WikiNi dia rindrankajy malalaka wiki anankiray fehezin'ny lisansy BSD manome fomba tsotra, mahomby sy haingana ahafahana mamorona sy mitantana sehatra iray amin'ny tranonkala na amina tranonkala anatina orinasa iray.
Maimaim-poana izy sady azo ovaina sy zaraina arak'io lisansy mifehy azy io ihany koa.
Fisampanana iray avy tamin'ilay rindrankajy wiki WakkaWiki i WikiNi. Ny taona 2002 no nanomboka nisy izy, ary i Charles Nepote no namorona azy, miampy an'i David Delon sy Patrick Paul. Anisan'ny mampiavaka azy amin'ireo sampan'i WakkaWiki hafa, noho izy Frantsay ny mpamolavola azy, dia amin'ny fiteny frantsay ihany koa ny interface ampiasàna azy.
Navigateur ihany dia fitaovana ampy hampiasana azy, ary tsy mifidy navigateur rahateo izy. Ireto no isan'ireo zava-dehibe afaka atao miaraka aminy :
Mila serveur web mahazaka PHP sy MySQL fotsiny, dia afaka apetraka ao anatin'ny 10 minitra i WikiNi. Vao vita izay dia afaka ampiasaina avy hatrany ny sehatra ary navigateur ihany no fitaovana hitantanana azy.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article WikiNi, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.