I Matatià na Matatiasy na Matatiasa dia mpisorona, isan' ireo atao hoe Kôhena, tao Môdina ao avaratra andrefan' i Jerosalema, izay tsy nanaiky ny fampidirana ny kolontsaina grika hifangaro amin' ny kolontsaina jiosy, na dia nisy aza ny Jiosy sasany nankasitraka izany fifangaroana izany, ka nitarika ny Jiosy mpandala ny jodaisma nentim-paharazana hikomy.
Atao hoe מתתיהו בן יוחנן הכהן / Matityahu ben Yohanan HaKohen i Matatia amin' ny teny hebreo fa Ματταθίας / Mattathias kosa amin' ny teny grika.
Tamin' ny taona 168 tal. J.K. dia noraran' ny mpanjaka seleokida Antiôkôsy IV Epifanesy ny fivavahana jiosy ka namoahany didy koa ny fanorenana alitara (na ôtely) ho an' ireo andriamanitra grika tao amin' ny Tempolin' i Jerosalema sy tamin' ny tanàna lehibe tao amin' ny tanin' ny Jiosy. Tamin' ny taona 167 i Matatià izay efa antitra dia nandositra niaraka tamin' ny zanany dimy lahy sy Jiosy hafa koa tany amin' ireo tendrombohitra manodidina mba hikononkonona fikomiana hanoherana an' i Antiôkôsy IV. Rehefa maty i Matatià dia ny zanany lahy Jodasy no nandimby azy nitarika sy nanamafy ny fikomiana.
Ireto avy ireo zanaka dimy lahin' i Matatià: i Jodasy, i Eleazara, i Simôna, i Joany Gady ary i Jônatàna.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Matatià, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.