Arkeôlôjia

Ny arkeôlôjia dia taranja ara-tsiansa anaovana fikarohana momba ny kolontsaina sy ny fomba fiainan' ny olona tamin' ny andro lasa amin' ny alalan' ny zavatra azo tsapain-tanana sisan' ny lasa, hatramin' ny vanimpotoana talohan'ny tantara ka hatramin' izao andro ankehitriny izao.

Misahana manontolo ny zavatra rehetra sisan' ny lasa izy ankehitriny: hatramin' ny sangan' asa kanto ka hatramin' ny toerana fanariana fako, hatramin' ny taolana tranainy ka hatramin' ny vovo-boninkazo; misahana ny vanimpotoana rehetra: hatramin' ny niandohan' ny olombelona ka hatramin' izao vanimpotoan' ny taozava-baventy; ary misahana koa ny faritra rehetra maneran-tany. Manampy ny arkeôlôjia koa ireo taranja ahafahana mahalala ny zava-misy manodidina tamin' ireo vanimpotoana samihafa.

Mampiasa indrindra ny lahatsoratra amin' ny fikarohana ataony ny taranja tanrana, fa ny arkeôlôjia kosa manao fisavana sy fangadiana toerana.

Ny teny hoe arkeôlôjia dia avy amin' ny teny grika hoe arkhaiolojia izay foronin' ny teny grika roa hoe archaíos "antitra, tranainy" sy lógos "teny, lahateny, siansa".

Tags:

KolontsainaSiansaTaozava-baventy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Paulo César Vieira RosaPoopyKatôlisismaBill GatesHermann HesseLouis-Claude VincentLoteranisma eto MadagasikaraKrôasia1943IrànaKaodim-paositraFariseoJitànaFiraisana ara-nofoNy Avana RamanantoaninaFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraMartin KellyRavalomanana MarcFanjanahantany294GoogleAlain CorneauFilipinaKristianisma eto MadagasikaraHomerRavoahangy-Andrianavalona JosephWikibolanaVolavolan-dalànaRazana (finoana malagasy)Filoham-pirenena sy mpanjakan' i MadagasikaraMac Ahlberg540Filazantsara araka an' i MatioEglizy katôlika rômaninaKim JaggyNoboru TakeshitaClergouxTorkiaHazokesikaSilamoPaskaTantaran' ny kristianismaMenônismaGeorge BushHaranita-tsaina voatrolombelonaLalao RavalomananaEdward GibsonRavinalaVitaly GinzburgMpandrindra milinaFoko eto MadagasikaraTPôlitika eto MadagasikaraGregor MendelKabary famangianaSilamo eto MadagasikaraFiangonana Loterana Malagasy234AfrikaHypertext Markup LanguageEtazoniaMsheireb Downtown Doha400IsraelyVikram SamvatFrancis DrakeBokin' i IsaiaNikôtininaMouvement National pour l'Indépendance de MadagascarTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô580Fitoriana ny filazantsaraPôrtogaly🡆 More