Ito takelaka ito no mampiseho ireo dingana arahina rehefa mampiditra sary ato amin'ny Wiki Malagasy.
Ny zavatra tena sarotra dia ny hahafahana miaro ny Wikipedia eo anoloan'ny mety ho fanenjehana vokatry ny famoahana sary misy zo. Noho izany, mba ho azo ampidirina ato amin'ny Wikipedia, ny sary rehetra dia tokony hanaraka ireto fepetra ireto:
Zo handika vitsivitsy ihany no mamaritra an'ireo fepetra ireo. Ny tompon'ny sary no afaka manapa-kevitra ny ho zo hapetrany ho an'ny sary. Raha toa ka tsy manana izany zo izany ianao amin'ny sary dia mifandraisa amin'ny tompon'ny sary mba hanaovany fanomezan-dalana manaiky ireo fepetra eo ambony ireo. Raha manaiky izy dia afaka mandefa ny dika mitovin'ny fanomezan-dalana amin'ny adiresy imailaka permissions AD wikimedia.org.
Ny sary rehetra izay tsy mampiseho, ao amin'ny mombamomba ny sary, ny zo ilaina dia azo atolotra hofafaina. Ho ao anaty lisitry ny Sary hofafaina mandritra ny fito andro ny sary mandram-piandry ny fanapahakevitra iraisana.
Tsy afaka mametraka sary mirohy avy any ivelany ato amin'ny Wiki Malagasy. Izany dia mba hamerana ny fampiasana tsy ara-dalàna ny sary, ny fiarovana ny zon'ny mpamorona, ary ny mety ho olana eo amin'ny fahatapahan'ilay rohy.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Wiki:Momba ny fampiasana ny sary, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.