Voanteny

Ny voanteny, izay antsoina hoe teny ihany koa, amin' ny heviny mahazatra, dia feo na tarehin-tsoratra mitandahatra izay manome heviny sy manana ny dikany.

Ny fanavahana ny voanteny roa samy hafa dia sarahin' ny mpanelanelana, izay matetika heba na malalaka hita amin' ny fanoratana, na fiatoana kely heno amin' ny fitenenana. Amin' ny haifiteny, ny voanteny na teny dia singa kely indrindra azo tononina mitokana sady manana hevitra.

Voanteny
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Ny endriky ny voanteny

Ny mamorona ny voanteny

Ny voanteny na ny teny dia foronina hasin-teny iray na maromaro, izay tsy azo tapatapahina, mba hahazoana mampiasa azy miaraka amin' ny heviny. Ny fadrasana ny voanteny foronina hasin-teny tokana dia tsy ahazoana afa-tsy feon-teny tsy misy heviny.

Ny fanakambanan-teny dia fampitohizana voanteny roa na mihoatra mba hamoronana singa vaovao, manana ny heviny manokana, atao hoe kamban-teny. Ny fampisampanan-teny kosa dia ny fanakambanana tsirinteny amin' ny fototeny mba hamoronana teny vaovao atao hoe sampan-teny. Tsy hilazana ny toetry ny teny ara-pitsipiteny, toy ny filaza isa na ny lahara-mpandray anjara am-pehezanteny na ny anjara asan' ny teny, sns, izany.

Fiovana endriky ny voanteny

Mety mihalava na mihafohy ny teny iray voaforon' ny hasin-teny atao hoe fototeny, miampy hasin-teny hafa, arakaraka ny hevitra asehony na ny anjara asa sahaniny ao anaty tarika na fehezanteny, amin' ny alalan' ny fanesorana na fanampiana hasin-teny atao hoe tsirinteny amin' ny fototeny. Mety miova endrika fotsiny ny teny iray arakaraka ny anjara asa sahaniny ao amin' ny tarika na ao amin' ny fehezanteny.

Fampiasana ny voanteny

Ny karazana voanteny

Mizara ho vondrona roa lehibe ny voanteny, dia ny reniteny sy ny zanateny. Voanteny azo sarahina amin' ny namany ny reniteny nefa afaka mahaleo tena sady manana hevitra mazava na dia tsy misy teny hafa milaza ny anjara asany aza, sady tsy natao hilaza ny anjara asan' ny teny hafa koa izy. Voanteny tsy azo sarahina amin' ny namany sady tsy afaka mahaleo tena ny zanateny sady natao hilazana ny anjara asan' ny teny hafa na natao hampifandraisana teny roa hafa ao anaty tarika na fehezankevitra na fehezanteny.

Misy karazany maro ny teny izay azo avondrona anaty sokajy ara-pitsipiteny atao hoe sokajin-teny, ka ny fantatra indrindra amin' izany dia ny anarana, ny matoanteny, ny mpamaritra, ny tambinteny, ny tenim-piontanana, ny mpisolo anarana ary ny mpampitohy.

Ny fanambarana ny voanteny

Matetika ny voanteny atambatambatra araka ny fitsipiteny no mamorona tarika (tarika anarana, tarika matoanteny, sns) ary ny fitambaran' ireto indray no mamorona fehezanteny. Ny tarika iray na ny fehezanteny iray dia mety hoforonina voanteny iray.

Jereo koa

Tags:

Voanteny Ny endriky ny voantenyVoanteny Fampiasana ny voantenyVoanteny Jereo koaVoantenyHaitsikerafiteny

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

EkoadôraSinôgramaRenivintanaAndriamasinavalonaFaritra eto MadagasikaraDesambraTendrontanyShahram NazeriZanak' OlonaFiteny samôrôFanatontoloanaBaiboly katôlikaFoko eto MadagasikaraFihetseham-poKroazadaJesoa araka ny kristianismaFanekem-pinoana apôstôlikaKantoZone FrancFiteny betsimisaraka avaratraAnjara (finoana)29 SeptambraOva-matoantenySaryBokin' i DanielaFehezantenyFiteny finoàSodànaKabary am-panambadianaMaha virjiny mandrakizay an' i Maria8 MartsaSetianismaJean NarivonyRanavalona IIFiendrika sy fitodikaFatranaKameronaAtiq RahimiFisoronana sy fanalana vintana1994Filazantsara araka an' i LiokaKinshasaFasismaRSSForyAndriamiseza LucienAntananarivoMpaminany lehibeWikimaniaWorcester, MassachusettsMozikaDumboTendrombohitra roa ambin' ny folon' ImerinaSôfia (gnôstisisma)Fiteny frantsayNederlandyRazana (finoana malagasy)Mpisolo manontanyPôlitika eto MadagasikaraVarotraSalamon' i Salômôna19 AogositraMistery masinaVanim-potoana kristianaMulbagalRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)NormandiaFanalan-jaza🡆 More