Adventisma

Ny adventisma na advantisma dia hetsika ara-pinoana kristiana milenarista nanomboka tamin' ny taonjato faha-19 tamin' ny fotoana nampiroborobo ny Fifohazam-panahy lehibe faharoa tao Etazonia izay mampianatra momba ny Fiavian' i Jesoa Kristy fanindroany izay hiseho tsy ho ela amin' ny andro farany.

Sampan' ny prôtestantisma ny adventisma ka ny tena be mpanaraka indrindra dia ny Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito.

Adventisma
I William Miller

Fiforona-teny sy fampiasana ilay teny

Ny teny hoe adventisma dia fanagasiana ny teny anglisy hoe adventism, izay nipoitra avy amin' ny teny latina hoe adventus (advento amin' ny teny malagasy), izay midika hoe "fiaviana". Azo ampiharina amin' ireo hetsika mitory fatratra ny amin' ny Andro farany (eskatôlôjia) io teny io. Maro noho izany ny fivavahana na fikambanana kristiana izay ahitana soritra ny adventisma na teo amin' ny fiangonana katôlika sy ôrtôdôksa izany na teo amin' ny fiangonana prôtestanta.

Tantaran' ny adventisma

Ny tantara sy ny maha izy azy ara-panahin' ny fihetsiketsehana adventista dia nanana loharano nipoirana maro samihafa tao amin' ny fanavaozam-piangonana (refôrmasiôna) loterana, ny batisma, ny pietisma ny metôdisma ary ny fifohazam-panahy isan-karazany. Izy ireo tamin' ny voalohany dia samy tao amin' ny andiana mpikaroka apôkaliptika izay isan' ny nampiavaka ny fiafaran' ny taonjato faha-17 sy ny taonjato faha-18 ary ny taonjato faha-19.

I William Miller

Nisy ny faharisihana sy ny fahalianana handinika sy hianatra ny soratra faminaniana ao amin' ny Baiboly miresaka ny amin' ny fiavian' i Kristy amim-boninahitra izay hita manerana ny tantaran' ny prôtestantisma. Ny hetsika adventista amerikana dia niforona manodidina an' i William Miller izay tantsaha nampiana-tena, mpamaky ny Baiboly nahafatra-po, sady mpivavaka tao amin' ny fiangonana batista. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-18 tao Eorôpa, izany fahalianana ny amin' ny fiavian' i Kristy izany dia nanjary lehibe dia lehibe ka niteraka ireo toriteny mamohafoha ny finoana, indrindra ny toritenin' i William Miller izay nitory amin' ny fomba mazava ny fototra iorenan' io hetsika io sady nanome azy ny firehany ara-potokevitra.

Niezaka nanao fivoasana ara-tarehimarika ny Bokin' i Daniela (Dan. 8.14) sy ny Bokin' ny Apôkalipsy (Apô. 14.9-12) i William Miller ka nanatsoaka hevitra fa i Kristy dia hiverina indray eto an-tany amin' ny taona 1843 sady hanjaka arivo taona miaraka amin' ireo olom-boafidiny. Izany fiaviana fanindroan' i Kristy eto an-tany izany no atao hoe "parosia".

I William Miller sy ireo mpanaraka azy no nanambara fa hiverina indray aty an-tany eo anelanelan' ny 21 Marsa 1843 sy 21 Marsa 1844 i Kristy. Tsy tanteraka anefa izany. Atao hoe "Fahadisoam-panantenana voalohany" izany tsy fahombiazan' ny faminaniany izany. Nihevitra ireo mpanaraka natoky an' i William Miller fa fahadisoam-pikajiana no niteraka izany. Ireo mpanaraka an' i Miller dia niisa eo anelanelan' ny 50 000 sy 100 000. Maro anefa ireo niala ny fikambanana tamin' izany fotoana izany. Novan' i Miller indray ny daty hiavian' i Kristy ka ny 22 Ôktôbra 1844 izany. Tsy tanteraka koa izany faminaniana izany ka niteraka ilay atao hoe "Fahadisoam-panantenana lehibe". Maro ireo Adventista nandao ny fananany ka lasa fihomehezan' ny olona ilay fikambanana tamin' ny fahatongavan' ilay andro nandrasana nefa tsy nisy zava-nitranga. Maro ireo mpanara-dia an' i Miller izay niala aminy. Roa ny fanapahan-kevitry ny mpanaraka an' i Miller ka ny sasany niverina tamin' ny fiangonana niaviany avy fa ny hafa kosa niova anarana hoe American Millenial Association (ara-bakiteny: "Fikambanan' ny Arivo taona Amerikana") ka ny mpikambana ao amin' ny dia natao hoe Evangelical Adventis ("Adventista ara-Pilazantsara") taty aoriana. Izay mbola nitoetra taminy dia nizara ho antoko efatra.

Ny Albany Conference

Ilay fihaonambe

Ny Albany Conference (“Kônferansa tao Albany”) izay natao tamin' ny taona 1845 dia nahavory solontena 61 izay nantsoina hamaritra ny ho fizotra sy ny ho tena hevitry ny hetsika milerita. Niova anarana ho Adventists ("Adventista") na Second Adventists ("Adventista Faharoa") ireo Milerita (izany hoe ireo  mpanaraka an' i Miller). Na dia izany aza dia tsy nifanaraka ireo iraka ireo momba ny zavatra maro mahakasika ny teôlôjia. Nisy vondrona efatra niforona taorian' ilay kônferansa, dia ny Evangelical Adventists ("Adventista ara-Pilazantsara"), ny Life and Advent Union ("Fiainana sy Fiombonana Adventista"), ny Advent Christian Church ("Fiangonana Kristiana Adventista") ary ny Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito.

Ny American Millennial Association

Ny vondrona lehibe indrindra dia ny American Millennial Association ("Fikambanan' ny Arivotaona Amerikana"), ny ampahany tamin' io no lasa Evangelical Adventist Church ("Fiangonana Adventista ara-Pilazantsara") taty aoriana. Miavaka amin' ny fiangonana adventista rehetra izy noho izy nino ny fisian' ny afobe mandrakizay sy ny fahatsiarovan-tena ao amin' ny fahafatesana.  Nihanihena ny isan' ny mpivavaka ao aminy ary tsy hita intsony tao amin' ny United States Census of Religious Bodies (fanisana ireo fiangonana misy any Etazonia) ny anarany tamin' ny taona 1916. Mihena dia mihena izy ka saika tsy misy amin' izao fotoana izao. Ny lahatsoratra nataony dia ny Advent Herald ("Mpitondra hafatry ny Advento"), ka i Sylvester Bliss no editora hatramin' ny nahafatesany tamin' ny taona 1863. Niova anarana ho Messiah's Herald ("Mpitondra hafatry ny Mesia") io lahatsoratra io taty aoriana.

Ny Life and Advent Union

Ny Life and Advent Union ("Fiainana sy Firaisan' ny Advento") dia naorin' i George Storr tamin' ny taona 1863. Nanoratra ny The Bible Examiner ("Ny Mpandinika ny Baiboly") izy tamin' ny taona 1842. Nitambatra tamin' ny Adventist Christian Church izy tamin' ny taona 1964.

Ny Advent Christian Church

Ny Advent Christian Church ("Fiangonana Kristianan' ny Advento") dia niorina tamin' ny fomba ôfisialy tamin' ny taona 1861 ka nitombo haingana tamin' ny voalohany. Nisy fihenana kely izy nandritra ny taonjato faha-20. Namoaka gazetiboky efatra izy dia ny The Advent Christian Witness ("Ny Vavolombelona Kristianan' ny Advento"), ny Advent Christian News ("Vaovaon' ny Kristianan' ny Advento"), ny Advent Christian Missions ("Famitana iraka Kristianan' ny Advento") ary ny Maranatha (teny arameana midika hoe "Tonga ny Tompontsika").    

Ny Seventh-day Adventist Church

Ny Seventh-day Adventist Church ("Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito") dia niorina amin' ny fomba ôfisialy tamin' ny taona 1863. Aminy dia ny Sabatan' ny Andro Fahafito no andro masina hivavahana amin' Andriamanitra. Namoaka ny Adventist Review ("Gazety Adventista"), sy ny Kids Review ("Gazetin' ny Ankizy"), ary ny Sabbath Herald (“Mpitondra hafatry ny Sabata”) izy. Lasa nitombo nanenika an' izao tontolo izao izy sady manana tambajotra lehibe momba ny fitsaboana sy ny fanabeazana. Io fiangonana io koa no tena fantatra eto Madagasikara izay fantatra amin' ny anarana hoe Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito.

Tsy nikambana na amin' ny iray amin' ireo fiangonana ireo i Miller fa nandany ny androm-piainany tamin' ny fiezahana hampiray azy ireo talohan' ny taona 1849 izay nahafatesany.

Ny foto-pampianarany

Ny fampianarana milenarista dia mifantoka amin' ny fiavian' i Kristy fanindroany (parosia), izay ho hitan' ny mason' ny olona rehetra eran' izao tontolo izao. Izany dia hiseho alohan' ny arivo taona voalaza ao amin' ny Bokin' ny Apôkalipsy toko faha-20, izay antony isokajiana ny adventisma ho premilenarista.

Ny finoany sy ny fandaminana ao amin' ny adventisma dia sahalahala amin' ny an' ny Batista ihany. Nefa misy zavatra vitsivitsy natovony ary nisy hafa koa izay nanteriny bebe kokoa, indrindra ny momba ny fiafaran' izao tontolo izao (eskatôlôjia). Ilay andro hiverenan' i Kristy izay antomotra dia antomotra ara-bakiteny anefa tsy nanondroana daty mazava ntsony. Ny hafanam-po nisy teo amin' ny mpanaraka an' i Miller dia niteraka fivakivakisana maro.

Betsaka ny fiangonana mitondra ny anarana hoe "adventista" ka ireo voalaza eo ambony ireo no fampianarana iombonan' izy rehetra fa misy koa fampianarana izay mampiavaka ny tsirairay amin' izy ireo.

Inoan' ny Adventista ny fiverenan' i Kristy eny amin' ny rahon' ny lanitra alohan' ny arivo taona (millenium) izay fampianarana fototra ao amin' ny milerisma. Tamin' ny tapany farany amin' ny taona 1846, ny Sabatan' ny Andro Fahafito (ankalazaina isaky ny Asabotsy) sy ny asa fanompoana indroa miantoana nataon' i Kristy ao amin' ny fitoerana masina ao an-danitra dia eken' izy ireo. Fampianarana lehibe koa ny fivoasana ara-paminaniana ny hafatrt ny anjely telo ao amin' ny Apôkalipsy (Apô. 14) sy ny fifandraisany amin' ny asa fanompoan' i Kristy ao amin' ny Masina Indrindra ao an-danitra ho fanombohan' ny fitsarana izay tsy maintsy hialoha ny fiverenan' i Jesoa sy ny fiafaran' izao tontolo izao.

Ny fiangonana adventista samihafa

Misampana ho fiangonana maro ny adventisma nefa ny ankamaroany dia fiangonana madinika. Ny tena goavana amin' ireo fiangonana adventista ireo dia ny Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito izay tsy niala tamin' ny rafi-pampianaram-pinoan' i William Miller raha ny amin' ny fomba fivoasana ny Baiboly sy ny amin' ny fototry ny eskatôlôjiany.

Tamin' ny taona 2010 dia niisa 22 000 000 ny mpino adventista maneran-tany. Ny Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito manteran-tany dia mahatratra 19 000 000 tamin' ny 2015 .

Na dia tokana ny fototra nipoiran' ireo fiangonana adventista maro dia misy fahasamihafany ihany ny teôlôjiany:

  • na torimaso tsy misy fahatsiarovan-tena na tsy fahatsiarovan-tena fotsiny amin' izao ny fahafatesana;
  • na fandringanana na fijaliana mandrakizay no sazy farany hahazo ny ratsy fanahy;
  • tsy mitovy hevitra koa izy ireo ny amin' ny hitsangan' ny ratsy fanahy aorian' ny arivo taona (millenium);
  • na ho any an-danitra na ho ety an-tany ilay fitoerana masina voalaza ao amin' ny Bokin' i Daniela (Dan. 8.14).

Ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito

Ny mpanorina azy: i Ellen G. White

I Joseph Bates sy i James White ary i Ellen Gould White no azo lazaina fa mpanorina ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito nefa ity farany no nahavita be indrindra amin' izy ireo.

I Ellen Gould Harmon dia nanambady ilay mpitoriteny atao hoe James White. Resy lahatry ny toritenin' i William Miller anefa izy taty aoriana ka nisaraka tamin' ny fiangonana metôdista. Taorian' ilay "fahadisoam-panatenana" tamin' ny taona 1844 izay nambaran' i William Miller fa hiavian' i Kristy, dia hitan' i Ellen G. White ny hevitr' io daty io, dia ny fanadiovan' Andriamanitra ny fitoerana masina ao an-danitra sy ny fanombohan' ny fitsarana ny olona efa maty.

Tamin' ny taona 1849 dia nanambara i Ellen G. White fa tsindrimandry avy amin' Andriamanitra tokoa ny tsidrimandry azony sady mifanaraka tanteraka amin' ny Soratra Masina. Ny fikambanana notarihiny dia nanisy fandaminana anatiny tamin' ny taona 1860 ka namorona ny anarana hoe Seventh-day Adventist Church (ara-bakiteny: "Fiangona Adventistan' ny Andro Fahafito") tamin' ny taona 1861, izay adika amin' ny teny malagasy hoe Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito.

I Ellen G. White dia nanatanjaka ny fikambanana amin' ireo asasoratra nataony tao amin' ny bokiny mitondra ny lohateny hoe The Conflict of Ages (1888-1891) izay nadika amin' ny teny frantsay hoe La Tragédie des siècles tamin' ny taona 1911. Noho ireo tsindrimandry azony sy noho ny asa nilofosany dia nanome tosika nanova zavatra be teo amin' ny fikambanan' ny Adventista Mitandrina ny Adro Fahafito i Ellen Gould White.

Fanarahana ny fampianaran' i Ellen G. White

Ny Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito dia manao ireo zavatra nosoratan' i White ho fivoasana ekena momba ny Baiboly. Izay ho anisan' izy ireo dia tsy maintsy miaiky fa misy ny fanahin' ny faminaniana ao amin' i White.

Sahalahala amin' ny an' ireo Batista mpitana ny mahazatra ny fombany, dia ny batisan' ny olon-dehibe miaraka amin' ny fiekem-pinoana rehefa avy nibebaka na niova finoana, ny finoana ny Trinite, ny fiteraham-birijiny an' i Jesoa Kristy, ny fahalavoan' ny olombelona, ny  famonjena sns.

Ny mampiavaka azy dia ireto: fanajana ny andro fialan-tsasatra sady andron' ny Tompo (Sabata) amin' ny Asabotsy fa tsy amin' ny Alahady, fandoavana ny ampahafolon-karena ankoatry ny fanomezana ho an' ny asa famitana iraka (misiôna); ny maty izay tsy mahatsiaro na inona na inona dia miandry ny fitsanganana farany amin' ny maty, ka ny olona tsara hahazo ny tsy fahafatesana ka hiaina eto amin' ity tany ity izay ho lasa paradisa, fa ny olona ratsy kosa haringana; izany dia hitranga aorian' ny fiavian' ny Kristy indray sy ny arivo taona (millennium) izay hiakaran' ireo olona voafidy any an-danitra miaraka amin' i Kristy. Ny fiavian' i Jesoa Krsty fanindroany miaraka amin' ny Andro fitsarana dia aoriny amin' ny fanambaràn' ny anjely telo ao amin' ny Bokin' ny Apôkalipsy (Apô. 14.6-13).

I George R. Knight, ao amin' ny asasorany atao hoe En quête d'identité dia mamintina ny fampianaram-pinoana iavahan' ny Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito tany am-boalohany, dia izao:

  • ny fiverenan' i Jesoa Kristy ho hitan' ny mason' ny olona rehetra alohan' ilay arivo taona (milenioma);
  • ny asa fanompoana indroa miantoana ataon' i Kristy ao amin' ny fitoerana masina any an-danitra;
  • ny faharetana mandrakizain' ny Sabatan' ny Andro Fahafito;
  • ny amin' ny tsy fahafatesan' ny fanahin' olombelona izay tsy momba ny maha olona ny olona fa fanomezan' i Kristy ho antsika.

Ny Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito dia tsy mihinan-kena, tsy misotro toaka, tsy manisoka paraky sy tsy mifoka sigara, tsy mifoka na mihinana zava-mahadomelina sns. ary manao fiainana araka ny voajanahary. Ny Adventista dia mpandala ny fampiroboroboana ny fahombiazan' ny fahasalamam-bahoaka.

Ny isan' ny mpikambana

Nisy mpikambana 19 500 000 vita batisa (ankoatry ny ankizy) ny Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito eran-tany tamin' ny Jona 2016.

Ireo niala amin' ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito

Ny Seventh Day Adventist Reform Movement

Ny Seventh Day Adventist Reform Movement ("Hetsika Fanavaozana ny Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito") dia fikambanan' ny mpivavaka vitsy tsy fantatra isa izay niendaka tamin' ny Seventh-Day Adventist noho ny tsy fankatoavany ny fanompoana miaramila atao amin' ny andro Sabata nandritra ny Ady Lehibe Voalohany.

Ny Davidian Seventh-day Adventist Association

Ny Davidian Seventh-Day Adventist Association ("Fikambanan' ny Adventista Davidiana Mitandrina ny Andro Fahafito") dia vondrona mpivavaka vitsy tsy fantatra isa izay niala tamin' ny Seventh Day Adventist Church. Natao hoe Shepherd's Rod ("Tehin' ny Mpiandry Ondry") izy ireo tany am-boalohany ka indraindray dia mbola antsoina amin' izany anarana izany ihany mandraka ankehitriny. Izany anarany izany dia nalainy avy ao amin' ny boky momba ny fampianaran' ny Baiboly nosoratan' ny mpanorina azy dia i Victor Houteff tamin' ny taona 1929.

Ny Branch Davidians

Ny Branch Davidians ("Sampan' ny Davidiana") dia vakiny avy amin' ireo Davidiana voalaza etsy ambony. Niala tamin' ny fampianaran' ny Davidiana izy ireo ka nivondrona manodidina an' i David Koresh (ka natao hoe Koreshians). Maro amin' izy ireo ny maty tamin' ny fahirano tamin' ny volana Avrily 1993.

Ny Creation Seventh-Day Adventist

Ny Creation Seventh-Day Adventist ("Adventista Mitandrina ny Andro Fahafiton' ny Famoronana") dia niantomboka tamin' ny fivondronan' ny mpivavaka niala tamin' ny Seventh-Day Adventist Church tamin' ny taona 1988 sady nanangana ny fiangonany tamin' ny taona 1991. Mandà ny Trinite sy ny fisarahan' ny fiangonana sy ny fanjakana izy.

Ny Fiangonana Kristadelfiana

Ny Fiangonana Kristadelfiana na Fiangonana Kristadelfa (anglisy: Christadelphians) dia naorin' i John Thomas tamin' ny taona 1844 sady misy mpivavaka miisa 25 000 eo ho eo sady manana trano fiangonana (ecclesia) miisa 170 tamin' ny taona 2000 ao Amerika. Tsy mino ny Trinite sy ny tsy fahafatesan' ny fanahin' olombelona izy.

Ny Advent Christian Church

Ny Advent Christian Church

Ny Advent Christian Church ("Fiagonana Kristiana Adventista") izay natao tamin' ny voalohany hoe Advent Christian Association ("Fikambanan' ny Kristiana Adventista") sy Advent Christian Conference ("Kônferansan' ny Kristiana Adventista") dia niorina tamin' ny taona 1860 tao Salem any Massachusetts any Etazonia. Fiangonana kristiana adventista voalohany niorina tamin' ny fampianaran' i William Miller izy.

Mampianatra ny atao hoe "tsy feteza-maty misy fepetra" izy izay notorin' i Charles F. Hudson sy i George Storrs mpanorina ny Advent Christian Association tamin' ny taona 1860. Izany dia midika fa tsy mahatsiaro tena ny maty rehetra mandra-pahatongan' ny fitsanganana amin' ny maty amin' ny fiavian' i Kristy aorian' ny arivo taona (millennium). Manao batisa amin' ny alalan' ny fanasitrihana anaty rano sy fanasan-tongotra koa izy. Tamin' ny taona 1964 dia nikambana taminy ilay atao hoe The Life and Advent Union ("Ny Fiombonan' ny Fiainana sy ny Advento"). Niorina tamin' ny taona 1848 ny Advent Christian Church.

Ny Primitive Advent Christian Church

Ny Primitive Advent Christian Church ("Fiangonana Kristianan' ny Advento Voalohany") dia vondrona kely izay tafasaraka tamin' ny Advent Christian Church. Miavaka amin' ilay fiangonana nisarahany izy, indrindra fa momba ireto zavatra roa manaraka ireto: ny mpikambana ao aminy dia manao ny fifanasana tongotra ao am-piangonana, ary ny mpikambana potraka tao aminy ka miverina ao indray dia tsy maintsy atao batisa na dia efa vita batisa tao taloha aza.

Ireo mitondra ny anarana hoe Church of God

Maro ireo fiangonana mitondra ny anarana hoe "Church of God" ("Fiangonan' Andriamanitra") manam-piaviana adventista.

Ny Church of God (Seventh Day)

Ny Church of God (Seventh-Day) ("Fiangonan' Andriamanitra - Mitandrina ny Andro Fahafito") dia niorina tamin' ny taona 1863 ary nanana mpikambana 11 000 sy trano fiangonana 185 tamin' ny taona 1999 ao Amerika. Ireo mpanorina azy dia nisaraka tamin' ireo Adventista niaraka tamin' i Ellen G. White tamin' ny taona 1858. Ireo Adventista sisa tamin' izay no lasa Seventh-Day Adventists tamin' ny taona 1863. Ny Church of God (Seventh Day) dia nivaky roa tamin' ny taona 1933 ka ny iray nanana ny foibeny tao Salem any West Virginia sady nitondra ny anarana hoe Church of God (Seventh day) - Salem Conference, fa ny faharoa kosa tao Denver any Colorado sady fantatra amin' ny anarana hoe General Conference of the Church of God (Seventh-Day). Ny Worldwide Church of God ("Fiangonan' Andriamanitra Maneran-Tany") dia niendaka avy amin' io.

Ny Church of God and Saints of Christ

Ny Church of God and Saints of Christ ("Fiangonan' Andriamanitra sy ny Olomasin' i Kristy") dia niorina tamin' ny taona 1896 sady misy mpivavaka eo amin' ny 40 000 eo sy fiangonana (kôngregasiôna) 200 manerana an' i Amerika.

Ny Church of God General Conference

Niorina tamin' ny taona 1921 ny Church of God General Conference sady misy mpivavaka 7 634 ary trano fiangonana 162 tamin' ny 2004 any Amerika. Fantatra koa amin' ny anarana hoe Church of God of the Abrahamic Faith ("Fiangonan' Andriamanitry ny Finoana Abrahamika"). Fitambaram-bondrona madinika miray finoana ny Church of God of the Abrahamic Faith. Ny sasany efa niorina tamin' ny taona 1800. Ny hafa kosa efa nitambatra hatramin' ny taona 1888 ka nitondra ny anarana hoe Fiangonan' Andriamanitra ao amin' i Jesoa Kristy, nefa tsy tena tratra izany firaisana izany raha tsy tamin' ny taona 1921. Ireo mpino dia manao fivoasana ara-bakiteny ny soratry ny Baiboly ny amin' ny Fanjakan' Andriamanitra. Izao ny foto-pinoany: hiverina indray alohan' ny arivo taona (millennium) i Kristy araka ny Apôkalipsy (Apô. 20.1-6). Matory fotsiny ihany ny maty ary hitsangan-ko velona ny olo-marina amin' ny fiavian' i Kristy. Manao batisa asitrika anaty rano izy ireo.

Ny United Seventh-Day Brethren

Ny United Seventh-Day Brethren ("Mpirahalahy Mitandrina ny Andro Fahafito Miray") dia fiangona adventista madinika sabatariana (mitandina ny Sabatan' ny Andro Fahafito). Tamin' ny taona 1947 dia nisy fiangonana mahaleo tena maro (anisan' izany ny atao hoe Church of God Adventist) izay nikambana ka namorona ny United Seventh-Day Brethren, izay nikatsaka ny hitomboan' ny isan' ireo mpivavaka ao aminy sy hanambatra ny herin' izy ireo amin' ny fitoriana ny filazantsara sy fanontana lahatsoratra sns.

Ireo vondrona madinika hafa

Ny True and Free Adventists

Ny True and Free Adventists ("Adventista Marina sy Afaka") dia sampan' ny adventisma any amin' ny Firaisana Sôvietika taloha.

Ny Charismatic Adventism

Nisy fiangonana maromaro izay manana fomba fivavahana karismatika (manindrahindra ny fanomezam-pahasoavana) na pentekôtista (manandratra avo ny Fanahy Masina) izay naharay tamin' ny fampianarana adventista na niala avy aminy. Izany no atao amin' ny ankapobeny hoe Adventisma karismatika (Charismatic Adventism).

Ny United Sabbath-Day Adventist Church

Ny United Sabbath-Day Adventist Church ("Fiangonana Adventista Miray Mitandrina ny Andro Sabata"), izay ao amin' ireo Mainty hoditra any Amerika niala tamin' ny Seventh-Day Adventist Church ao amin' ny tananan' i New York.

Ny Celestia

Ny Celestia, dia tanànan' ny Kristiana miombom-piainana ao akaikin' i Laporte ao amin' ny Cpinty-n' i Sullivan any Pensylvania, izay naorin' ilay milerita atao hoe Peter E. Armstrong. Rava tamin' ny fiafaran' ny taonjato faha-19 izy io.

Tabilao famintinana

Fiangonana Niorenany Nipoirany Mpanorina Mpikambana
Kristadefiana 1844 John Thomas 60 000
Fiangonan' Andriamanitra (Oregon, Illinois) 1850 Milerisma 5 690
Kônferansa ara-pilazantsara amerikana 1858 Milerisma Joshua Himes, Josiah Litch Tsy misy intsony
Fiangonan' Andriamanitra (Andro Fahafito) 1858 Gilbert Cranmer 300 000
Fiangonan' ny Adventista Kristiana 1860 Milerisma Jonathan Cummings 25 000
Fiangonana Kristianan' ny Advento Voalohany 1860 Milerisma Charles Hudson, George Storrs 427
Fiangonana Adventista mitandrina ny Andro Fahafito 1844 Milerisma Joseph Bates, James White, Ellen White 19 126 447 tapitrisa (31 Desambra 2015)
Firaisan' ny Fiaviana sy ny Fiainana 1863 Milerisma Tsy misy intsony
Adventistan' ny Andro ho Avy 1885 Milerisma Tsy misy intsony
Fiangonan' Andriamanitry ny Finoana Abrahamika 1921 7 630
Adventista mitandrina ny Andro Fahafito, Hetsika fanavaozana 1925 Adventisma mitandrina ny Andro Fahafito Johann Wick 35 000
Adventista Davidianan' ny Andro Fahafito 1929 Adventisma mitandrina ny Andro Fahafito Victor Houteff
Fiangonan' Andriamanitra Maneran-Tany 1933 Herbert Armstrong 63 000
Mpirahalahy Miombona ao amin' ny Andro Fahafito 1947
Sampan' ny Davidiana 1955 Adventista davidiana Ben et Lois Roden

Ny fikambanana manam-pifandraisana ara-teôlôjia amin' ny adventisma

Ny Mpianatra ny Baiboly

Ny fikambananan' ny Mpianatra ny Baiboly (anglisy: Bible Students, izay niova ho Watch Tower Bible and Tract Society taty aoriana) naorin' i Charles Taze Russell dia nivoatra avy tamin' ny Fikambanana Milerita (notarihin' i William Miller) sady nifandray akaiky aminy no nitoky tamin' ny finoana adventista, anisan' izy ireo i George Storrs sy i Joseph Seiss. Ny vondrona samihafa amin' ireo Bible Students ireo dia efa nahangona mpikambana saika mahatratra 20 000 maneran-tany.

Ny Vavolombelon' i Jehovah

Na dia tsy mihevitra ny tenany ho anisan' ny hetsika adventista milerita aza ny Vavolombelon' i Jehovah (Watch Tower Bible and Tract Society teo aloha) sy ny Bible Students, ny teôlôjiana sasany dia manasokajy azy ireo ho Adventista milerita noho ny fampianarany ny amin' ny fiavian' i Kristy fanindroany sy ny fampiasany daty voatondro mazava ivoasany ireo daty ara-paminaniana ao amin' ny Baiboly. Tamin' ny volana Janoary 2014 dia niisa 8 000 000 ny Vavolombelon' i Jehovah maneran-tany.

Jereo koa

Loharano:

Tags:

Adventisma Fiforona-teny sy fampiasana ilay tenyAdventisma Tantaran ny adventismaAdventisma Ny foto-pampianaranyAdventisma Ny fiangonana adventista samihafaAdventisma Ny fikambanana manam-pifandraisana ara-teôlôjia amin ny adventismaAdventisma Jereo koaAdventisma Loharano:AdventismaAndro faranyEtazoniaFiangonana Adventista Mitandrina ny Andro FahafitoFiavian' i Kristy fanindroanyFifohazam-panahy lehibe faharoaMilenarismaPrôtestantisma

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Ady Lehibe FaharoaVano1939Helodranon' AmpasindavaFandraisanaFath al-BariTena Fiangonan' i JesoaHuai'anAntarktikaLivronTrombaPedro II an'i BrazilaArsène WengerMasindahy NikôlaFiangonana Jesosy MamonjyBielôrosiaFoko eto MadagasikaraFahavaratraSektaMcMechen, West VirginiaNefilimaRambondanitraAppleNGC 2608530ISO 4217Malỳ2022Tetiandro hebreoAmerikaVondrona EorôpeanaPôlitika eto MadagasikaraMuslim ibn al-HajjajMônakôWoodie FlowersWayback MachineInternet ExplorerBob Hope5 DesambraKainaLisitry ny zavatra madinidinika 65001-66000Fandriam-pahalemanaFiteny zoloTetiandro gregôrianaX-SAMPATongstenaEskatôlôjiaXi'anPaska jiosyTorontoFady (malagasy)FampianaranaÉcoivresBarrieRaki-pahalalana24 Martsa89426 MartsaNy Soratra Masina - Fandikan-Tenin' ny Tontolo VaovaoHugo ChávezBagdad2009Faritra eto MadagasikaraSouclinViraty2001Fiangonana Protestanta Vaovao eto MadagasikaraFrancis DrakeMarshall Lefferts1797AbaréSahih MuslimFiraisan' ny Repoblika Sôsialista SôvietikaLakandranon' i Suez🡆 More