Ny Kanory dia vahoaka ao Afrika Andrefana sy Afrika Afovoany monina akaikin' ny Farihy Tchad: any avaratra-atsinanana amin' i Nizerià ao amin' ny Empiran' i Bornu sy Kanem taloha ao Nizera, ao Tsady, ao Sodàna, ao Libia ary ao Kamerona.
Ny fanisam-bahoaka nizeriana tamin' ny taona 1988 dia nanombana fa 320 000 ny isan' ny Kanory mipetraka ao amin' io firenena io ary 2,5 tapitrisa amin' izao fotoana izao any amin' ireo firenena samihafa onenan' izy ireo, ka toy izao ny fitsinjarany tamin' ny taona 2021: tao Nizerià (niisa 3 720 000), tao Tsady 2 620 000, tao Nizera 1 540 000, tao Kamerona 1 300 000, tao Sodàna 1 100 000, ary tao Libia 140 000.
Mifanohitra amin' ireo vondrom-poko Tobo na Zagaoa mpifanolo-bodirindrina aminy, ny Kanory dia mpiorim-ponenana araka ny fombany nentim-paharazana, izay nirotsaka tamin' ny fambolena sy fanjonoana ao amin' ny faritanin-dranon' i Tchad, ny varotra ary ny fanodinana sira.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Kanory (vahoaka), which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.