Ny Wikipedia amin'ny teny malagasy dia tetikasa iray an'i Wiki Foundation.
Ny kaodim-piteny ampiasainy dia « mg », ampiasain'ny fiteny malagasy amin'ny ankapobeny.
Ny Wikipedia amin'ny teny malagasy dia nosokafana tamin'ny taona efatra sy roa arivo (2004) ary izy ankehitriny no Wikipedia amin'ny teny afrikanina lehibe indrindra ao anoloan'ny fiteny afrikaans, ny fiteny soahily ary ny fiteny iôroba. Ny isan'ny mpikambana nisoratra anarana ao amin'izao fotoana izao dia manakaiky ny iray alina fa vitsy amin'ireo no tena mpikambana mavitrika. Ny isan'ny mpandrindra dia roa.
Wiki lehibe indrindra amin'ny fiteny any Afrika ny Wikipedia malagasy. Ary izy irery ankehitriny no tetikasa Wikipedia soratana amin'ny fiteny barito.
Ny toerana misy ny mpiteny malagasy dia any Madagasikara amin'ny ankapobeny (roapolo tapitrisa). Na dia izany aza raha oharina amin'ny fiteny hafa izay manana teny teratany ho teny ofisialy, vitsy ny mpitsidika avy any Madagasikara mitsidika ny Wikipedia amin'ny teny malagasy, ary vitsy ny mpitsidiky ny Wikipedia amin'ny teny malagasy avy any Madagasikara.
Ny fiteny tena ampiasaina amin'ny fanoratana ny lahatsoratra amin'ny teny malagasy dia ny teny malagasy ofisialy. Na dia izany aza tsy ny teny malagasy ofisialy ihany no azo ampiasaina eto amin'ny Wikipedia amin'ny teny malagasy fa ekena avokoa ireo fitenim-paritra. Araka izany ny kaodim-piteny ampiasain'ny teny malagasy dia "mg" fa tsy "plt", izay natao ho an'ny teny malagasy tenenina eo amin'ny faritra afovoan'i Madagasikara.
Tamin'ny volana Aogositra 2012, lasa Wikipedia amin'ny fiteny afrikanina lehibe indrindra ny Wikipedia amin'ny teny malagasy izay niisa lahatsoratra 38 000 ary mpikambana 4 900. Ny Wikipedia amin'ny teny afrikanina manaraka azy dia ny Wikipedia amin'ny teny soahily ary ny Wikipedia amin'ny teny yoroba izay manana lahatsoratra niisa telo alina ary 24 000. Telo volana sy tapany taty aoriana tamin'ny volana Desambra 2012, dia nihoatra ny efatra alina ny isan'ny lahatsoratra, izay nahatonga ny Wikipedia malagasy ho Wikipedia voalohany indrindra manana lahatsoratra efatra alina.
|
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Wikipedia amin'ny teny malagasy, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.