Firaisan' Ny Skotisma Eto Madagasikara

Ny Firaisan' ny Skotisma eto Madagasikara dia firaisan' ireo fikambanana skoto telo eto Madagasikara.

Tamin' ny taona 1921 no nanombohan' ny skotisma eto Madagasikara izay teo ambany fiahian' ny fikambanana frantsay tandrify azy avy. Ny firaisana dia niorina tamin' ny taona 1959 sady mpikambana ao amin' ny World Organization of the Scout Movement ("Fikambanana iraisam-pirenen' ny fikambanana skoto") tamin' ny taona 1960. Ny Firaisan' ny Skotisma eto Madagasikara dia misy mpikambana skoto miisa 14.905 tamin' ny taona 2011.

Firaisan' Ny Skotisma Eto Madagasikara

Ireto avy ny fikambanana ao amin'io firaisana io:

  • ny Antilin' i Madagasikara (katolika ary zazalahy daholo);
  • ny Kiadin' i Madagasikara (zazalahy sy zazavavy);
  • ny Mpanazava sy Tily eto Madagasikara (zazalahy sy zazavavy, Skoto Protestanta).

Ireo roa farany ireo dia mikambana ao amin' ny Skotisma Zazavavy eto Madagasikara, izay mikambana koa ao amin' ny Association mondiale des guides et des éclaireuses (anglisy: World Association of Girl Guides and Girl Scouts).

Ireo fikambanana telo ireo dia manomana sy manabea amin' ny fiainana ambanivohitra sady manampy amin' ny fampianarana eo amin' ny fiarahamonina sady manana foibe maro misahana ny fampandrosoana eny an-drenivohitra sy any amin' ny tanan-dehibe.

Ny skoto dia mandray anjara mavitrika amin' ny fanabeazana ny eny ambanivohitra amin' ny fampianarana ny olon-dehibe hamaky teny sy hanoratra. Manampy ny olona koa izy ireo raha misy ny loza voa-janahary, manao vonjy aina, mamonjy ny mpamboly raha misy ny tondradrano ary manangona ny omby ho eny amin' ny tany avo.

Jereo koa:

Rohy ivelany

Loharano

Tags:

Skoto

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

1753FototenyOClérey-la-CôteHambyHasin-tenyFifohazana AnkaramalazaMahafalyOgandaBob Khanna1823Faritra eto MadagasikaraTeôfilôsy avy any AntiôkiaKalandrie hindoaFahaterahanaFariseoFitenim-paritra malagasyIndiaMpisolo manondroBritaina LehibeAdy an-tranoAdijadyVazimbaFoko eto MadagasikaraFirenenaRepoblika MalagasyAdaoroJesoa araka ny kristianismaFanjakan' ImerinaRSSBeuvrignySomatraSôsiôlôjiaAlakaraboBokin' ny GenesisyFrantsaVezoTwitterRahona1097AlakaosyTobilehibe ManolotronyAndriamangariraAdimizanaBokin' i IsaiaChavignonKolontsaina malagasyJerosalemaMarôkaFady (malagasy)AntandroyTiffany MynxTranoFanalan-jazaSerbiaFizakan' i Andry Rajoelina zom-pirenena frantsayKinshasaAterinetoAsorotanyAlemainaAdizaozaFanagasianaEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)SiliaDokuWikiTsirinteny sara-droaTeôfilo (ao amin' ny Testamenta Vaovao)HamasNofyJoro🡆 More