Fiteny Rosiana

Ny fiteny rosiana dia fiteny slava tenenina any amin' ny firenen' ny Firaisana Sôvietika taloha.

Fiteny rosiana
русский язык

Isan'ny mpiteny 144 tapitrisa (L1)
258 tapitrisa (L1+L2)
Faritany Fiteny Rosiana Rosia sy firenena manodidina
Sata fiteny ôfisialin' i Fiteny Rosiana Rosia, Fiteny Rosiana Kazakstana, Fiteny Rosiana Belarosia ary Endrika:Firenena Mikambana

Ny fiteny rosiana no fiteny ôfisialin' i Rosia, izay nitana anjara asa lehibe amin' ny maha fiteny ifandraisan' ny samihafa firenena (lingua franca) azy tao amin' ny Empira Rosiana sy tao amin' ny Firaisana Sôvietika. Mbola ampiasaina ho fiteny faharoa ao amin' ireo repoblika sôvietika taloha ny fiteny rosiana. Atao hoe "fiteny rosiana lehibe" izy, ka mitambatra amin' ny fiteny bielôrosiana sy ny fiteny okrainiana ao amin' ny sampana atsinanana amin' ny fianakaviam-piteny slava.

Fiteny Rosiana
saritan'ny tany miteny Rosy

Ny fiteny rosiana dia manana sata ôfisialy any Rosia, Kazakstana, Kirgizistana, Belarosia. Na dia tsy manana sata ôfisialy aza izy, dia ampiasain' ny firenen' ny Firaisana Sôvietika taloha ho fiteny ifandraisana amin' ny vahiny ny fiteny rosiana. Araka izany dia isaina eo amin' ny 100 tapitrisa eo ho eo ny nianatra ilay fiteny eran' izao tontolo izao. Raha atambatra amin' ny isan' ny olona notezaina tamin' ny fiteny rosiana izany dia eo amin' ny 255 tapitrisa eo ho eo ny isan' ny olona miteny rosiana. Noho ny tanjaka ara-tafiky ny Firaisana Sôvietika taloha dia anisan' ny teny ôfisiain' ny Firenena Mikambana ny fiteny rosiana miaraka amin' ny fiteny arabo, anglisy, espaniola, frantsay ary sinoa.

Fanononana sy soratra

Ny fiteny rosiana dia soratana amin' ny alalan' ny abidy sirilika izay ahitana litera miisa telo amby telopolo. Ny litera iray, amin' ny ankapobeny, dia tsy maneho afa-tsy feo iray, misy anefa izany ny fitsipi-panononana tsy manaraka ny fanononana fototry ny litera tsirairay nefa tsotra izany.

Misy fomba roa fanononana ny renifeo: mateza ary malemy. Zava-dehibe amin' ny fiteny rosiana ny tsindrim-peo, izay miovaova araky ny teny. Miova arak' izany ny fanononana ny zanapeo: hafohezina ny zanapeo tsy misy tsindrim-peo.

Tabilaon' ny abidy sirilika ankehitriny
Sorabaventy Soramadinika Anarana Fanononana
(AAI)
А а a a
Б б be b ~ Endrika:MSAPI
В в ve v ~ Endrika:MSAPI
Г г ge g ~ Endrika:MSAPI
Д д de d ~ Endrika:MSAPI
Е е je Endrika:MSAPI ~ Endrika:MSAPI
Ё ё jo Endrika:MSAPI ~ Endrika:MSAPI
Ж ж že ʒ
З з ze z ~ Endrika:MSAPI
И и i i
Й й i fohy
и краткое
j
К к ka k ~ Endrika:MSAPI
Л л el ɫ ~ Endrika:MSAPI
М м em m ~ Endrika:MSAPI
Н н en n ~ Endrika:MSAPI
О о o o
П п pe p ~ Endrika:MSAPI
Р р er r ~ Endrika:MSAPI
С с es s ~ Endrika:MSAPI
Т т te t ~ Endrika:MSAPI
У у u u
Ф ф ef f ~ Endrika:MSAPI
Х х ha x ~ Endrika:MSAPI
Ц ц ce t͡s
Ч ч če Endrika:MSAPI
Ш ш ša ʃ
Щ щ šča Endrika:MSAPI
Ъ ъ mafy
tvjordyj znak (твёрдый знак)
--
Ы ы ɨ
Ь ь malemy
mjagkij znak (мягкий знак)
--
Э э e mivadika
e oborotnoje (э оборотное)
ɛ
Ю ю ju Endrika:MSAPI ~ Endrika:MSAPI
Я я ja Endrika:MSAPI ~ Endrika:MSAPI

Fitenim-paritra rosiana

Ny fiteny rosiana dia mizara ho fitenim-paritra telo: ny fiteny rosiana avaratra sy ny fiteny rosiana atsimo ary ny fiteny rosiana afovoany, ka ity farany ity dia vondrona manelanelana ny mampiafandray nay vondrona avaratra sy atsimo. Ny fitenim-paritra atsimo sy afovoany dia miavaka amin' ny fisian' ny atao hoe akania, izany hoe ny fifangaroam-panononaa eo amin' ny zanapeo sasany tsy misy tsindrim-peo. Ny fiteny rosiana atao fenitra, izay foronin' ny fitenim-paritra afovoany ao Môskoa, dia isan' ny fiteny ôfisialin' ny Firenena Mikambana.

Fitsipiteny

Ny anarana

Ny anarana, izay mety ho kandahy na kambavy na tsy atsy tsy aroa, dia misy fiovana endrika arakaraka ny anjara asany (nôminativa, akiozativa, jenitiva, dativa, fitaovana ary toerana) sy ny filaza isa (tokana sy maro).

Mifanaraka amin' ny kandahy na ny kambavy sy ny filaza isa ary ny endrika araka anjara asa ny mpamaritra (mpamari-toetra, sns).

Ny matoanteny

Miseho amin' ny filazam-potoana, dia ny ankehitriny, ny lasa ary ny hoavy, ny matoanteny.

Ny matoanteny koa dia manambara fanehoan-javatra, izay mety ho fanehoan-javatra mifetra (perfektiva) sy ny fanehoan-javatra tsy mifetra (imperfektiva). Ny fanehoan-javatra mifetra dia maneho manontolo ny hetsika ambaran' ny matoanteny, matetika amin' ny fiheverana ny fahavitany. Ny fanehoan-javatra tsy mifetra kosa dia iheverana ny hetsika ambaran' ny matoanteny ho toy ny miverimberina.

Ny fanavahana ny fanehoan-javatra dia hita ao amin' ny filaza telo: tsotra (indikativa) sy ifampiankinana-mihonohono (kôndisiônaly-sobjônktiva) ary mandidy (imperativa).

Ny fanehoan-javatra koa dia hita amin' ny ova-matoanteny (partisipa) sy amin' ny endriky ny matoanteny izay miasa toy ny tambinteny sy mpamaritra.

Ny matoanteny koa dia mety ho amin' ny fitodika mpanao (aktiva) na iharana (pasiva).

Fandrafetana fehezanteny

Tsy hentitra ny filaharan' ny teny anaty fehezanteny noho ny fisian' ny fiovan' endriky ny teny arakaraka ny anjara asany am-pehezanteny, sy noho ny fisian' ny fitanisana matoanteny.

Ny voambolana

Ny voambolana rosiana dia miavaka fahafahana mamorona teny ao amin' ny fisian' ny fianakavian-teny mivelatra dia mivelatra amin' ny alalan' ny fanasampanana teny avy amin' ny fototeny iray, izany hoe amin' ny alalan' ny fametrahana tovona sy tovana isan-karazany.

Jereo koa

Fiteny Rosiana 
Mbola ambangovangony  amin'ny resaka Rosia ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Tags:

Fiteny Rosiana Fanononana sy soratraFiteny Rosiana Fitenim-paritra rosianaFiteny Rosiana FitsipitenyFiteny Rosiana Ny voambolanaFiteny Rosiana Jereo koaFiteny RosianaEmpira RosianaFiraisana SôvietikaFiteny bielôrosianaFiteny okrainianaFiteny slavaRosia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Tsangan-tsainaKaremyAndy BerezaVoamanitra1592Pereira BarretoVictor SjöströmMatoatoaBatisaEtazoniaAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaSanta-Kity-sy-NevisySingaporoTanora Gasy VononaOkrainaFiteny alemàna1200TerakaKolontsaina malagasyLalàmpanorenanaJean-Paul BelmondoRepoblika Fahefatra (Madagasikara)Jonas ÅkerlundAveloChristopher NolanFifidianana filoham-pirenena ao Madagasikara 2013Kalandrie RonikaPôlitikaPrôtestantisma eto MadagasikaraBoky faharoan' ny TantaraApôstôly roa ambin' ny folo533Fanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' OlombelonaAbidy ara-drafipeo iraisam-pirenenaFoko eto MadagasikaraAlemainaSolosainaZedekiaApôkalipsin' i JoanyRavelonjanaharyKrizy ara-bolaVolahavana GermaineFrode GrodåsTetiandro litorjika kristianaRanavalona IIFanekem-pinoana apôstôlikaTV plus MadagascarVarySamuel RatanyAlahamadyAntibiotikaJodaismaOlik'aratraRadama I1938Tantaran'i MadagasikaraFiteny malagasyFandriam-pahalemanaFitampohaSokatraJean-Joseph RabeariveloAlakaosyIgor StravinskyNy EjaWayback MachineSaint-MontanAntandroyMalagasy (vahoaka)Sikidy malagasyToeraJeôgrafia🡆 More