Kristianisma Ao Kômôro

Ny kristianisma ao Kômôro dia fivavahan' ny vitsy anisa, izay arahin' ny 1 % hatramin' ny 2,1 % amin' ny mponina.

Ny 0,5 % amin' ny mponina (miisa 4 300) dia Katôlika fa ny 0,25 % (miisa 1 680) kosa dia Prôtestanta. Ny ankamaroan' ny Kristiana ao Kômôro dia Malagasy sy mpiavy avy any Frantsa.

Kristianisma Ao Kômôro
Fiangonana ao Nzwani

Ahitana Fiangonana adventista mitandrina ny andro fahafito sy Fiangonana nohavaozina ny ao Kômôro, araka ny World Christian Encyclopedia.

Antohan' ny lalàm-panorenana kômôriana ny fahalalahan' ny fivavahana nefa misy zo sasany izay natokana ho an' ny Mozilmana fa tsy an' ny Kristiana, ohatra amin' izany ny tsy fahazoan' ny Kristiana hijoro ho vavolombelona eny amin' ny raharaham-pitsarana.

Maro ny vondrona ara-pivavahana kristiana avy any ivelany izay manao asa fanasoavana momba ny maha olona, fa tsy mitory ny vaovao mahafaly amin' ny mponina. Ireo vondrona ireo dia tsy manan-jo hosoratana ao amin' ny rejisitry ny fanjakana. Misy ny lalàna izay manasazy am-ponja sy mampandoa lamandy ireo izay mitory finoana hafa amin' ny Mozilmana. Tamin' ny taona 2006 dia nisy olona efatra nampangaina ho nitoriteny ivelan' ny fiangonana ka nosazina higadra an-tranomaizina mandritra ny telo volana.

Malalaka kokoa ny fivavahana kristiana ao Ngazidja raha mitaha amin' ny zava-misy ao amin' ireo nosin' i Kômôro sisa. Misy eglizy katôlika ny ao Moroni (Ngazidja). Ahitana eglizy toy izany koa ny ao Mutsamudu. Misy fiangonana prôtestanta ny ao Moroni.

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

FrantsaKatôlisismaMalagasy (vahoaka)Prôtestantisma

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Bob KhannaKatroRasoherinaRay aman-drenyToyotaGregôrio IXHasidisma1862ParakyRainay any an-danitraKaody bara1188Bill ClintonFoko folo veryVolafotsyFahotanaVoromailalaFiteny kazàkaAmbositraEpifaniaAnjelôlôjiaFiteny espaniôlaKônfirmasiônaLoka NobelPoopyPoaceaeTazomokaBenoà XVEkiomenismaAlan TuringAntesakaVaryDrôna1700Fiteny anglisyElamaFokom-pirenen' i EfraimaKabary am-panambadianaMadagasikaraParisyJLisitry ny filohan' i MadagasikaraDidy FoloDokuWikiLahatraPeteraPaul CézanneFiteny nepaleyAlakaosyFokom-pirenen' i LevyPaiso (voany)Prôtestantisma eto MadagasikaraFamoranaZazavavindranoSiansaIslandyAndrianaPio XHartford, ConnecticutAndry RajoelinaSinemaFanambaràna ny hevitry ny nofySatorinaAndro faranyFokom-pirenen' i IsraelyISO 3166-1Eorôpa AtsinananaTalataVy🡆 More