Ny imperialisma dia fomba fitondrana ara-pôlitika izay ahitana firenena lehibe mitady hanitatra ny fahefany any ivelan’ ny sisintaniny.
Ny tanjon’ ny imperialisma dia ny manangana empira (fanjakàn-dehibe mampiray fanjakana maro sy vahoakam-pirenena maro amin' ny alalan' ny fahefana tokana). Manjaka amin' ny firenena hafa amin’ ny alalan’ ny tafiny ny firenena imperialista. Na dia izany aza dia mety tsy mampiasa herin-tafika ireo firenena ireo fa mametraka famehezana ara-pôlitika sy ara-toekarena eo amin’ ilay firenena.
Ny firenena manjakazaka araka ny imperialisma dia mitady hanangona ny loharanon-karena voajanahary (tanim-boly, sns), na hanangona ny mponina amin' ny alalan' ny fanandevozana azy ireo na amin' ny alalan' ny fanofanana azy amin' ny asa kely karama (sy/na kely andraikitra). Mety hantsoina hiady ho an' ny empira izy ireo. Mety ho azon' ilay firenena imperialista ihany koa ny tsena an-toerana ary mety ho voatery hividy na hivarotra amin' ilay governemanta imperialista na amin' ny indostrian' io governemanta io ny vahoaka. Mety haha mpanan-karena sy hitondra tombon-tsoa maharitra ho an' ilay firenena imperialista ny pôlitika imperialista.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Imperialisma, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.