I Saint-Louis, izay antsoina matetika hoe Saint-Louis-du-Sénégal, dia iray amin' ireo tanàna lehibe indrindra ao Senegaly ary, ara-tantara, dia iray amin' ireo tanàna manan-danja indrindra, araka ny asehon' ny fampidirana azy ao amin' ny lisitry ny lova maneran-tanin' ny UNESCO.
Miaraka amin' i Gorée sy i Rufisque ary i Dakar dia anisan' ny kaominina efatra niasa tanteraka tao Senegaly izay nandefa solombavambahoaka tany amin' ny Antenimiera frantsay nanomboka tamin' ny taonjato faha-19. I Saint-Louis dia eo am-bavan' ny ony Sénégal, 264 km avaratry ny renivohitry ilay firenena, Dakar, akaikin' ny sisin-tany manefitra amin' i Maoritania.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Saint-Louis (Senegaly), which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.