Nivaivay tokoa ny tolon' ny mpianatra malagasy tamin' ny 13 Mey 1972 izay nipoitra avy teny amin' ny Oniversiten' Antananarivo, izay niteraka ny faharavan' ny Repoblika Voalohany notariin' i Philibert Tsiranana.
Niseho tamin' ny alalan' ny fitokonana faobe, izay nataon' ny mpianatra tao amin' ny ambaratonga faharoa niisa 100 000 any ho any manerana an’ i Madagasikara, ilay tolona.
Nifantoka tamin' ny olana telo lehibe ny fitakiana, izay antsoina amin' ny andian-teny hoe "fanagasiana":
Tamin' ny fiandohan' ny volana Mey, ny mpitondra izay avy ao amin' ny Parti Social Démocrate (PSD) dia nanao izay hampitsaharana ny fitokonan' ny mpianatra tamin' ny fomba rehetra. Tamin'ny 13 Mey dia nitifitra ny mpanao fihetsiketsehana ny Tafika Repoblikana ho an' ny Fiarovana (Force Républicaine de Sécurité – FRS) ka olona eo anelanelan' ny 15 sy 40 no maty ary 150 teo ho eo no naratra. Tamin’ ny 12 sy 13 Mey dia nosamborin' ny fanjakana ny mpitarika an-jatony maro ary nalefa tany Nosy Lava. Nakaton' ny manampahefana ihany koa ny sekoly ary norarana ny fihetsiketsehana.
Tsy nety niravina anefa ny olana ka nandrava ny governemantany tamin' ny 18 Mey i Tsiranana, ary izany no namarana ny Repoblika voalohany. Nanolotra ny fahefana feno tamin' ny Foloalindahy teo ambany fitarihan' ny jeneraly Gabriel Ramanantsoa i Tsiranana.
Ny fitokonana tamin' ny taona 1991 ho fandrodanana ny "Mandan' i Jerikô" dia karazan' ny fiverenan' ny tantara ihany satria anisan' ny nandray anjara lehibe tao amin' ny "Hery Velona" ny mpianatra, indrindra tao amin' ny sampana "Service d'ordre".
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Tolon' ny mpianatra malagasy tamin' ny 13 Mey 1972, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.