Volana Hebreo Nisana

Ny Nisana dia volana voalohany amin' ny tetiandro hebreo ampiasaina amin' ny fivavahana jiosy (jodaisma) izay anarahana ireo andro firavoravoana ao amin' io fivavahana io.

Volana fahafito kosa izy ao amin' ny tetiandro hebreo ampiasain' ny olona andavanandro ivelan' ny fivavahana, ka raha miampy volana fahateloambin' ny folo ny taona hebreo dia volana fahavalo ny Nisana. Isan' ny volana amin' ny lohataona ny Nisana izay misy telopolo andro. Eo amin' ny volana Marsa na Avrily ao amin' ny tetiandro gregôriana ny volana Nisana. Ny teny nogasina hoe nisana dia avy amin' ny teny hebreo hoe נִיסָן / nisan.

Talohan' ny fahababoan' ny Jody tany Babilôna, io volana io dia atao hoe Aviva na Abiba (hebreo: אביב / Aviv na Abib) araka ny hita ao amin' ny Baiboly, ao amin' ny Bokin' ny Eksodosy sy ny Bokin' ny Deoterônômia (Eks. 12.2; 13.4; 23.15; 34.18; Deo. 16.1).

Amin' ny faha-14n' ny volana Nisana no ankalazan' ny Jiosy ny Pesakh (Paska jiosy) sy ny fiangonana kristiana sasany ny Paska.

Jereo koa

Tags:

AprilyFiteny hebreoJodaismaLohataonaMartsaTetiandro gregôrianaTetiandro hebreoVolana (fotoana)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Valve CorporationGoogleFanavaozana prôtestantaSoratraChauvac-Laux-MontauxHossein SadaghianiAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenena11 Novambra1524Team Fortress 2Faritra eto MadagasikaraVazimbaBibilavaMahmoud TaleghaniAbbas Ibn FirnasMayotte1940Paska jiosyFanahy MasinaHeresiôlôjiaFiteny rosianaFiteny betsimisaraka atsimoAugustin rajonSeiselyHaitsikerafitenyFambolenaBob DylanSokajin-tenyVorona(104249) 2000 EQ136Tendrombohitra roa ambin' ny folon' ImerinaFamadihanaAmpiposahana (faritra)Zafy AlbertNizeriaRosedale, MississippiFiteny sanskrityFaritra BoenyAndrianaAdijadyMozika malagasyAl-ShahrastaniMozikaFihetseham-poFiteny estônianaFiteny betsimisaraka avaratraFiangonana Adventista Mitandrina ny Andro FahafitoVoninahitra (fivavahana)ZafimaniryTrimôrfika PrôtenôiaEvanjelin' ny Roa ambin' ny FoloFiteny antesakaFiteny afrikansaSolosainaTorkiaFaritra SofiaAndringitraApôkrifan' i JoanyBetsimisarakaFiteny antankaranaMalagasy (vahoaka)Brécy, AisneDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)Fiteny masikoroFahitalavitra🡆 More