Tetiandro Manara-Bolana

Ny tetiandro manara-bolana dia tetiandro ahitana volana mitovitovy faharetana amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Volana amin'ny Tany (29 na 30 andro) nefa tsy mampifanandrify ny tsingerin-taona amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro na amin'ny tsingerin'ny fizaran-taona.

Ny faharetan'ny tsingerim-pihodinan'ny Volana dia 29,5305882 andro nefa ny iray volana dia tsy maitsy misy andro maromaro feno (samy maharitra 24 ora) fa tsy mitovy amin'io isa eo ambony io. Ny tetiandro miozolmana no tetiandro manara-bolana tanteraka.

Ny volana

Matetika dia misy 29 na 30 andro ny iray volana ao amin'ny tetiandro manara-bolana (amin'ny heviny hentitra) sady tsy maintsy miisa 12 ao anatin'ny iray taona.

Ny taona

Maharitra 354,3670584 andro ny salam-paharetan'ny taona iray ao amin'ny tetiandro manara-bolana, nefa noho ny taona tsirairay izay tokony hisy andro feno dia maharitra 354 na 355 andro izany, izany hoe latsaka 10 na 11 andro raha mitaha amin'ny taona amin'ny tetiandro gregoriana.

Jereo koa:

Tags:

Fizaran-taonaMasoandroTanyTetiandroTetiandro miozolmanaVolanaVolana (fotoana)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

CuambaTrombaBetsileo6 JonaLouisianaTetiandro gregôrianaTeôlôjian' ny hazo fijalianaRepoblika Fahefatra (Madagasikara)Zoma masinaMpandrindra milinaDavid CameronSunan al-SughraFrancisco Javier Muñoz LlompartNederlandyFiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny kitra 2010IndostriaAdijadyRun Run ShawApôkalipsin' i JoanyFiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro FaranyAndrianjakaRanavalona IFifohazana ManolotronyZon' olombelonaLalan-jazaWiki CommonsKabary famangianaMpaminanyVladimir LeninLeonid BrezhnevOrsa pôlaraMônakôAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaXankandiKońskowolaAndriamanitra (tokana)Ranavalona IIShanghaiSoratraWordPressAndrianampoinimerinaAdimizanaAnjara asa (fitsipiteny)AC/DCFirenena Mpiara-Dia tamin' ny Ady Lehibe VoalohanyBatmanFady (malagasy)Seranam-piaramanidin'i London HeathrowTsinyKainaFath al-BariKrimeaTantaran' i Madagasikara2020Rindrankajy malalakaLevy (zanak' i Jakôba)HiragasyVintana (finoan-drazana malagasy)Tobilehibe1936Repoblikan' i Madagasikara (1992-2009)AntandroyMarshall Lefferts31 MartsaCharles IJapànaFiteny araboTeteBetsimisarakaSaolyEskatôlôjia silamo🡆 More