Alborz

I Alborz na Elburz dia tandavan-tendrombohitra any avaratr' i Iràna mamakivaky ny morontsiraka atsimon' ny Ranomasina Kaspiana.

Ity tandavan-tendrombohitra  ity, izay manana halava mirefy 1 000 km eo ho eo, dia fetra avaratra amin’ ny Lembalemba Iraniana. Manodidina ny 1 500 m ny salan-kaavony; ny tampony avo indrindra dia ilay afotroa matory atao hoe Damavand (na Demavend), izay mahatratra 5 610 m.

Alborz
Alborz
Alborz
Setroka mivoka avy amin' ny tendrombohitra Damavand sy solifara (miloko mavomavo)
Alborz
Sarintany maneho an' i Alborz

I Alborz dia sakana tery nefa tena misongadina eo anelanelan' ny taniefitra amin' ny lembalemba avo anatiny any atsimo sy ny lemaka lonaka maro manamorona ny Ranomasina Kaspiana any avaratra. Tsy afaka miampita ity tandavan-tendrombohitra ity ny rahona miforona eo ambonin’ io ranomasina io. Ny tanànan' i Rasht, akaikin' ny morontsirak' i Kaspiana, dia ilatsahan’ orana mihoatra ny 1 200 mm isan-taona, raha toa kosa i Teheran, izay 115 km miala ny ranomasina, izay miorina eo amin' ny tehezana atsimon' ny Alborz, dia tsy mahazo orana afa-tsy 210 mm isan-taona.

Maina be ny ilany atsimon’ ilay tandavan-tendrombohitra ary saika tsy misy zavamaniry akory, fa ny ilany avaratra kosa dia rakotra ala matevina sy zavamaniry maitso.

Tags:

AfotroaDamavand (tendrombohitra)IrànaLembalemba IranianaRanomasina KaspianaTandavan-tendrombohitra

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

JopiteraLisbonCorrentinaZavakantoJonathan SwiftFiainanaKBazaApôstôly roa ambin' ny foloRay Manzarek1959Avelo1922Skotisma Zazavavy eto Madagasikara18Taonjato37198133Bob KhannaBiôgrafiaPCaptain FlamingoMosavy (finoana malagasy)NioeLéonard de Vinci1940Gottfried Wilhelm LeibnizAterinetoBetsileoEfijery kasihina1848LoharanoRemi De PuydtKeanu ReevesBokin' i DanielaFihavanana2001Jessica Davenport51Erika LustJodaismaAugustin rajonAfrikaO1990SatanaPhilip MountbattenAutricourt1980TsimihetyJodeaKapila matezaYB2ForyHaitsikerafiteny87Paska jiosyHakitroky ny mponinaOlika voafintina anaty70BibyChristchurchAdrian WinterKolontsaina malagasyTetiandro jolianaAngatra13Foto-pampianaranaTranonkalaItalia854Hubert TardieuTambajotra sôsialyFararano🡆 More