I Farsa na Parsa dia iray amin' ireo faritany iraika amby telopolon' i Iràna, ao atsimo-andrefana.
Ny renivohiny dia i Shiraz. Misy mponina eo amin' ny 4 323 626 ny ao tamin' ny taona 2004. Manana velarana 122 416 km2 i Farsa. Amin' ny teny persana dia atao hoe فارس . Fārs na پارس / Pārs i Farsa.
I Farsa no tany niavian' ny Persàna. Ny anaran' ny fiteny persana amin' izy ireo dia فارسی / fārsī na پارسی / pārsī. Fanovana ho amin' ny fiteny arabo ny hoe Pars ny hoe Fars. Amin' ny fiteny persiana tranainy dia atao hoe Pārsā i Farsa. Tamin' ny Andro Taloha dia fantatra amin' ny hoe Persida i Farsa.
Faritany ao Iràna:
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Farsa, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.