Vahoaka Nilôtika

Ny Nilôtika dia vahoaka teratany ao amin' ny lohasahan' ny ony Nily izay miteny amin' ny fiteny nilôtika, zana-bondron' ny fiteny nilô-sahariana tenenin' ny olona ao amin' ny tapany atsimon' i Sodàna sy ao Kenia ary ao amin' ny faritra avaratra amin' i Tanzania.

Ny vahoaka nilôtika dia mpiompy andiam-bimby.

Vahoaka Nilôtika
Faritra tenenana ny fiteny nilôtika

Amin' ny ankapobeny ny vahoaka nilôtika dia mahafaoka ny vahoaka mampiasa ny fiteny nilô-sahariana niantombohana, ka isan' izany ny Loô (Luo), ny Sara (Sara), ny Masay (Massai), ny Kalenjina (Kalenjin), ny Dinka (Dinka), ny Noera (Nuer), ny Siloka (Shilluk), ny Atekera (Ateker), ary ny vahoaka miteny maa, izay samy ahitana vondom-poko maro.

Ny Nilôtika no maro an' isa ao amin' ny tapany atsimon' i Sodàna, izay faritra heverina fa niaingan' ny fielezan' izy ireo. Ny Nilôtika no vahoaka maro an' isa manarakaraka ny Banto raha ny ao amin' ny faritry ny Farihy Lehibe no heverina. Izy ireo koa dia maro an' isa ao amin' ny tapany atsimo-andrefan' i Etiôpia.

Ny fandinihana ny foto-tarazo dia toa maneho fa ny vahoaka nilôtika no razana niandohan' ireo vahoaka hafa ao Sodàna. Miavaka amin' ireo mponina hafa ao an-toerana izy ireo noho izy manana foto-tarazo vitsy tsy afrikana. Ny fandalinana dia maneho koa fa nitoka-monina nandritra ny fotoana lava izy ireo sady tsy maka vady avy any ivelany.

Jereo koa

Tags:

Fiteny nilô-saharianaFiteny nilôtikaKeniaNilySodànaTanzania

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

ZavakantoMari-panaBokin' ny OhabolanaBodisma teravada21Hubert TardieuTsadyMpandrindra milina1868Merneptà1982Dinan' i VarsoviaPi13 Desambra11EjiptaFacebookFiteny araboTendrontany AvaratraAustin, TexasCalendario ebreoOmby1942Donald BitzerNadia Comăneci1810871Naperville, IllinoisGJack LemmonAtibaiaBangladesy1928Ginea BisaoBokin' i JôelaMumbaiFiarakaretsakaFivavahan-drazana malagasy19741926Fiteny malayTanyBaiboly2000Dave AitelBetsileoAlikaSikidyChristopher NolanRyeEspainaMakoa (malagasy)Boky1835U2Loveland, ColoradoAlakaosyJaisalmerPôlitika eto MadagasikaraMadagasikaraC1981ArintanyLéonard de VinciVitsika1 AprilyWayback MachineI4719093Posanges1918Fitodika sehatraMosavy (finoana malagasy)Ranomasin'i Ligoria3000🡆 More