Rafohy

Rafohy dia mpajakavavy vazimba nanjaka hatrany Alasora ao afovoan-tany eto Madagasikara mandra-pahafatiny.

Teo anelanelan' ny taona 1530 sy 1540 izany. Nandimby ny mpanjakavavy Rangita izy. Ny loharano sasany dia milaza fa reniny Rangita; ny hafa indray milaza fa rahavavy nantsangan-dRangita izy. Izany fifangaroana eo amin' ny lovantsofina izany dia mahazo koa ny mombamomba ireo vehivavy roa ireo, ka araka ny fitantarana sasany dia mety renin-dRangita Rafohy, ary Rangita dia mety reny niteraka an' Andriamanelo.

Rafohy
Fasan-dRafohy ao Alasora

Ny renin' Andriamanelo (na Rafohy io na Rangita) dia nanambady indroa: ny fanambadiany voalohany nananany zanany lahy, fa ny faharoa tamin' ny lehilahy merina atao hoe Manelobe, dia niterahany zazavavy sy ny zananilahy izay notendreny handimby azy amin' ny fahafatesany. Rehefa voatendry ny mpandova, izay tsy iza fa Andriamanelo, dia nanjary mpanjaka voalohan' Imerina ka niady tamin' ny Vazimba sady nitari-tafika nandroaka azy ireo hiala any afovoan-tany.

Araka ny fanaon' ny Vazimba dia alentika anaty rano manan-kasina ny vatan' ny maty, indraindray rehefa avy napetraka anaty vatam-paty namboarina tamin’ ny hazo noloahina. Voalaza fa tamin’ ny nahafatesan-dRafohy (toy izany koa ny an-dRangita) dia nalentika tanaty honahona ny vatam-paty nisarin-dakana nisy azy. Misy fasana izay lazaina fa fasan-dRafohy anefa ny ao Alasora.

Jereo koa

Loharano

Tags:

AlasoraAndriamaneloMadagasikaraRangitaVazimba

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

KinshasaMaritranoFiteny malayAndriamaneloKalandrie sinoaOndryFanasan' ny TompoZazavavindranoAzôtaDrônaFahaizana mamaky sy manoratraFiteny ingriana11 Aprily1901PattaniFaritra AnosyTetiandro litorjikan'ny Eglizy katôlikaFiteny kantôneyFifohazana (kristianisma malagasy)Tenim-pinoanaMosavy (finoana malagasy)JainismaLoteranismaMetodismaMpisolo tena (fitsipiteny)Fifandraisan-davitraFokom-pirenen' i BenjaminaFianakaviambem-piteny nizerô-kôngôleyFiteny malagasy1997Emperora CixiBootzheimSiméon RajaonaBrezilaFikambanana Iraisam-Pirenen' ny FrankôfôniaFanalana faditraValanaretin' ny Covid 19 eto MadagasikaraEvanjelismaBill ClintonJirofoFokom-pirenen' i LevyFilazantsara araka an' i LiokaRepoblikan' i Kôngô1188AndrianampoinimerinaMaaniany (vahoaka)Théophile SeyrigJôsia (mpanjakan' i Jodà)Foko folo veryRova ManjakamiadanaSinemaLionaFahefana Avon' ny TetezamitaLibànaVarySodànaSakramentan' ny filaharanaVazimbaFanafodyKilalaoKatesizin' ny Fiangonana KatôlikaTontolo iainanaHagaraAterinetoNizeriaBokin' i IsaiaKabary tera-baoAfrika Andrefana🡆 More