Ôfanima

Ny Ôfanima na Galgalima dia ilazana ny kodiarana hita ao amin' ny fahitan' i Ezekiela momba ny kalesy (merkabah) ao amin' ny Bokin' i Ezekiela (Ezek 1:15-21).

Ny iray amin' ireo Horonam-bokin' ny Ranomasina Maty (4Q405) dia mandika azy ireo ho anjely; ny fizaràna farany amin' ny Bokin' i Henôka (Henoka 61:10, 71:7) dia milazalaza azy ireo ho kilasin' ny zavamananaina any an-danitra izay (miaraka amin' ny Kerobima sy ny Serafima) tsy matory mihitsy, fa miambina ny seza fiandrianan' Andriamanitra. Ao amin' ny anjelôlôjia kristiana dia anisan' ny antokon' ny anjely izy ireo, ary antsoina koa hoe "seza fiandrianana".

Ôfanima
Sarin' ny fahitana ny kalesy, araka ny filazan' i Ezekiela, misy ôfanima eo amin' ny ilany havia

Amin' ny teny hebreo dia atao hoe אוֹפַנִּים / ʼōp̄annīm (na אוֹפָן / ʼōp̄ān raha milaza tokana), na גַּלְגַּלִּים / galgallīm (na גַּלְגַּל / galgal, milaza tokana) izy ireo.

Ôfanima
Ôfàna

Ireo "kodiarana" ireo dia nampifandraisina amin' izay voalaza ao amin' ny Daniela 7:9 (izay ilazana azy ireo hoe galgal, "ny kodiaran' ny galgalima", misy "lelafo mirehitra" sy "afo mandoro") amin' ny kodiarana efatra rakotra maso (ka ny tsirairay amin' izy ireo dia misy kodiarana roa mifampiditra), izay mihetsika eo anilan' ny Kerobima manana elatra, eo ambanin' ny seza fiandrianan' Andriamanitra. Mihetsika miaraka amin' ny Kerobima ireo kodiarana efatra ireo, satria ao anatin' izy ireo ny fanahin' ny Kerobima. Ny Boky faharoan' i Henôka (2Hen 20:1, 21:1) koa dia niantso azy ireo ho "ireo izay manana maso maro".

Ny Boky voalohan' i Henôka (Hen 71:7) dia toa milaza fa ny Ôfanima dia ampitovina amin' ny "Seza Fiandrianana" ao amin' ny kristianisma rehefa mitanisa azy ireo miaraka, araka ny filaharany: "... nanodidina ny Serafima sy ny Kerobima ary ny Ôfanima”.

Tags:

AnjelyAnjelôlôjiaBokin' i EzekielaBokin' i HenôkaEzekielaKerobimaSerafimaSoratanam-piraketan' ny Ranomasina Maty

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Razana (finoana malagasy)KatsakaFivavahan-drazana malagasyFaritra eto MadagasikaraFiteny malagasy ôfisialyJesoaSevilaMississaugaFrancis WebbJúlio César BaptistaFitaovam-piadianaFiraisana ara-nofoTanalaBengkuluOmbyLa Tour-Saint-GelinBaianópolisJosip SkoblarOdyJimmy WalesFiangonana Loterana Malagasy1701Fitiavan-tanindrazanaSavoaFiteny malagasyEvolisionaBilbaoTendro satrokaAllemant, MarneFoko eto MadagasikaraAntom-pisian'ny olonaVoronaAsombolaFamakafakana ny BaibolyAnimismaEmpira Mpanjanaka FrantsayAljeriaMerinaEtona voajanaharyAndro TalohaMouthoumetFamoronana (finoana sy fedrà)SomeraAdy Lehibe VoalohanyEkaterina IIFiteny hebreoAndriamasinavalonaKalandrie litorjika katôlika rômanina1391Paska jiosyFehezantenyWilliam III an'i AngleteraOmbiasaAbu Dawud al-SijistaniIràkaJava Andrefana1896VirjiniaMarumsco, VirginiaBiôgrafiaTorkia1981Mozilla FirefoxTeraka17 MartsaLisitry ny firenenaTahiti🡆 More