Subjonctif Passé

Ny subjonctif passé dia filazam-potoana ao amin' ny filaza ifampiankinana (mode subjonctif) ao amin' ny fitsipiteny frantsay izay iresahana indrindra zavatra heverina fa tokony efa vita sady miankina amin' ny finiavana na fanerena, zavatra tsy azo antoka na an' eritreritra fotsiny fa tsy tena misy, manandrify ny fotoana lasa akaiky ny ankehitriny sy ny hoavy ihany koa, nefa azo ampiasaina hiresahana ny lasa (indrindra amin' ny endriky ny fiteny frantsay fampiasa andavanandro ankehitriny).

Amin' ny fitenenana frantsay ankehitriny dia lasa misolo subjonctif plus-que-parfait ny subjonctif passé (toy ny subjonctif présent izay misolo ny subjonctif imparfait) ka tsy mahalaza fotoana intsony fa manamarika ny fanehoan-javatra efa (mifanohitra amin' ny subjonctif présent izay manamarika ny fanehoan-javatra tsy efa).

Ny pejy "Subjonctif (ao amin' ny teny frantsay)" no maneho ny hevitra tiana hambara sy ny antony isafidianana ny subjonctif fa tsy filaza (mode) hafa. Ferana amin' ny antony isafidianana ny subjonctif passé fa tsy ny filazam-potoana hafan' ny subjonctif ny resaka atao eto.

Fotoana sy fanehoan-javatra ao amin' ny subjonctif passé

Raha misy fandrindrana filazam-potoana

Raha misy ny fandrindrana ny filazam-potoana, ireo izay mahakasika ny ankehitriny sy ny hoavy ao amin' ny fehezankevitra iankinana dia mitaky ny fampiasana ny subjonctif passé na ny subjonctif présent (arakaraka ny fanehoan-javatra: efa na tsy efa). Indreto ny filazam-potoana mahakasika ny ankehitriny sy ny hoavy: présent de l'indicatif, passé composé (izay mahakasika ny lasa ihany koa), futur simple, futur antérieur.

Ohatra:

  • Je ne sache point qu'il ait volé.
  • Il n'est pas venu, soit qu'il n'ait pas trouvé le temps de venir, soit qu'il ait eu d'autres occupations.
  • Il est indemne, encore qu'il ait eu très grave accident de voiture.
  • Il est important qu'elle ait parlé.
  • Que le livre t'ait plu ne me surprend pas.

Raha tsy misy fandrindrana filazam-potoana

Raha tsy misy ny fandrindrana filazam-potoana, ny filazam-potoana mahakasika ny lasa ao amin' ny fehezankevitra iankinana dia tsy mitaky fampiasana filazam-potoana hafa afa-tsy ny subjonctif présent (tsy efa) na ny subjonctif passé (efa), raha ny subjonctif imparfait sy ny subjonctif plus-que-parfait no tokony hampiasaina. Izany no fanaon' ny ankaparoan' ny mpiteny frantsay andavanandro ankehitriny izay tsy marisika amin' ny fampiasana ny subjonctif imparfait sy ny subjonctif plus-que-parfait. Indreto ny filazam-potoana mahakasika ny lasa: imparfait de l'indicatif, passé simple, plus-que-parfait de l'indicatif. Amin' ny ankapobeny dia alahatra ao amin' ny filazam-potoana mahakasika ny ankehitriny sy ny hoavy ny conditionnel présent sy ny conditionnel passé na dia tokony hitaky fampiasana ny subjonctif imparfait sy ny subjonctif plus-que-parfait.

Ohatra:

  • Il était nécessaire que tu aies parlé.
  • Je regrettais que tu aies agi ainsi.
  • J'aurais aimé que tu l'aies fait.

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Subjonctif Passé Fotoana sy fanehoan-javatra ao amin ny subjonctif passéSubjonctif Passé Jereo koaSubjonctif Passé Loharano sy fanamarihanaSubjonctif PasséFanehoan-javatra efa sy tsy efaFilaza ifampiankinanaFilazam-potoana (fitsipiteny)Fiteny frantsayFitsipi-pitenenanaSubjonctif imparfaitSubjonctif plus-que-parfaitSubjonctif présent

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Aotrisy66San-MarînoGaliaRepoblika Demôkratikan' i KôngôFitodika mpanao19Saikanosy IberikaHovaEuroKilometatraEmpira ÔtômànaMofo atody641981871Fiteny tiorkaBetsileoBiby1934Mary CassattArdècheTolom-bahoaka tamin' ny 19471939Makoa (malagasy)F1953Filazantsara araka an' i LiokaAurora, ColoradoKabulRosiaEjipta1928MenalambaAndriamanitra (finoan-drazana malagasy)SantiagoRanomasimbe ArktikaArrigasKalandrie hindoaJodaismaLoveland, ColoradoFebroary1919Fiteny siriakaChristopher WrenBodisma teravadaHubert TardieuChristchurchU2Mosavy (finoana malagasy)1978Ambohimanga4011Fitodika sehatraABerlinPhilip MountbattenGuthrie Center, Iowa41Lansing, Michigan15 JolayFanandroana malagasySoson-drivotry ny tany19913MetalyTendrombohitra GarizimaBrexitIndiaDidy FoloIsaia (mpaminany)1938Oklahoma62🡆 More