Ny aya (arabo: آية / ʾāya?) na ayat (arabo: آيات / ʾāyāt) raha maro, dia andininy ao amin' ny Kor'any, iray amin' ny fanambaràna samy hafa halava izay mandrafitra ny toko (sura na surah) ao amin' ny Kor'any ary voamarika amin' ny isa.
Ny teny hoe aya dia midika hoe "famantarana", "fahagagana" na "didy", izay teny ao amin' ny Kor'any izay manondro famantarana mahagaga ary, indraindray, ampahany amin' ny lahatsoratra. Araka ny fanao mahazatra taty aoriana dia manondroana andinin-tsoratra masina ao amin' ny Kor'any ny aya.
Io teny io no nampiasain' ny mpanoratra ny lahatsoratry ny Kor'any mba hanondroana ireo andalan-tsoratra masina ireo ho "famantarana mahagaga" sy hanehoana ny Kor'any ho Soratra Masina. Efa hita ao amin' ny sora-tanana tranainy ny fizaràna ny soratra koranika ho andininy; tsy mifanitsy amin' ny fizaràna misy ankehitriny izany.
Io teny io koa no ampiasain' ny Kristiana miteny arabo mba hanondroana andinin-teny ao amin' ny Baiboly.
Ao amin' ny sahan-kevitry ny Kor'any ny teny hoe aya dia midika hoe "porofo", "famantarana" na "fahagagana", ary amin' ny finoana silamo dia mety manondro zavatra hafa ankoatry ny andininy ao amin' ny Kor'any, toy ny adidy ara-pivavahana (āyat taklīfiyyah) na trangan-javatra any an-danitra (āyat takwīniyyah). Ao amin' ny Kor'any dia resahina ao amin' ny andininy maromaro toy ny:
تِلْكَ آيَاتُ ٱللَّٰهِ نَتْلُوهَا عَلَيْكَ بِٱلْحَقِّۖ فَبِأَيِّ حَدِيثٍۭ بَعْدَ ٱللَّٰهِ وَآيَاتِهِۦ يُؤْمِنُونَ
"Ireo no āya an' i Allah izay tononinay ho anareo amin' ny fahamarinana. Koa inona no kabary hinoan' izy ireo aorian' Andriamanitra sy ny āya-ny?"
— Kor'any 45;6
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Aya, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.