Ny lalàna fehizoro na lalàm-pitondrana dia lalàna manampy ny lalàmpanorenana mba hamaritana ny fandaminana ny fahefam-panjakana (asa fanaovan-dalàna, asam-pitsarana, asan' ny governemanta ary asa ara-pitantanan-draharaha).
Azo heverina ho karazana lalàna fehizoro manokana ny lalàmpanorenana. Ny lalàna fehizoro, ao amin' ny ambaratongan' ny fitsipika, dia eo ambanin' ny lalàmpanorenana sy eo ambonin' ny lalàna tsotra.
Ny lalàmpanorenana dia manome ny fomba fandaniana sy fanovana ny lalàna fehizoro izay mampiavaka ny lalàna fehizoro amin' ny lalàna tsotra:
Satria natao ho mety miova ny fepetra ao amin' ny lalàmpanorenana rehefa mandeha ny fotoana, dia misy ny lalàna fehizoro anolorana fahefana ny Antenimiara ho afaka hanova izany fepetra izany. Noho izany, amin' io lafiny io, dia toy ny fifandraisan' ny didim-panjakana fampiharana amin' ny lalàna iray ny fifandraisan' ny lalàna fehizoro amin' ny lalàmpanorenana.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Lalàna fehizoro, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.