Fiangonan' I Jesoa Kristy Ho An' Ny Olomasin' Ny Andro Farany Eto Madagasikara

Ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany eto Madagasikara dia fiangonana voaorina tamin' ny taona 1993 eto Madagasikara izay sampan' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany maneran-tany.

Fantatry ny Malagasy amin' ny anarana hoe Fiangonana Môrmôna izy. Tamin' ny fiandohan' ny taona 2018 izy dia nisy mpikambana miisa manodidina ny 11 900 izay mitsinjara amin' ny fiangonana 40 .

Fiangonan' I Jesoa Kristy Ho An' Ny Olomasin' Ny Andro Farany Eto Madagasikara

Tantarany

Tamin' ny taona 1986 tany Frantsa no nikambanan-dRazanapanala Ramiandrisoa tamin' ny Olomasin' ny Andro Farany fony izy nandranto fianarana tany ka natao batisa tao Bordeaux any Frantsa tamin' io taona io ihany. Nody aty Madagasikara izy tamin' ny taona 1989 ka nanomboka nampianatra ny Filazantsara tamin' olona vitsy tao an-tranony. Tamin' ny taona 1990 no nananganana ny Fiangonana ka i Razanapanala Ramiandrisoa no lasa filohany. Ny misionera voalohany nankaty Madagasikara dia i Fred L. Forsgren sy ny vadiny, dia i Eileen. Tamin' ny taona 1991 no nahatongavany. Voaorina ara-panjakana ny Fiangonana tamin' ny taona 1993 ka niisa 100 eo ho eo ny mpivavaka tao. Izany isa izany dia efa 11 881 tamin' ny fiandohan' ny taona 2018.

Mandraka amin' ny taona 1998 dia teo ambany fanaraha-mason' ny ao Afrika Atsimo ny Fiangonana teto Madagasikara ka tsy nahazo asa fanirahana hitory ny Vaovao Mahafaly manokana ny aty Madagasikara raha tsy tamin' ny taona 1998. Tamin' ny taona 1999 vao vita ny trano fiangonana voalohany teto Madagasikana. I Dominique L. Andriamanantoa no filoha. Nadika tamin' ny fiteny malagasy ny Bokin' i Môrmôna tamin' ny taona 2000.

Fiangonan' I Jesoa Kristy Ho An' Ny Olomasin' Ny Andro Farany Eto Madagasikara 
Teti-pamonjena

Jereo koa

Loharano:

Tags:

Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro FaranyMadagasikara

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

IndôneziaTantaran' ny kristianismaAndriamanitra (tokana)FambolenaSihanakaEjiptaFanekem-pinoana nikeanaPiramidaStatistikaThomas MoreWiki FoundationKalamaraMozilla FirefoxSunan al-DaraqutniGeorge Frideric HandelVolafotsyHaditaAndrea FrezzaBodismaPaoly (apôstôly)Andro TalohaMananasy (kaominina)MollasaniWikiGranges-sur-AubeAl-MuwattaKleôpatra VIIEllwood City, PennsylvaniaJosip SkoblarEtona voajanaharyKajimirindraBiôgrafiaKristianisma eto MadagasikaraEpistily ho an' ny HebreoBoky faharoan' i HenôkaVato RosettaHéctor ScaroneFampakaram-bady1989Fikambanan' ny Fifanarahan' i Atlantika AvaratraFitsanganan' i Jesoa ho velonaArthur KrauseNeptonaTexasOkmulgee, OklahomaChennaiPuerto RealSinôgramaRSSFaritra SavaAsombolaIsraelyFilazantsaran' i JodasyDokuWikiVirijiny (antokon-kintana)MenalambaPaskaMahmoud AbbasEzequiel LavezziSilamo1525Alexandre Ier de RussieWilliam KamkwambaLarreule, Pyrénées-AtlantiquesUsain BoltBokin' ny SalamoCamillo BensoDebianRobin WilliamsEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)🡆 More