Arabia Talohan' Ny Silamo

I Arabia talohan' ny silamo, izay manondro ny Saikanosin' i Arabia talohan' ny fanambaràna voalohany azon' i Mohamady tamin' ny taona 610, dia resahina ao amin' ny finoana silamo ao anatin' ny tontolon' ny ‏جَاهِلِيَّة‎ / jāhilīyah (izany hoe tsy fahalalana na hadalana), izay manasongadina ny fihanaky ny paganisma manerana ilay faritra tamin' izany fotoana izany.

Arabia Talohan' Ny Silamo
Lalana ara-barotry ny Nabateana tany Arabia talohan' ny silamo

Ny sasany tamin' ny vahoaka nanorim-ponenana tao dia lasa sivilizasiôna miavaka. Ny fampahalalana momba ireo vahoaka ireo dia voafetra ary natambatra avy amin' ny porofo arkeôlôjika sy ny fitantarana voasoratra tany ivelan' i Arabia ary ny lovantsofina arabo izay noraketin' ny mpahay tantara mozilmana taty aoriana. Anisan' ireo vahoaka nisongadina indrindra ny Tamoda (Thamud), izay nipoitra manodidina ny taona 3000 tal. J.K. ary naharitra hatramin' ny taona 300 taor. J.K. tany ho any; ary ny sivilizasiôna niteny semitika voalohany indrindra tany amin' ny tapany atsinanana dia ny Dilmona (Dilmun), izay nipoitra tamin' ny faran' ny taonarivo faha-4 tal; J.K. ary naharitra hatramin' ny taona 600 taor. J.K. tany ho any. Fanampin' izany, teo amin' ny tapany faharoa amin' ny taonarivo faha-2 tal. JK, i Arabia Atsimo dia nonenan' ny fanjaka-mpanjaka maromaro, toa ny Sabeana sy ny Mineana, ary i Arabia Atsinanana dia nonenan' ny vahoaka niteny semitika izay azo inoana fa nifindra monina avy any atsimo-andrefana, toy ireo atao hoe Samada (Samad). Nanomboka tamin' ny taona 106 taor. J.K. ka hatramin' ny 630 taor. J.K., ny faritra avaratra-andrefana indrindra amin' i Arabia dia nofehezin' ny Empira Rômana, izay nitondra azy tamin' ny anarana hoe Arabia Petraea. Faritra vitsivitsy no nofehezin' ny Iraniana, voalohany teo ambany fanapahan' ny Partiana ary avy eo teo ambany fanapahan' ny Sasanida.

Samihafa ny fivavahana tany Arabia talohan' ny silamo; na dia niely patrana aza ny pôliteisma, dia mbola fanao niavaka teo amin' ny mponina sasany tao amin' ilay faritra, toy ny fokom-pirenena jiosy, ny mônôteisma. Ankoatra ny paganisma arabo dia nisy fanao ara-pivavahana hafa koa tao amin' ilay faritra, dia ny an' ny fivavahana semitika fahiny; ny fivavahana abrahamika, izay lasa nahafaoka koa ny fivavahana silamo vao misondrotra taty aoriana; ny fivavahana iraniana; ny fivavahana gnôstika; ary, mahalana, ny fivavahana indiana, izay nikambaban' ny ankamaroan' ny mpivarotra tsy teratany sy ny mpandeha lavitra hafa.

Tags:

MohamadyPaganismaSaikanosin' i ArabiaSilamo

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

1981Al-NawawiAfrikaZanak' i IsraelyAsiriana (vahoaka)MississaugaAndro AntenatenanyFiteny atabaskanaBoky fahatelon' i HenôkaJúlio César BaptistaFaritra eto MadagasikaraBetsimisarakaSora-tanana tao Nag HammadiPôlinezia FrantsayEugene, OregonBaiboly amin' ny teny malagasyBilbaoAnimismaAllemant, MarneParthénonJava AndrefanaFahaleovantenaFiteny japôneySilamo1937Faritra AnalanjirofoUNIXFiteny latinaFabio CannavaroEkaterina IIGore VidalLionel MessiKatowiceEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)BahaismaAmerika AvaratraFatidraFanekena VaovaoAb BarJeanne d'ArcSatyajit RayAntambahoakaEokaristiaFilôzôfiaValladolidKabary am-panambadianaBezanozanoIndiaVirjiniaFanambadianaEvekaFamakafakana ny BaibolyBogotáDokuWikiFanekem-pinoana1391GoogleMichiganFitsanganan' i Jesoa ho velonaLarreule, Pyrénées-AtlantiquesKônfosianismaMarko AorelioWayback MachineSunan al-DaraqutniSahih al-TirmidhiFanambaràna ny hevitry ny nofyTaom-baovao sinoaHaranita-tsaina voatrolombelonaRSS🡆 More