia toa tsy misy ifandraisany amin’ ny karazana fivavahana manokana izy.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Sarkôfazy, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.