Ao amin' ny fampianaran' ny fivavahana maro, ny andian-teny hoe zanak' Andriamanitra na Zanak' Andriamanitra dia anaram-boninahitra omena fanahy na olona na zavatra nisy tokoa na tsy nisy teo amin' ny tantaran' ny zanak' olombelona.
Ao amin' ny Torah (Baiboly hebreo) sy ao amin' ny andalan-tsoratra maro amin' ny literatiora jiosy ivelan' ny Baiboly ary ao amin' ny Testamenta Vaovao (ilazana an' i Jesoa Kristy) indrindra no ahitana ny teny hoe zanak' Andriamanitra.
Io anaram-boninahitra io dia niseho ao amin' ny fivavahana tatsinanana maro tamin' ny Andro Taloha ka nanondroana ny andriamanitra zanaky ny andriamanitra lehibe kokoa na fara tampony, ao amin' ny lovantsofina samihafa, ny andriamanitra tapany sahala amin' i Gilgamesa (Gilgamesh) sy ny mpanjaka miavaka ary ny olona sasany izay heverina fa nanana toetra tsy mitovy amin' ny olombelona hafa. Lazaina fa zanaky ny andriamanitra masoandro Re ny mpanjakan' i Egipta atao hoe farao (na faraôna) tao Egipta.
Raha ny tantara no dinihina dia maro ny mpanapaka izay nitondra ny anaram-boninahitra hoe "zanak' andriamanitra" na "zanak' Andriamanitra" na "Zanak' Andriamanitra", izay atao hoe koa indraindray "Zanaky ny Lanitra".
Amin' ny fiteny semitika dia ampiasaina ny andian-teny mitovy hevitra amin' ny hoe "zanak' Andriamanitra" hanondroana ny fifandraisana ara-pitondrantena. Noho izany ny "zanak' Andriamanitra" dia mety ho olona na vahoaka ahitana taratra ny toetr' Andriamanitra.
Ampiasaina indrainday ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly ny hoe zanak' Andriamanitra mba hanondroana ny olona manam-pifandraisana manokana amin' Andriamanitra. Ao amin' ny Testamenta Taloha ihany dia antsoina hoe "zanak' Andriamanitra" ny anjely sy ny olo-marina sy ny olona tia vavaka ary ny mpanjakan' i Israely.
Na dia hita ao amin' ny literatiora jiosy aza tsindraindray ny andian-teny hoe "zanak' Andriamanitra" na "zanak' i IHVH" dia tsy midika ara-bakiteny ho fahaterahana avy amin' Andriamanitra izany . Atao hoe "zanak' Andriamanitra" koa ny mpanjaka jiosy. Antsoina hoe "zanak' i IHVH Andriamanitra" ny vahoaka jiosy .
Rehefa ampiasain' ny raby ny teny hoe "zanak' Andriamanitra" dia manondro an' i Israely na ny olombelona rehetra amin' ny ankapobeny, fa tsy ny Mesia jiosy. Ao amin' ny fivavahana jiosy, ny teny hoe mesia (hebreo: mashiakh) dia manana heviny sy fampiasana azy mivelatra kokoa ary mety manondro sokajin' olona na zavatra samihafa, fa tsy voatery hisy fifandraisany amin' ny eskatôlôijia jiosy. Ny raby Shimon ben Yohai dia nanozona ireo izay mampiasa ny andian-teny hoe "zanak' Andriamanitra" satria Andriamanitra tsy mba nanambady velively ka hanan-janaka.
Araka ny hita ao amin' ny Bokin' ny Genesisy dia nanao firaisana ara-nofo tamin' ny zanakavavin' ny olombelona ny zanak' Andriamanitra. Ny fanaovana heviteny iray amin' io fitantarana io dia manao ny zanak' Andriamanitra ho ireo zanak' i Seta ary ny zanakavavin' ny olombelona ho ny zanakavavin' i Kaina. I Flavio Jôsefa dia milaza fa ny anjely potraka no atao hoe zanak' Andriamanitra. Ny teny hoe Elohim dia sady midika hoe "Andriamanitra" no midika hoe "mpitsara" ary ny hoe Bene Elohim dia azo adika hoe "zanaky ny mpitsara" fa tsy "zanak' Andriamanitra".
Misy toerana roa ao amin' ny Tanakh izay mitantara amin' ny fampiasana sarinteny ny mpanjaka roa tamin' izany fotoana izany ho "zanak' Andriamanitra". Ny mpanjaka dia mifandray amin' ny Mpanjaka fara tampony, dia Andriamanitra izany. Ny hoe "zanak' Andriamanitra" dia matetika ampiasaina amin' ny heviny mivelatra ka ilazana fa ny vahoaka mino dia zanak' Andriamanitra .
Rehefa ampiasaina mifandraika amin' izany vanimpotoana izany ny hoe "zanak' Andriamanitra" dia manondro ny Zanak' i Israely amin' ny akapobeny fa tsy manondro ny Mesia kristiana .
Ao amin' ny literatiora masina hebreo, araka ny lovantsofin' ny fivavahana jiosy, ary ao amin' ny lahatsoratra hebreo dia ampiasaina hanondroana zavatra isan-karazany ny andian-teny hoe "zanak' Andriamanitra":
Tsy mitovy ny fandraisan' ny fiangonana kristina samihafa ny hevitry ny teny hoe "zanak' Andriamanitra" rehefa ampiharina amin' i Jesoa Kristy.
Ao amin' ny Testamenta Vaovao kosa dia atao hoe "zanak' Andriamanitra" i Adama ary indrindra fa i Jesoa Kristy, eny fa na dia ny mpanara-dia an' i Jesoa dia atao hoe "zanak' Andriamanitra".
Ampiharina amin' i Jesoa matetika ny hoe "Zanak' Andriamanitra", ao amin' ny Testamenta Vaovao ihany. Indroa no nambaran' ny "feo avy any an-danitra" ho ilay Zanak' Andriamanitra i Jesoa. Milaza ny tenany mivantana na ankolaka ho Zanak' Andriamanitra koa i Jesoa ary misy olona samihafa izay milaza an' i Jesoa ho Zanak' Andriamanitra . Vokatry ny finoana ny anjara asa maha Mesia, mpanjaka voafidin' Andriamanitra azy ity fampiharana an' ilay anaram-boninahitra amin' i Jesoa ity .
Mbola iadian-kevitra eo amin' ny samy mpandinika sy mpikaroka momba ny Soratra Masina ny zava-miseho sy ny fomba ananan' io anaram-boninahitra io heviny ankoatry ny maha Mesia azy.
Ny andian-teny hoe "Zanak' Andriamanitra" dia tsy tokony hafangaro amin' ny hoe Andriamanitra Zanaka (grika: Θεός ὁ υἱός / Theos o Uios), dia ny persôna faharoan' ny Trinite ao amin' ny teôlôjian' ny fiangonana kristiana sasany. Ny fotopampianarana momba ny Trinite dia manao an' i Jesoa ho Andriamanitra Zanaka, mitovy fiziana (na fomba na maha izy azy na natiora na sobstansa) amin' Andriamanitra Ray nefa persôna miavaka amin' Andriamanitra Ray (persôna voalohany) sy amin' Andriamanitra Fanahy Masina (persôna fahatelo).
Manaiky ny fiantsoana an' i Jesoa amin' ny andian-teny hoe "Zanak' Andriamanitra" ny Kristiana tsy mino ny Trinite satria hita ao amin' ny Testamenta Vavao io andian-teny io, fa tsy manaiky kosa ny fiantsoana azy hoe "Andriamanitra Zanaka" izay tsy hita na aiza na aiza ao amin' ny Baiboly.
Ao amin' ny fivavahana kristana mino ny Trinite dia manambara ny satan' i Jesoa amin' ny maha zanaka naterak' Andriamanitra Ray azy ny hoe "zanak' Andriamanitra". Ao amin' ny ankamaroan' ny lovantsofina teôlôjika kristiana mampianatra ny Trinite dia manondro ny fifandraisan' i Jesoa, noho ny maha Kristy azy, amin' Andriamanitra Ray ny andian-teny hoe "Zanak' Andriamanita". Vokatry ny fampiasana io andian-teny io ao amin' ny Testamenta Vaovao sy teo amin' ny teôlôjia kristiana voalohandohany izany.
Araka ny Testamenta Vaovao dia ireto avy ny niantso an' i Jesoa ho Zanak' Andriamanitra;
Manamafy anefa ny Oxford Dictionary of the Jewish Religion fa amin' ny teny hebreo dia manana heviny an-tsarinteny ny hoe "zanak' Andriamanitra". Ny Hasting's Bible Dictionary kosa dia milaza fa izay hita tsindraindray ao amin' ny lahatsoratry ny Baiboly na ivelan' ny Baiboly dia tsy manondro ny fahaterahana ara-batan' ny Tompo velively.
Ao amin' ny finoana silamo dia fantatra amin' ny anarana hoe Īsā ibn Maryam (arabo: عيسى بن مريم, "Jesoa, zanak' i Maria") i Jesoa, sady ataon' ny Mozilmana hoe mpitondra hafatr' Andriamanitra (Allah) no ataony hoe al-Masih (izany hoe Mesia na Kristy), nirahina mba hitari-dalana ny Zanak' i Israely (arabo: Banī Isrā'īl) miaraka amin' ny fanambaràna vaovao, dia ny al-Injīl (izany hoe ny Evanjely, ny Vaovao Mahafaly na ny Filazantsara) .
Ny silamo dia mitsipaka ny fifandraisan' ny mpianaka eo amin' Andriamanitra sy ny olona na zavatra hafa. Noho izany dia laviny ny maha naterak' Andriamanitra an' i Jesoa na ny maha "ampahan' Andriamanitra" azy . Toy ny Kristiana koa dia inoan' ny Mozilmana ny tsy fananan' i Jesoa ray ety an-tany. Amin' ny mpino silamo dia teraka noho ny sitrapon' Andriamanitra i Jesoa. Andriamanitra dia nandidy ny anjely Gabriela (arabo: Jibrīl) mba hitsoka ny fanahin' i Jesoa ao amin' i Maria ka izany no niterahan' i Maria an' i Jesoa. Ny manampahaizana silamo dia miady hevitra raha azo ampiharina amin' i Jesoa ny anaram-boninahitra hoe "Zanak' Andriamanitra" amin' ny maha zanaka natsangan' Andriamanitra fa tsy naterany azy, sahala amin' i Abrahama izay nalain' Andriamanitra ho sakaizany.
Araka ny literatioran' ny finoana bahay dia ampiharina amin' i Jesoa ny anaram-boninahitra hoe "Zanak' Andriamanitra" nefa tsy manambara fifandraisana ara-batana eo amin' i Jesoa sy Andriamanitra ara-bakiteny izany, fa fifandraisana am-panoharana, sady ampiasaina honondroana ny fifandraisana ara-panahy hentitra eo amin' i Jesoa sy Andriamanitra sady loharanon' ny fahefan' i Jesoa. Nanantitra koa i Shoghi Effendi, ilay mpitarika ny finoana bahay tamin' ny antsasany voalohany amin' ny taonjato faha-20, fa io andian-teny io dia tsy midika fa ambony noho ny mpaminany sy ny mpitondra hafatra hafa i Jesoa, dia ireo ataon' ny finoana bahay hoe "Fisehoan' Andriamanitra", anisan' izany i Bodà sy i Mohamady ary i Bahaolà, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo.
Nilaza koa i Shonghi Effendi fa, satria mitovy ny fifandraisana lalin' ny "Fisehoan' Andriamanitra" rehetra amin' Andriamanitra sy ny fahazavana ao amin' izy ireo, ny maha Zanaka amin' ny lafiny iray dia azo ampiharina amin' ireo "Fisehoana" rehetra ireo.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Zanak' Andriamanitra, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.