I Tovo J'Hay dia mpanankanto malagasy fantatra amin ny maha mpamorona, sy mpiangaly ny hiran' ny fo (Soul) araka ny maha hiran' ny fo azy izay dia ny fo avy hatrany no voadona rehefa hiantefan' ilay mozika.
Manana fomba fihira tsy dia faheno sy fahita loatra teto Madagasikara indrindra eo amin' ilay angola sy fihetsem-po rehefa mihira, ka somary vaovao tamin' ny sofina teny am-piandohana. Misy ny tonga dia mankafy avy hatrany, arakaraky ny fahatakaran' ny tsirairay ny mozika anefa, na dia hita ihany aza hoe miezaka ny tovolahy hanatsotra ny hira ataony mba ho voarain' ny be sy ny maro. Mpanakanto iray nametraka, sy tsy maty intsony ao am-pon' ny Malagasy maro i Tovo J'Hay taty aoriana rehefa tafapaka tsara tany amin' ny mpakafy azy. Nanova ny fomba fijery ny rivotry ny mozika tamin' ny fotoan' andro ho an' ny rivotra hafa indray, tamin' ny taona 2000 tany ho any. Voasokajy ao anatin' ny mpihira mpanao hira madinika na variété izy, kanefa voasingana noho izy manana ny mampiavaka azy eo amin' ny aingam-panahy na feeling. Mpanakanto feno, ary miaina hotran' ny olona rehetra, manao ny fanaon' ny olona rehetra, manam-bady sy manan-janaka, ary manana asa fanaony andavan' andro.
Ny anarany feno dia Ratovondrahona Herinirina, teraka ny 05 Janoary 1974 tao Antananarivo. I Tovo J'Hay dia teraka tao anatin' ny fianakaviana tia mozika, na dia dokotera aza ny rainy dia mahagaga fa mpanao mozika avy ny ralahiny sy ny anabaviny, enina mianadahy, ary samy mitendry mozika avokoa. Fony fahakeliny teo amin' ny faha sivy taonany teo no nanomboka nianatra ny pianô i Tovo J'Hay, ary nitohy hatrany amin' ny fianarana aponga maro anaka (batterie) izany teo amin' ny fahafolo taonany. Ny nahitany an' i Gilbert Montagné, Stevie Wonder, Ray Charles, Elton Jhon no nanosika ny faniriany ho lasa mpihira sady mitendry ny pianô, Vao iraika ambin' ny folo taona izy tamin' izany dia efa niaraka tamin' ny rahalahiny (Ratovondrahona Minonirina) nanao fampisehoana voalohany tao amin' ny CGM, izay mbola ny hiran' i Gilbert Montagné sy Richard Claiderman no nindraminy nataony tamin' izany. Ary tsy nijanona teo fa nanao fampisehona nitety ny colleges tao Antananarivo amin' ny alalan' ny fifaninanana isan-karazany.
Teo amin ny faha 13 taonany i Tovo J'Hay no nanomboka nanoratra sy namoron-hira, "Mahatsiaro "no hira voalohany anisany noforoniny tamin' izany. Tamin' izy vao 14 taona no nitsiry ny hevitra fa hamorona tarika i Tovo J'Hay, zareo mpinamana tany an-tsekoly no nikaon-doha ka teraka teo araka izany ny tarika iray antsoina hoe MAXI. Nisy an' i Christophe Ramambazafy, Mbolatiana, lohateny anankiray hoe "Friendship" no hira tena nahafatarana ny tarika tamin' izany. Rehefa nahazo ny loka voalohany tamin' ny fifaninanan-kira tany Antsirabe ny tarika dia nitety faritra maro teto Antananarivo.
Telo taona teo ny faharetan'ny ny tarika MAXI dia nisy ny fisarahana, nanohy ny lalany ihany anefa i Tovo J'Hay tamin' ny faha 17 taonany ary niditra tamin' ny tarika iray mpanao Rock hoe "APY" ary nipetraka ho mpitendry ny synthétiseur fotsiny ihany, izay nampitombo ny traikefa teo amin' ny fitendrena, indrindra ny karazana gadona Rock. Teo amin' ny faha 18 taonany izy no namorona indray tarika iray izay mpanao a capela fotsiny nantsoina hoe 'The Jays" izay tsy naharitra fa amam-bolana fotsiny dia rava ihany koa. Ka teo no niainga ny anarana hoe Tovo Jay izay marihana fa mbola tsy misy litera haitso "H". Namoaka singa "single" mitondra ny lohateny hoe "Niandry" izay nandeha tamin' ny anarany manokana izy avy eo. Nisy ihany koa ny firaha-miasa tamin' i Solofo Ranarivelo taty aoriana ka namoaka singa hafa toy ny "Naleoko izy ho any", ny "Ho ahy sy ho anao" izay duo niarahana tamin' i Lova Rakoto izay nandeha tamin' ny onjam-peo maro isan-karazany teto an-drenivohitra. Nanomboka teo dia nihamaro ny nahafantatra azy tamin' izany satria nahazo laharana avo teo amin' ny Hit parade, tamin' ny Radio Tsiokavao, Corail, sy Antsiva, RFV.
Teo amin' ny faha 20 taonany no niaka-tsehatra ka nanao seho voalohany tao amin' ny ABAKABAKA amin' ny anarany irery i Tovo Jay izay tsy nampoizina fa namaly ny antso ny olona maro ary nanomboka teo no nahitany fa niforona ny vondron' olona mpakafy azy.
Telo taona no namitany ny fianarany teny amin' ny oniversite, taorian' izay ka niverina nandray ny mozikany indray ny tovolahy tamin' ny faha 23 taonany. Teo no nifankahitany sy i Aro zanak' i Bessa izay niara-niasa taminy akaiky ka namoaka singa iray avy hatrany. Lohateny iray tsy maty ambavan' ny mpakafy mandraka ankehitriny dia ny "Mbola hafa" izay namaritra ny lalan-kombany sy ny gadona ho voiziny nanomboka teo. Nisy araka izany ny fampahalalana, heno tetsy sy teroa teny amin' ny haino aman-jery samihafa amin' ny alalan' ny interview sy gazety, nisy araka izany ny fisehoana kely madinidinika tetsy sy teroa, ka anisan' ny voamarika tamin' izany, ohatra, ny fandraisany anjara tamin' ny fitokanana ny haino aman-jery iray OTV izay nahatonga ny trano mpamokatra na producteurs maro niantso sy nitady fiaraha-miasa taminy, ka safidy manokana tamin' ireo mpamokatra ny fiaraha-miasa tamin' ny Do SOL
Efa maro be tsy ho voatanisa ny seho na fampisehona efa vitan' i Tovo J'Hay nandritra ny taona maro, na ny teto an-toerana na ny tany ivelany, sombiny vitsivitsy amin' ireo dingana efa vita mety nanamarika ny lalana.
Fivoahan'ny Raki-kira "Antsika roa irery"
The Best of Tovo J'hay en Live (2020)
(Mada Prod/Sm Prod. Super Music Prod)
Efa hita tao anatin' ny filalaovana horonan-tsary ihany koa i Tovo J'Hay. "Boky Mainty" niarahana tamin' ny Avoko Production tamin' ny taona 2002: film mampatahotra (Horreur) raha fintinina, Rôle principal no endrika nisehoany. "Fiainan'izany", horonan-tsary faharoa nahitana azy, izay niarahana tamin' i Light Production.
Betsaka ireo artistes efa niara-niasa na niara-nilalao tamin' i Tovo J'Hay tao anatin' ny mozika
Maro be ihany koa ireo mpitendry (musiciens) mety tsy ho voatanisa eto daholo fa hialan-tsiny, izay niaraka namindra tamin' i Tovo J'Hay teny an-dalana teny: anisan' izany:
Manambady ara-dalana ary mana-janaka telo izy. Tamin' ny taona 2000 i Tovo J'Hay sy i Valerie no natao ara-dalana ny fanambadiana na dia efa niaraka nandritra ny fito taona talohan' izay aza ry zareo, ary nomeny anarana hoe Jhemy sy Miangoty ary Keyo ny zanaky ry zareo.
Tonony sy feony: Tovo J'Hay, anisan' ireo hira nosoratan' i Tovo voalohany niaraka tamin' ny "Naleoko izy ho any", sy "Ho ahy sy ho anao", duo miaraka amin' i Lova Rakoto, Nanomboka teo no niainga ny famoronana, tsotra ny tonony, tsotra ny mozika, sary iray tsy hadino ho an' izay nahita azy teny am-boalohany, somary lavalava volo nitendry pianô raha nahatadidy tamin' izany isika.
Hira iray mora hiraina, mora tononina, gadona tsy dia faheno loatra, lasa lohatenin-draki-kira voalohany navoaka ny taona 2001 tao amin' ny Do Sol mihintsy aza.
Tonony sy feony: Aro, nifanojo ny tadi-dokanga satria dia i Tovo J'Hay no nametrahan'i Aaro ny fitokisana fa afaka ny hamoaka ny hira izay noforoniny izay tiany indrindra tamin' izany andro izany. Anisan' ireo hira nametraka an' i Tovo J'Hay kosa nefa ny "Mbola hafa" ho amin' ny toerana tsaratsara kokoa.
Gadona: latino dance, Hira iray manaporofo fa afaka milalao gadona hafa i Tovo J'Hay fa tsy voafehy na voafaritry ny taranja iray fotsiny.
Hira nosoratan' i Ny Eja ny tonony, mozika feno fanahy, hira manome fanantenana ho an' ireo mahatsapa fa mitepo fitiavana, hira tsy mety maty handalovan' ny vanim-potoana rehetra, ity hira ity no hira nampitombo haingana sy vao mainka nametraka ny lazan' i Tovo J'Hay. Concert niarahana tamin' ny tarika 'Zay tao Antsahamanitra no nanatsidika azy voalohany, tonga dia voaray avy ahatrany. Anisan' ny hiran' i Tovo J'Hay izay nijanona ela indrindra tamin' ny Hit Parade teny amin' ny ojam-peo isan-karazany.
Tsy misy tsy mahalala fa i Tovo J'Hay dia hita matetika eny amin' ny fanokafana fetim-panambadiana (na ouverture mariage). Hita soritra eny amin' ity hira ity araka ny raki-tsary izany.
Hira manamarika firaisan-kina sy fihavanana, teny am-piandohana dia niarahan' i Tovo J'Hay, Samoela, Unik, sy artiste hafa tamin' ny evenement tao Rado Televiziona Analamanga tany amin' ny taona 2003 tany ho any, izy no nanoratra ny tonony sy ny feony.
Ny akabeazan' ny hiran' i Tovo J'Hay dia hira tsy mba nasiana raki-tsary (clip) tsy mba natao dridrangilo (mattraquage) teny amin' ny haino aman-jery samihafa, indrindra ireo hira taloha nampalaza azy. toy ry "Teny Mamy", "Tsy afa mandao", "Tia Tkoa", "Vanona", "Avia fa", "Tamberina" sns. Kanefa, rehefa misy ny fampisehona dia tsy misaraka ary tsy manaiky ny olona raha tsy atao indrindra i "Lazao azy", naman' ny tsy nahita Tovo J'Hay rehefa tsy atao io hira io.
Gadona iray manana endrika Pop Rock, mora henoina, nefa azo ovaina amin' ny endrika samy hafa, manaporofo an' izany ny fampiaraham-peo nataon' i "Raboussa" sy "Isa roa Telo" niarahany tamin' ny Tovo J'Hay tamin' ny fandaharana iray tao amin' ny RTA, endrika hafa vaovao no nitondran-dry zareo azy kanefa tsy nampoizina ny fivoakan' ilay hira.
Fampiaraham-peo amin' i Bodo, Nanie, Poopy, Malala, Lalie, Che Bel Canto. Hira tsotra mora hiraina, hira matetika hita eny amin' ny Karaoke fanaon' ny olona, toy izay koa i "Babo" duo miaraka amin' i Aina.
Hira nanamarina ary koa vao maika nanamafy ny lazany aorian' ny "Teny mamy" fa mbola mahay mamorona ary lary tsy lany aingam-panahy i Tovo J'Hay. Hita soritra amin' ity hira ity amin' ny alalan' ny angolany izany. Miampita haingana ilay fihetseham-po rehefa mihaino azy.
Tia ny tanindrazany i Tovo J'Hay. Rehefa nanontaniana izy na koa heno amin' ny interview izay nataony isan-karazany dia tany ivelan' i Madagasikara no namoronany azy. Hita soritra ihany izany rehefa mihaino ny tonony. Hafa ihany hoy izy ny tany niaviana.
Gadona hafa fitepo, gadona tsy dia faheno loatra ihany koa, gadona iray mety nahatonga ny olona hilaza angamba fa mpiangaly ny gadona Rn'B i Tovo J'Hay. Tsy dia misy ifandraisany loatra anefa fa aingam-panahy miala amin' ny andavan' andro fotsiny ihany. Hira anisan' ny ela indrindra ny namoronany azy satria dia nipetraka ho amam-bolana maro mihintsy vao vita ilay hira.
Ity hira ity indray dia hira mifanohitra amin' ilay tetsy ambony. Fotoana vitsy fotsiny, mba tsy hilazana hoe tsy misy ora iray akory, no nahavitan' ny "Efa Jamba", araka ny filazany. Ny tonony sy ny feony io. Nefa tsy dia tsapa loatra izay raha mihaino an' ilay hira, satria voarindra tsara ny rehetra
Slow, Ballade, sy izay fomba ilazana azy, fa ny manamarika azy dia ny firaiketany ilay mozika avy hatrany no miditra lalina any anaty fo rehefa mihaino azy. Anisany ny hira tiany amin' ireo hira noforoniny ny mihira ny "Hatreto ihany".
Tonony: Ny Eja angolam-pivavahana. Ny tiana ho marihina fotsiny eto dia i Tovo J'Hay dia olona mivavaka ary mahatsiaro fa misy ny fahasamihafana eo amin' ny fiainana andavanandro, ka ny fifanomezan-tanana sy ny fifankatiavana noho izay fahasamihafana izay no tiana tsindriana amin' ilay hira.
Rehefa mitia ny olona iray dia mila mahalala sy mahafantatra fa tokana ny fitiavana fa tsy zaraina, indrindra fa eo amin' izay anjara nomen' Andriamanitra ary tsindriany tsara izay. Hira iray nosoratany ka natolony ny vadiny ny "Tsy misy toa anao". Hay ve ka manoratra hira mba niainany koa i Tovo J'Hay e?
Voafehy ao anatin' ity hira iray nosoratan' i Ny Eja ity ny fitiavana rehetra. Na fitian-janaka izany, na ftiavana eo amin' ny mpifankatia izany, na koa zanaka sy Ray amn-dreny, eny fa na dia fitiavana avy amin' ny Nahary aza.
Trangam-piainana misy eo amin' ny maha olombelona no tantarain' i Ny Eja. Fiainan' ny namana iray akaikin' i Tovo J'Hay no nontantaraina ao anatin' ilay hira.
Hafa kely raha ity hira ity no resahina, Sofiny samy hafa ary miavaka tsara ny mandray azy. Ny mahagaga dia somary ny mpakafy Tovo J'Hay any anstisin-tany "province" no tena mandray sy be mankafy azy tanteraka. Ny tao Antananarivo indray aza no somary nanilika ny "Romotra Fitia" raha ny fahitana azy. Raha nanontaniana i Tovo J'Hay dia tsotra ny namaliany azy: "Hira ho an' ny Malagasy". Na dia niezaka ihany aza nametraka sonia i Tovo J'Hay tao anatin' ilay hira dia betsaka no nilaza fa niova famindra i Tovo J'Hay, ka nanjary nametra-panontaniana ny mpakafy azy tao ampivoan-tany.
"Antsika roa irery" ny raki-kira misy azy. Hira hakana ambiance ozy ny fiteny. Na dia vao manomboka aza ny seho dia misy foana ny mikikiaka hoe "O zoma" atao. Asa re no mahatonga an' izay?
Hita soritra amin' ity hira ity fa miditra lalina ary miha matotra kokoa hatrany ny fomba fanoratra, safidy ilay izy, hoy izy. Hany ka na somary ela aza ny fandraisana azy am-boalohany, dia mateza ary miraikitra tsy miala ao anaty rehefa tafiditra. Tonony sy feony: Tovo J'Hay
Aingam-panahy nifanena tao anatin' ny mpakafy sy Tovo J'Hay, Hira niainany amin' ny zavatra hita isan' andro no tantarainy ao anatiny. Hira tao anatin' ny Raki-kira farany navoakany.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Tovo J'Hay, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.