Iahvisma

Ny iahvisma dia endriky ny fivavahan' ny Israelita talohan' ny fahababoan' ny Jiosy tany Babilôna, izay mino ny fisian' i Iahveh ho andriamanitr' i Israely nefa mino ihany koa ny fisian' ny andriamanitr' ireo firenena manodidina an' i Israely sy ny an' ny firenena hafa.

Karazana henôteisma na mônôlatria izany ny iahvisma. Tsy iza i Iahveh fa ny andriamanitry ny razan' ny Hebreo izay nanafaka azy ireo tamin' ny fahandevozana sy nitondra azy ireo tany amin' ny Tany nampanantenaina.

Tantara

Ny fanafahana ny Hebreo avy amin' ny fanandevozana tany Egipta sy ny famaboany ny tany Kanaana no nanorina ny tantaran' i Israely sy ny fivavahany. Notanterahina tao amin' ny fitoerana masina tao Jerosalema ny fanompoam-pivavahana anaovana sorona, nefa nisy fitoerana masina koa naorina tany Betela any amin' ny tanin' i Dana any avaratra izay nifaninana taminy. Rehefa nisaraka ny Fanjakan' i Jodà any atsimo sy ny Fanjakan' i Samaria any avaratra dia nipoitra ireo mpaminany hetsehin' ny fanahy izay nanameloka ny fivavahana mifangaroharo sy ny fiharatsian' ny fiarahamonina. Ho setrin' izany tsy fahatokian' ny vahoaka izany dia nobaboin' ny firenena hafa, dia ny Asiriana sy ny Babilôniana, ireo fanjakana roa ireo.

Jereo koa

Tags:

Fahababoana tany BabilônaHenôteismaIahvehIsraelitaMônôlatria

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

King DiamondKolikolyUFiangonana Jesosy MamonjyFanavakavahanaVintanaMouchinSamuel RatanyCJonathan SwiftChristopher NolanBangladesyKambana (fanandroana)6Wayback Machine1970Biôgrafia1913Afrika AtsimoAndrianampoinimerinaPtôlemaiôsy VIIChristopher McQuarrieFakaGeorges Andriamanantena15641835AndriamasinavalonaEpistily ho an' ny Efesiana95Lisitry ny filohan' i MadagasikaraNadia ComăneciLos AngelesÔseania12 JanoaryRa1728Fitodika sehatraSoson-drivotry ny tanyOrel HershiserNosyDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)19 AprilyJesoaGazy karbonika7JaisalmerBetsimisarakaAdy Lehibe Faharoa1942V86Erika LustMarsa (fajiry)PrinceWiki CommonsAListe des indicatifs téléphoniques internationaux par paysRepoblika Demôkratikan' i Kôngô1911AlahamadibeMIndiaOmbyFitodika mpanaoWilliam Rowan HamiltonAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaFivavahan-drazana malagasyJapànaDa LatEspainaSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlika4🡆 More